Filtrer les éléments par date : lundi, 18 septembre 2017

Rangahy iray sahabo 55 taona no hita faty tao anaty tanimbary manamorona ny lalana makany Ranomena eo amin'ny 6km mivoaka ny tanànan'i Vangaindrano androany alatsinainy 18 septambra maraina.

Tsy nisy ratra, tsy nisy mangana daroka ka heverin'olona fa vokatry ny hamamoana. Tsy misy mahafantatra azy ity anefa ny mponina manodidina eo.

Matetika raha fatin'olona tsy misy mahafantatra io dia ireny jiolahy tratry ny fitsarambahoaka ireny raha aty Vangaindrano, ity anefa tsy nisy ratra na daroka.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 18 septembre 2017 22:18

HJRA: Mitia et Fitia en bonne santé

Après l'opération lourde de séparation des siamoises le 13 septembre dernier à l'hôpital HJRA, les deux petites filles se portent bien. Mitia et Fitia partageaient le cordon ombilical, et elles étaient collées au ventre.

Les équipes de chirurgiens et médecins ont tenu ce jour une conférence de presse rapportant les détails de l'opération réussie avec une équipe entièrement malagasy.

 

Publié dans A la Une
lundi, 18 septembre 2017 22:15

HJRA: Salama tsara i Mitia sy Fitia

Tamin’ny 13 septambra lasa teo no vita soa aman-tsara ny fandidiana an’i NAMBININA HARILALA Fitia, sy NAMBININA HARILALA Mitia, zazavavy kely izay nitambatra teo amin’ny kibo hatrany am-bohoka izay tadim-poitra no niraisany.

Araka izany dia nanao fanambarana ny fahobiazan’ny fandidiana natao ny teo anivon’ireo mpandidy sy mpitsabo teny amin’ny HJRA, anisan’ny nitarika izany ny Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana, Minisitry ny fahasalamana.

Nambara antsipirihany avokoa ireo dingana rehetra noentina teo ampandidiana an’I Mitia sy Fitia.

Ny alarobia 13 septambra tamin’ny 11h30 atoandro no vita tanteraka ny fandidiana, ary efa salama tsara izy roa vavy kely ankehitriny, izay mbola tsy azo tsidihina mba ho fisorohana ny loto mety hiditra.

 

Publié dans Sociale

Mandroso ny asa hamerenana ato anatin’ny 24ora ny fifamoivozana amin’ny lalam-pirenena faha-7, vokatry ny fahatapahan’ny tetezana tao Vohiposa. Mifanome tanana amin’izany ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny Vondrona Eorôpeana ary ny ARM.

 

Publié dans Tselatra

Mampitebiteby ireo mpampiasa solika aty amin'ny ilany atsimon'ny Nosy ny fahatapahan'ny tetezana ao Vohiposa.

Raha ny zava-misy notaterin'ny mpitandro filaminana aty an-toerana dia tsy mbola misokatra ny lalana amin'io toerana io ary tsy afaka miampita ny fivilianana ireo fiarabe toy ny mpitatitra solika.

Ampy hamatsiana solika hatrany Sakaraha mandritra ny roa herinandro ny tahiry ao amin'ny toby Ambalakely Distrikan'i Lalangina hoy ny tompon'andraikitra ifotony.

Ho an'ny famatsiana an'Ambositra kosa dia anjaran'ny rantsana ao Antsirabe no mamatsy ny ao an-toerana mandrapahavitan'ny lalana raha Fianarantsoa no miandraikitra izany amin'ny ankapobeny.

 

Publié dans Sociale

Une conférence de presse, sur l’opération chirurgicale réussie de séparation de siamoises Mitia et Fitia, grâce aux équipements et compétences locales sera tenue à l’ HJRA, ce lundi 18 septembre à 14h30.

 

Publié dans Fil info
lundi, 18 septembre 2017 09:03

JLM: Tsy ekena ny tsy maty manota

Manoloana ireo fikasana hikasika ny Lalampanorenana sy ny resaka fampihavanam-pirenena, dia nanao fanambarana ireto tanora mikambana ao amain'ny JLM na ny Jery Lavitra ho an’I Madagasikara, fa tsy ekena ireo fikasana ametraka ny tsy maty manota eto amin'ny Firenena.



Publié dans Tselatra
lundi, 18 septembre 2017 08:17

Kolotsaina: Taom-baovao malagasy

Hisy ny fihaonam-be ataon’ireo Raiamandreny ara-drazana manerana ny Madagasikara ny 21 septambra ho avy izao izay hatao eny Ambohimanga Rova. Hanomboka ny 19 septambra izao dia efa hisy ny fihaonana, ary izany no fotoana izay hanomezana ny firaisam-pirenena ara-drazana eto Madagasikara.

Ny faha 22 septambra kosa dia ho ambara ampahibemaso ireo dinika tapaka mandritry io fihaonana io ary hisy ny fitokanana ny tsangam-baton’ny firaisam-pirenena izay hiafara amin’ny alim-pandihizana izay atao ao amin’ny lapan’ny Tanàna.

 

Publié dans Art et Culture
B1 - Polyclinique
B2 - Toa