Filtrer les éléments par date : mardi, 12 septembre 2017

Nitokona teo amin’ny tetezan’i Marofototra, Kaominina Bemanonga amin’ny lalam-pirenena faha-34 ireo tantsaha misedra olana amin’ny ranon’i Dabaraha androany talata 12 septambra. Tsy nihetsika izy ireo na nandefasan’ny mpitandro ny filaminana baomba mandatsa-dranomaso aza. Tapaka nandritra ny ora roa ny fifamoivoizana vokatr’io, tsy niala ny olona raha tsy tonga teo ny Depioten’i Mahabo.

Hidina any amin’ny riandrano fototry ny olana, noho ny fanimban’ny sasany hatrany ny hidin-drano apetraka ao ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ingahy Depiote ny alarobia, narahina fifanarahana an-tsoratra izany hisorohana ny fanararaotana.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 12 septembre 2017 22:46

12 septembre

Journée Internationale des Nations-Unies pour la coopération Sud-Sud.

 

Publié dans Fil info

Hanatanteraka fivoriana eto an-drenivohitry ny faritra Anosy ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanandehibe eto Madagasikara. Hanomboka ny zoma 15 septambra izany ary haharitra telo andro.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 12 septembre 2017 21:45

Fidiran'ny mpianatra

Efa nisy tamin’ireo mpianatra no niditra nanjohy ny fianarany androany. Mbola maro anefa ireo izay ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka.

Araka ny filazan’ireo Raiamandreny izay sendra anay dia mahatsiaro tena sahirana tokoa manoloana ny fampidirana mpianatra eo amin’ny ara-bola satria dia midangana ireo vidim-pitaovana ho entin’ireo ankizy mianatra, araka izany dia voatery misambo-bola izy ireo na koa mindram-bola amin’ireny fampindramam-bola ireny noho izay tsy fahampiana izay.

Ny any amin’ny fianarana indray dia tsy maintsy voaloa ara-dalana ireo saram-pidirana na ny Inscription na ny Réinscription vao afaka miditra, ny ankabeazan’ireo Raiamandreny anefa dia mbola tsy nahefa izany noho ny tsy fahampiana ka noho izany dia tsy maintsy miverina mody ireo ankizy izay malahelo hita soritra eny amin’ny tavan’izy ireo.

Publié dans Sociale

Hitokona, hanakan-dalana eo amin’ny tetezan’i Marofototra, Kaominina Bemanonga-Morondava ireo tantsaha misedra olana amin’ny ranon’i Dabaraha ny talata 12 septambra.

Niandry vahaolana izy ireo, manoloana ny sotasota sy fanimban’ny sasany ny hidin-drano ka mahatonga ny rano tsy ho tonga amin’ny velaran-tany maro, ka dia tonga amin’izao fitokonana izao haneren’ny tantsaha ny mpitondra hikaroka vahaolana aingana hisorohana ny fifandonan’ny samy vahoaka.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa