Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 septembre 2017

Nifanitsa-kitro ireo mpino Kristiana Katolika tonga nandray izany. Ankoatra ireo efa nitsena ny fahatongavany tany amin'ny paroasy Belobaka, aman'arivorivony ireo mpino efa niandry teny anoloan’ny Lapan'ny Tanàna sy ny Fiangonana Katedraly Fo Madion'i Maria Mahajanga Be.

Nandeha an-tongotra avy any Belobaka, izay toerana sady nanombohana ny lalan'ny hazo fijaliana ny delegasiona notarihin'ny Evekan'i Mahajanga, Monseigneur Rakotondrajao Roger Victor Solo. Teo ivelan'ny Fiangonana Katedraly Fo Madion'i Maria no nanatanterahana ny fifanolorana ny Lakroa Masina JMJ sy ny sarin'i Masina Maria teo amin'ny Diosezy roa tonta, Fianarantsoa sy Mahajanga.

Nitohy tamin'ny Lamesa fanandratana ny Hazo fijaliana izany ary hisy ny vavaka fiaretan-tory mandra-maraina.

Publié dans Sociale
mercredi, 13 septembre 2017 22:24

Ambositra: 50 taona ny Akanin'ny Marary Maharivo

Hotanterahina ny alakamisy 14 septambra ny lanonana famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ity ONG Akanin'ny Marary Maharivo eto Ambositra ity. Akany izay mikarakara ireo olona manana fahasembanana ara-batana amin’ny ankapobeny, ary koa mamokatra fitaovana toy ny tehina, solotongotra… manampy ireo marary amin’ny fihetsehany.

 

Publié dans Vaovao

Mitombo izay tsy izy ny vidin’ny fanafody COTRIM eto Sambava taorian’ny nandrenesana fa nisy tovolahy iray zanaky ny Faritra SAVA nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny aretina pesta.

Ny COTRIM no voatondro fa fanefitra amin’ity valanaretina pesta ity ka samy manao dokotera tena ny olona ary be ihany koa no manararaotra ny zava-misy, satria dia misy mivarotra ity fanafody ity hatreny an-tsenan’Antanifotsy Sambava, ary amin’ny vidiny midangana.

10.000Ar amin’izao ny iray plakety ary tafakatra 25.000 Ariary any ambanivohitra raha 1.200 Ar izany eny amin'ny Farmasia.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 13 septembre 2017 21:54

Foot-Cosafa Women Cup 2017

Zimbabwe 4-0 Madagascar.

Publié dans Fil info
mercredi, 13 septembre 2017 21:54

Farafangana: Manomboka be mpitady koa ny COTRIM

Efa tonga aty Farafangana ny resaka COTRIM, ilay fanafody voalaza fa itsaboana ny olona voan’ny pesta. Nisy olona maty avy any Antananarivo tonga taty, ka misy feo miely taorian’izay fa matin'ny pesta, dia izao manomboka be mpitady izao ny COTRIM noho ny ahiahin’ny olona.

2000 Ariary amin’izao ny vidin’ny “plaquette” iray.

Publié dans Tselatra

Fitia et Mitia sont reliées par le ventre. La séparation de jumeaux siamois est une opération très complexe mais nos chirurgiens malagasy ont réussi à les séparer sans difficultés majeures.

Pour ce cas, l’intervention s’est focalisée sur la séparation des foies des deux jumelles siamoises. L’opération s’est déroulée presque toute la matinée de ce mercredi 13 septembre à l’Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha-Antananarivo.

Les deux jumelles siamoises sont nées à Antsirabe. Elles ont cinq mois.

Désormais, Fitia et Mitia sont deux personnes distinctes, mais elles doivent être suivies durant de longues années.

 

Publié dans A la Une

Filaraham-be no hita eny amin'ireo Farmasia eto Toamasina amin'ny fividian'ny olona fanafody COTRIM sy ny tampim-bava ary fanafody hafa azon'izy ireo amin'ireo mpitsabony avy.

Tena matahotra mafy ny olona amin'ny tandrametaky ny Fanjakana, miandry 15 andro aty aorian’ny nisian’ny olona iray matin’ny pesta tamin’ny 28 agositra 2017 vao nampahafantatra ny fisian’io valanaretina io.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 13 septembre 2017 14:33

Asa fanaovana paty jaune

Efa am-polo taonany maro i Jean Ba (anarana fiantsoana azy) no nanao ity asa fanodinana paty ity, araka izany dia mahavelona azy sy ny fianakaviany tokoa ity asa ity. Ny tenany ihany mantsy no manamboatra ny paty izay hamidiny ary tsy vitan’izany fa mbola mivarotra lasopy ihany koa izy, izay avy amin’io paty amboariny io ihany.

Misy fahaizana manokana ny fikirakirana ity paty ity satria raha misy ny tsy fietezany dia manjary maty antoka.

Lafarinina 30 kilao, rehefa avy karakaraina sy andrahoana amin'ny rano dia mahazo 40 kilao Paty jaune.
Rehefa vita izay dia amidy 2 400Ariary ny kilao.

 

Publié dans Art et Culture
mercredi, 13 septembre 2017 14:29

Toliara: Karana mandrahona handroaka mpivarotra

Mpivarotra hani-masaka eo Bazary Be no mety ho lasibatr’ity fandroahana ity. Nisy ny fanelanelanana nataon'ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Tanànan'i Toliara saingy tsy nahafapo ireo mpivarotra ka dia milaza ny hitondra sorabaventy izy ireo hanehoany ny hatezerany amin’ny hoe : Vahiny indray no mandroaka ny Gasy eto an-tananany.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 13 septembre 2017 14:20

Toamasina : Un voiturier à quai

Wallenius Wilhelmsen, le grand navire transporteur de véhicules est à quai depuis ce matin.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa