Filtrer les éléments par date : jeudi, 14 septembre 2017

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy androany alakamisy 14 septambra 2017 tetsy amin’ny Forello Expo Tanjombato ny andiany voalohany amin’ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny agriculture izay nokarakarain’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny eo anivon’ny Première Ligne.

Miisa 117 ny trano eva mampiranty amin’izao hetsika izao ary maro ireo vokatra aseho eny. Amin’ny alahady ho avy izao moa vao hifarana ity Foara ity.

 

Publié dans Economie

Nametraka fitarainana eny anivon'ny mpitandro filaminana Rtoa Rasoarimalala Odile noho ny fanjavonan’ny zanany vavy kely 14 taona ny alarobia 13 septambra 2017 tamin'ny 9ora maraina tao Matahodafa, Kaominina Atindra Sambava.

Lehilahy iray mpivahiny, nipetraka efa ho iray volana tao amin’izy ireo, izay mandeha mitety vohitra manasitrana amin’ny alalan'ny otra (massage) no nindrana ilay zaza fa hoe handeha hivoaka kely ho any Amboangibe.

Naheno vaovao tampoka indray anefa ilay fianakaviana fa nandray Taxi-moto ary nitsoaka tsy fantatra io lehilahy io, nitondra ilay zazavavy. Voafitaka ny rehetra tsy nisy nanampo noho ny efa fifankazarana tamin’ilay rangahy tao anatin’ny iray volana.

Publié dans Vaovao

Zava-doza no nitranga androany maraina fa maty tsy tra-drano i Yodolin, 22 taona, mpianatry ny Lycée Mixte Andapa vao afaka bakalôrea farany teo, ary tonga namangy ny Ray aman-dreniny tao Ambohimanarina Lokoho mialoaha ny handehanany hanohy fianarana saingy indrisy.

Handeha hamatotra ny ombin’izy ireo any an-tsaha, tao Antsahabe, izy no izao tra-doza izao nontrongisin’ny omby tampoka. Niezaka nanavotra azy ihany ny dadatoany fa noho ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy tana ny ainy.

Zaza telo mianadahy ry Yodolin no zanaky ny ray aman-dreniny, ka izy no zokiny indrindra. Samy niatrika fanadinana bakalôrea izy telo mianadahy iraitam-po ka samy afaka izy roa lahy zokiny fa ny vavy kely kosa no hamerin-taona.

 

Publié dans Tselatra

Vita androany ny sonia teo amin’ny sampandraharaha amerikana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana (USTDA) sy ny orinasa malagasy mpamokatra herinaratra Henri Fraise Fils & Cie, nanomezana fanampiana hampiroboroboana sy hananganana tambazotra madinika mpamokatra sy mpitsinjara herinaratra eto Madagasikara, raha 15% mponina ihany no manana herinaratra hatreto.

Ity fifanarahana ity dia hoentina manohana ny fanadihadiana teknika sy ara-barotra momba ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana ireo herinaratra ireo amina tanàna miisa 100. Tafiditra anatin’izany koa ny andrana famokarana sy fitsinjarana herinaratra any Belobaka.

Nilaza ny filoha lefitry ny orinasa Henri Fraise, Nicolas Verbert, fa “ankasitrahanay ny tohana omen’ny USTDA amin’ny fiarahanay miasa amin’ny orinasa Fluidic, hametrahana ny famokarana herinatra amin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ary ny fitsinjarana izany. Ny famatsiam-bola avy amin’izy ireo dia sady hanatsarana ny fitrandrahana ara-barotra io teknika famokarana herinaratra io no hoentina hanapariahana izany manerana an’i Madagasikara”.

Publié dans Economie

Morainjara Donit Florent, le Maire de la Commune urbaine de Bealanana, région Sofia est placé en détention provisoire à la prison d’Antsohihy depuis hier. Il est poursuivi pour vente illicite de terrain communal ainsi que pour faux et usage de faux.

Morainjara Donit Florent est élu sous la bannière du Tiako i Madagasikara, parti de l’ancien président Marc Ravalomanana lors des communales de 2015.

 

Publié dans Fil info

Manomboka ankehitriny ny asa fanamboarana ny toby fiantsonana ho an’ny taksiborosy mampitohy an’Amparafaravola, Faritra Alaotra amin’Antananarivo Renivohitra. Asa izay iantohan’ny Kaominina madiodio.

 

Publié dans Tselatra

Vokatra toy ny vary sy kafe ary kojakoja maro ary lelavola iray tapitrisa Ariary no may vokatry ny haintrano nitranga ny talata 12 septambra teo, tao amin'ny tanàna atao hoe Morafeno 2, Kaominin'i Anilobe, Distrikan'i Vangaindrano, tokony ho tamin'ny 12 ora atoandro.

Fianakaviana miisa 37 no tsy manan-kialofana vokatr’io haintrano io. Afo avy tamin'ny tokantrano iray no nihanaka ka sarotra ny fifehezana ny afo satria tany an-tsaha ny ankamaroan'ny olona.

Miandrandra fanampiana izy ireo mba hiatrehana ny fiainana andavanandro.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 14 septembre 2017 15:01

CFM: Ça ne sent pas bon !

Une source digne de foi parle que les nouveaux membres du Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) auraient touché chacun un million d’Ariary d’Iavoloha avant même qu’ils ne prêtent serment. A quel titre : Motivation ? Argent de poche ?… jusque-là bouche cousue !

 

Publié dans Fil info
jeudi, 14 septembre 2017 10:56

Amborovy Mahajanga: Nahitana trangana pesta

Tonga aty Mahajanga ihany koa ny valanaretina pesta. Voaporofo omaly fa aretina pesta no nahazo ilay renim-pianakaviana iray mponina eny amin'ny fokontany Amborovy rehefa natao ny fizaham-pahasalamana.

Avy mamonjy fatin'ny havany tany Toamasina ity renim-pianakaviana ity raha ny fanazavan'ny fianakaviana. Efa manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly manara-penitra ity farany amin'izao ary efa nisy ny fepetra noraisina toy ny fandrarahana DDT, ny fanadiovana ny trano fonenana sy ny manodidina.
Efa nomena fanafody ihany koa ireo rehetra nifanerasera tamin'ny marary.

 

Publié dans Tselatra

Andranofeno Sud, ce 30 aout 2017, en partenariat avec l’usine textile Accord Knits, l’équipe de la Fondation Telma est allée à la rencontre des habitants du village communautaire d’Andranofeno Sud à 400 km de la capitale, où plusieurs familles victimes des derniers cyclones ont été déplacées dans ce projet présidentiel de « nouvelle ville ».

Une distribution de non-vivres a été effectuée à ces migrants.
Soutenir les plus vulnérables est une des vocations de la Fondation Telma.

Consciente de la situation précaire des familles migrantes du village communautaire d’Andranofeno Sud, la Fondation Telma en a fait une priorité dans les actions qu’elle mène chaque année. Chacune des 72 familles émigrantes depuis mai 2015, suite au passage du cyclone Chedza, un kit de non-vivres contenant des vêtements chauds : des pulls et des bonnets pour les adultes ainsi qu’aux enfants.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa