Filtrer les éléments par date : lundi, 11 septembre 2017

Nodimandry tampoka, teo amin’ny faha-52 taona, omaly alahady 10 septambra tokony ho tamin’ny 05ora hariva ny Pretra Ralibosolo Ignace Onesiphore. Mbola nitarika fotoam-pivavahana tao amin’ny hopitaly be ity pretra ity ny maraina, tsy narary tsy marin-koditra, nony tolakandro anefa dia niakatra tampoka ny tahan’ny siramamy tao aminy amin’ny maha-diabetika azy, ka niteraka ny fiakaran’ny tosi-drany ary nitarika ny fahafatesany izao.

Teraka ny 18 febroary 1965 tao Anivorano Atsinanana i Ralibosolo Ignace Onesiphore; ny 26 desambra 1984 izy no voahositra ho Diakra ary ny 13 aogositra 1994 izy no nohamasinina ho Pretra tao Anivorano Atsinanana Brickaville.

Raha ny fandaharam-potoanan’ireo relijiozy namany dia ny talata 12 septambra izao no hapetraka ao anatin’ny fasan’ireo pretra ho an’ny Diosezin’i Toamasina ny nofo mangatsiakany, aorian’ny fotoam-pivavahana anaovana veloma farany azy.

 

Publié dans Vaovao
lundi, 11 septembre 2017 16:20

Fantatrao ve: Fandovana sy ny Didim-pananana

Isaorana hatrany ireo namana mpahay Lalàna manome antsika fanazavana momba ny zava-manahirana antsika andavan'andro.

Araka ny Andininy voalohany ao amin'ny Lalàna 68-012 tamin'ny 04/07/1968, Ny Fandovàna ("succession") dia famindràna ny fanànana navelan'ny maty; na izany fanànana mivaingana ("biens"), na izany Zo ("droits"), na izany ...adidy("obligations").

Izany hoe, VOARARAN'NY LALàNA NY ...MANDOVA OLONA ..VELONA!

Ny Fandovàna dia dia misy karazany 2:

1-Fandovàna tsy misy Didim-panànana ("succession sans testament")

2- Fandovàna vokatry ny Didim-panànana ("succession testamentaire")

Publié dans Sociale
lundi, 11 septembre 2017 14:11

Le mythe anglais

Les communications concernant la récente visite du Président Hery Rajaonarimampianina en Grande–Bretagne ont fait une certaine unanimité comme si personne ne trouve à dire sur nos relations bicentenaires avec ce royaume.

Il est évident que le passage des Anglais à Madagascar durant le 19ème siècle a laissé des traces ineffaçables dans la mentalité et les valeurs des Malagasy. Parmi celles-ci figurent notre attachement sans faille à l’éducation, ce sont les missionnaires anglais de la London Missionary Society (LMS) qui ont transcrit la langue malagasy en caractères latins remplaçant en moins de deux ans (1818-1820) l’ancien sorabe, celle en caractères arabes en provenance du sud-est.

Sans compter qu’en 12 ans de présence anglaise seulement, Antananarivo et ses environs possédaient plus de 3000 élèves sachant lire, écrire faire de l’arithmétique. L’Angleterre a été le premier pays européen à accueillir des étudiants malagasy pour leur donner des formations administratives et techniques et même plus tard des médecins.

Mais vers la fin du 19ème, suite à la Conférence de Berlin durant laquelle l’Europe se partageait l’Afrique, Madagascar a été « échangé » avec Zanzibar par l’Angleterre et nous avons vécu pendant 65 ans les affres de la colonisation française.

Publié dans Editorial

Nomena karatra ny mpanjono, nasiana laharana ny lakana. Nanao dingana matihanina kokoa ny jono aty Menabe. Niisa 72 ireo mpanjono nahazo karatra ny faran’ny herinandro lasa teo, ka vehivavy ny 09 tamin’ireo. Nanome tanana ny Faritra naka sary maimaimpoana ireo mpanjono, hapetaka amin’ny karatra.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 11 septembre 2017 09:43

11 septembre

Journée mondiale de lutte contre le terrorisme.

 

Publié dans Fil info

Le président de la République Hery Rajaonarimampianina a inauguré un mois de cela la réhabilitation d’une portion du chemin de fer Tananarive-Côte Est (TCE), détruite par le passage du cyclone Enawo. Ces dégâts cycloniques ont isolés les populations de Lohariandava, Razanaka, Fanasana et Anivorano Est qui dépendent totalement de cette ligne TCE.

Il se trouve que le pont n'était pas construit à neuf mais c'est le pont de chemin de fer à Antohamadinika qui a été démonté pour être installé à Lohariandava, et inauguré comme du pont neuf.

 

Publié dans Politique

Mpianatra miisa 49 izay ao amin’ny taona voalohany ao amin’ny ESTI na ny Ecole Supérieure des Technologies de l’Information à Madagascar no nampiseho ireo voka-pikarohana nataony, izay notontosaina tao amin’ny CCIA Antaninarenina ny sabotsy 09 septambra lasa teo.

Mirona kokoa any amin’ny ilay antsoina hoe Projets numériques ny fikarohana nataon’ireto mpianatra izay hivoaka ho ingenieur sy teknisianina ambony ireto.

Nisy araka izany ny fanolorana loka ho an’ireo ekipa telo mendrika voalohany.
Maro ireo orin’asa lehibe manohana ity fianarana ity ary anisan’izany ny TELMA izay anisan’ny nanolotra loka maro ho an’ireo mpianatra ireo.

 

Publié dans Art et Culture

Nahatsiaro manokana ireo mpiara-miasa aminy rehetra eto Mahajanga ny filohamboninahitra sady mpanorina ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, ho fankasitrahana azy ireo tamin'ny fiaraha-miasa nisy hatramin'izay, ka nampahomby ny hetsika ara-tsosialy rehetra nanampiana ny zanak'i Mahajanga.

Samy notolorana fanomezana avokoa araka izany ireo lehiben'ny sampan-draharaha voakasika tamin'ny alalan'ireo mpitarika ny fikambanana eto an-toerana. Nahazo ny anjarany ny Prefen'i Mahajanga, Ravelomahay Lahiniaina Fitiavana, ny Lehiben'ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, ny kaomisera Ramananandro Gabriel, lehiben'ny Commissariat Central, ny filohan'ny TVHFB, Abdallah Rosalie, ny filohan'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa eto Mahajanga, sy ny maro hafa.

Publié dans Sociale

Mpampianatra aman-jatony isaky ny distrika no hampiakarina any Antananarivo fa hozaraina “contrat de travail” amin’ny 24 septambra ho avy izao. Ho an’ny distrikan’i Marolambo manokana dia fiara miisa 5 no hitondra mpampianatra miisa 109, izay hihainga avy eto Mahanoro.

Tamin’ireo andiany teo aloha, nandraisana mpampianatra FRAM ho mpampianatra raikitra dia nitety Cisco na fari-piadidiam-pampianarana ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena nizara “contrat de travail”.

Mampametra-panontaniana ity fizarana “contrat de travail” faobe hatao ao Antananarivo ity, sa manao propagandy ho an'ny HVM ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ?

 

Publié dans Politique

Nirehitra ny trano fitahirizana entana iray teto Antanifotsy Voalohany, Sambava omaly alahady 10 septambra tamin’ny 3ora maraina teo. Tampoka ny afo, hoy Atoa Rostand izay tompon’ity tranombarotra ity ary hatramin’izao dia “tsy mbola fantatray ny tena nipoirany”.

Tsy misy tafavoaka ny entam-barotra fa nandritra io fahamaizana io dia lehilahy iray mpanampy no natory tao anatiny ary tratry ny afo tao, saingy tafavoaka. Tsaboina eny amin'ny hopitalibe izy amin'izao.

Mangataka amin’ny tompon’andraikitra izy ireo mba hanokatra fanadihadiana momba ity haintrano ity.

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa