Filtrer les éléments par date : mercredi, 09 août 2017
mercredi, 09 août 2017 20:28

Mahajanga: Ny eo lasa, ny hafa tonga

Tao aorian'ny fandraisana ny STK FJKM , dia mivahiny eto Mahajanga ary mivantana eny amin'ny EPP Fiharovana Ampisikina ny mpino avy amin'ny Fiangonana Advantista. Feno olona avokoa ny efitrano rehetra, olona maherin'ny 25 isaky ny efitrano ankoatra ny entana sy ny ankizy madinika. Sady mahandro sakafo eny an-toerana no manasa lamba ihany koa ny sasany.

1000 Ariary isan'olona, isan’andro no efaina ary aloa mivantana amin'ny tompon'andraikitry ny Sekoly. Efa nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny lehiben'ny sampandraharaham-paritry ny Fanabeazam-pirenena ireo mpizaika, na dia namoaka tamin’ny tambazotra facebook aza ny eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa voarara ny fampiasana tranon-tsekolim-panjakana rehetra ankoatra ny raharaham-panabeazana, ary manomboka izao dia ny ministera irery ihany no manome alalana hampiasana azy ireny.

Nasiana fanamboarana moa ny Sekoly sasany toy ny ao amin'ny CEG Ampisikina, mba ahafahana mandray indray ny mpandray anjara amin'ny “sport scolaire national”.

 

Publié dans Sociale
mercredi, 09 août 2017 10:30

9 août

Journée Internationale des Populations autochtones.

 

Publié dans Fil info
B1 - Polyclinique
B2 - Toa