Filtrer les éléments par date : mardi, 08 août 2017
mardi, 08 août 2017 22:37

Vola sandoka

Nidoboka am-ponja izy telo lahy tratra teto Sambava. 
Publié dans Tselatra
Toerana iray, daty sy andro iray nefa fampisehoana roa samihafa. Samy nomen'ny Kaominina Sambava fahazoandalana na i Daddi Love na i Joseph d'Af hanao fampisehoana eo amin'ny Stade Municipal ny 13 aogositra izao. Sahirana ireo mpikarakara fampisehoana sy ny mpankafy ireo mpanakanto samy manana ny maha izy azy ireo noho ny tsy fahaiza-miasan'ny Kaominina.
 
Nifandamina ireo mpikarakara na an-tery ihany aza  fa tsy hihemotra ny fampisehoana saingy fanamafisam-peo iray no hifandimbiasana. Hisantatra ny fampisehoana i Joseph d'Af amin'ny 3 ora, mifarana amin'ny 6 ora hariva. Miditra indray i Daddi Love amin'ny 8 ora alina, mitohy mandrak'alina.  
 
 
Publié dans Tselatra

Namarana ny atrik'asany androany ny Handicap International izay notanterahina tesy amin'ny MOTEL Anosy.

Izany moa no natao dia dia mba hijerena ireo fanatsarana mahakasika ny zon'ireo voafonja eto Madagasikara.

 

Publié dans Sociale

Vonona ny hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny Sport Scolaire i SAVA, hoy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Boto Evariste ka amin'ny sabotsy maraina izao no hiainga avy eto Sambava ny delegasiona.

Handray anjara amin’ny taranja rehetra i Sava, ankoatra ny hand-ball zazalahy.

Hatao any Mahajanga ny 18 ka hatramin’ny 27 aogositra ny fifaninanana nasionaly amin’ity 2017.

 

Publié dans Sport

Taorian'ny diany tany Marolambo, dia manohy ny fitetezana ireo distrika ao anatin'ny Faritanin'ny Toamasina ny Députée Irmah Naharimamy, ka nihazo ny faritra nahavoafidy azy, Mahanoro.

Tontosa soamantsara ny alahady 06 aogositra teo ny famelabelarankevitra sy ny fanentanana ny Olona hanatevin-daharana hikambana ao amin'ny antoko TGV - MAPAR ary hanaradia ny Filoha Andry RAJOELINA.

Taorian'izay dia nihazo ny distrikan'ny Vatomandry ihany koa ny Députée Irmah.

 

Publié dans Politique

Fikambanana tanora ny MMA na “Malagasy Mandray Andraikitra” izay mijoro eto Toamasina hatramin’ny taona 2014, ary ahitana mpikambana 120 eo ankehitriny izay tarihan’Atoa Andriamiarisoa Albert.

Nirotsaka nanatsara ny moron-dranomasina izy ireo amin’izao fotoam-pialantsasatra izao, tamin’ny alalan’ny fandokoana ny toerana amin’ny sisin-dranomasina ny sabotsy teo, izay nahazo alalana ara-dalana tamin’ny Ben’ny Tanàna Elysée Ratsiraka.

Mahatsapa ny tanora MMA fa mila omena endrika vaovao ny moron-dranomasin’i Toamasina mba hanintona mpizahantany, izay tsikaritra ho mihavitsy ny tonga noho ny haratsin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-5, ny tsy fandriampahalemana, ary ny toetr’andro lasa manoran-dava.

 

Publié dans Sociale

Hisy fiakarany avokoa ny sarandalana amin’ireo zotra rezionaly mampitohy an’i Toamasina amin’ireo distrika manodidina, araka ny fanapahan-kevitry ny Vondron’ny mpitatitra izay milaza ho matiantoka.

Hiakatra ho 6.000 Ariary ny miazo an’i Mahavelona Foulpointe izay 5000 Ariary teo aloha. Fenerivo Atsinanana ho 9.000 Ariary, Vavatenina sy Soanierana Ivongo samy ho lasa 15.000 Ariary avokoa.

Hisondrotra ho 7.000 Ariary ny miazo an’i Brickaville, ho lasa 12.000 Ariary ny mankao Vatomandry ary hahatratra 18.000 Ariary izany ho an’i Mahanoro.

Voakasik’io fiakarana io ihany koa ny sarandalana miazo an’i Marolambo, Antanambao Manampotsy, Mananara Avaratra, Maroantsetra, ary ireo Kaominina sy Fokontany manamorona ny lalam-pirenena faha-2 sy ny lalam-pirenena faha-5 ary ny lalam-pirenena faha-44.

Publié dans Sociale

Ankoatra ny maha toeram-pianarana azy, lasa toerana fivantanan'ireo olona mamonjy hetsika maro samihafa aty Mahajanga ny sekolim-panjakana toy ny EPP sy ny CEG.

Sady fatoriana no fandrahoana sakafo sy fanasan-damba ireo efitrano fianarana. Toy ireo hita amin'ny sary ireo ny takaitra navelan'ireo Sampana Tanora Kristiana FJKM mpizaika tamin'ny herinandro lasa teo.

Manomboka androany ihany koa ny fihaonambe nasionalin'ny Sampana Lehilahy Kristiana FJKM ary mbola hivantana amin'ireo sekoly ireo avokoa ny ampahany amin'ireo vahiny.

Ambonin'izany ireo vahiny ho tonga mandritra ny fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahan-tena an-tsekoly.

Publié dans Vaovao

Nivoaka androany talata 08 aogositra ny didy tamin'ny adi-tany nitorian'ny fianakaviany an'i Alain Ramaroson.

Publié dans A la Une

Dans l'affaire du terrain à Andoharanofotsy, plainte, pour faux et usage de faux, déposée par sa propre famille, Alain Ramaroson vient d'écoper une peine d'emprisonnement de 30 mois ferme avec payement de 200 millions d'Ariary comme dommages et intérêts.

La secrétaire de la Commune d'Ambohimangakely, a eu 30 mois d’emprisonnement avec sursis.Payement solidaire avec Alain Ramaroson de dommages et intérêts de 60 millions d'Ariary.

Les 2 autres intermédiaires (Mpanera), relaxés purement et simplement.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa