Filtrer les éléments par date : dimanche, 27 août 2017

Mivadika ho toerana fanaovana lanonana sy fampisehoana indray ny kianja Rabemananjara Mahajanga tato ho ato. Voahitsakitsaka tanteraka ny kianja filalaovam-baolina kitra synthétique izay nandaniam-bola amina miliara.

Lasa fahazarana ny manao hetsika fampisehoana hamoriana vahoaka fa tsy mijanona ho kianja filalaovana baolina kitra fotsiny araka ny maha kianja azy izany.

Nanomboka tamin'ny hetsika iray tamin'ny Manalazy vita bacc dia izao indray ny fampisehoan'i Black Nadia amin'ny famaranana ny fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahan-tena an-tsekoly.

Publié dans Vaovao

Justin Rakotovaoarison de son vrai, Dame de cœur est décédé ce dimanche 27 août à l'hôpital HJRA Ampefiloha des suites d'un cancer de poumon qui l'a plongé dans un coma profond depuis quelques jours.

Dame de cœur est aussi éducateur, il est le président fondateur de l'UPRIM (Université Privée de Madagascar).

 

Publié dans Fil info

Nisy jiolahy niditra tao amin'ny efitrano nipetrahan'ny ekipa handball miatrika fampivondronana ao amin'ny CEG Farafangana ny alina teo nefa natory tao ry zareo. Manao fanomanan-tena hiatrehana ny Championnat zone sud any Toliara ny fiandohan'ny volana septambra izao izy ireo ka miara mivondrona ao amin'ny CEG izay efa fanaon'izy ireo rehefa misy fifaninana hatrehana.

Maro ny entana very toy ny solosaina, fakantsary, finday.

Tonga teny an-toerana ny filohan'ny ligin'ny handball Atsimo Atsinanana Morasata Marc nankahery ireo mpilalao sy ireo ray aman-dreniny. Napetraka avy hatrany ny fitoriana.

Publié dans Sport

Nadine Romaroson est une femme politique et ancienne ministre de la Population et des Affaires sociales de la Transition. Elle est morte le 28 août 2011 dans le naufrage de la vedette Black Shark. Son embarcation a explosé vers 15h30 au large de Soanierana Ivongo. Quatorze personnes ont péri dans cet terrible accident dont cinq collaborateurs de la ministre.

 

Publié dans Fil info

Endrika fifaninanana no nanentanana ireo mpianatra mipetraka amin'ny cité teny amin'ny oniversiten'Ambondrona Mahajanga hatramin'ny alarobia teo tamin'ny hetsika famonoana voalavo sy fanadiovana ny toeram-ponenan'izy ireo.

Fikambanana miisa 5 mivondrona ao amin'ny BDUM (Bureau des Étudiants de l'Université de Mahajanga) no nifaninana ka nahatontosana ny hetsika izay niarahana tamin'ny SOLUMA (Solidarité des étudiants de l'Université de Madagascar).

Voalavo aman-jatony no maty nandritra izany ka ireo mpianatra avy amin'ny Fikambanan'ny mpianatra avy avaratra atsinanana eto Mahajanga na FIMPAMA no nibata ny amboara, ondry matavy ; izy ireo izay nahafaty voalavo maro indrindra ary navitrika tamin'ny fanadiovana.

Publié dans Vaovao