Filtrer les éléments par date : dimanche, 10 septembre 2017

Nisy fivoriana teo Tanambao, sampanan-dalana mandeha any Belo sur Tsiribihina omaly, nitadiavam-bahaolana. Ny zava-misy dia misy manimba sy mamaha isak’alina ny fitaovana fampankarana rano eo amin’ny barazy.

Mandrahona hitokona ireo manan-tany miandry rano amin’io tohodranon’i Dabaraha io, raha tsy ahitana vahaolana rahampitso.

 

Publié dans Sociale
dimanche, 10 septembre 2017 18:38

10 septembre

Journée Mondiale de prévention du suicide.

Publié dans Fil info

Nentin-katezerana i Niola noho ny fiheverany fa mihemotra lava ny fitsarana ny sakaizany izay voarohirohy amina raharaha halatra, ka navita heloka be vava.

Raha ny angom-baovao anefa dia diso efitranom-pitsarana nidirana i Niola ka nentin-katezerana ary nandoro ny efitranom-pitsarana faharoa ny Fitsarana ambony Toamasina ny talata 5 septambra 2017 ka may ny sezan’ny filohan’ny Fitsarana sy ireo Sainam-pirenena tao anatiny.

Voatsara tamin’io talata io ihany ilay sakaizany saingy tamina efitranom-pitsarana hafa, nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ilay tovovavy noho ny tsy fahampian’ny porofo tao anatin’ny antontan-taratasin’ady fanenjehana azy ho nangalatra ka nitazomana azy am-ponja vonjy maika.

Publié dans Vaovao

Tsy misy hatreto ny "ré-engagement" an'ireo zazavao namita fanompoam-pirenena mandritra ny roa taona, hoy ny Komandin'ny Faritany Miaramila faharoa.

Fa atao vina kosa hoy izy ny fijerena manokana azy ireo mba tsy hanatevin-daharana ny dahalo. "Reconversion" no iantsoany an'izany. Lahateny notontosaina ny andron'ny famoahana ny zazavao teny amin'ny SEkoly MIaramilam-PIrenena (SEMIPI) ny marain'ny zoma 08 septambra no nahenoana izany.

47 no isan'ireo zazavao avy ao amin'ny SEMIPI, 61 kosa avy ao amin'ny 1/RM2.

Marihina fa manana iraka manonkana amin'ny asa fampandrosoana amin'ny alalan'ny fiompiana sy fambolena ireo hery famokarana avy amin'ny 1/RM2, ankoatry ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

 

Publié dans Tselatra

Avec l’appui d’un Député, cette femme opérateur économique rafle presque tous les marchés de construction de bureau des nouvelles communes dans les régions de Vatovavy Fitovinany et Atsimo Atsinanana. Marché d’environ 132 millions d’Ariary par commune.

 

Publié dans Fil info
dimanche, 10 septembre 2017 16:10

Namakia: Olona efatra maty vokatry ny ady tany

Tao anatin'ny alam-pary ao Namakia no nahitana razana, roa herinandro lasa teo raha ny tatitry ny zandary. Zazavavy fito taona ny iray tamin'izy ireo ary lehilahy ny 03 sisa.

Tsy hita avokoa, hoy ny Zandary, ny tapany ambanin’ireo lehilahy ary notapatapahina ny tongotra sy tanan’ilay zazavavy kely.

Misokatra ny fanadiadina mikasika ity raharaha ity, izay ny Zandary ao Mitsinjo no nandray an-tanana izany.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa