Filtrer les éléments par date : jeudi, 24 août 2017

Nivoaka io tolakandro io nanerana ireo foibem-panadinana rehetra ny voka-panadinana bakalorea taty Mahajanga.

Toy ireo voka-panadinana tany amin’ireo Faritany hafa manerana an’ i Madagasikara, nihena ihany koa ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana bakalorea ho an’ ny Faritanin’i Mahajanga tamin’ity taom-pianarana ity raha noharina tamin’ny taon-dasa, saingy tsy dia ambony loatra io fihenana io raha mitaha amin'ny any amin’ny faritra sasany satria 0,7%.

Raha ho an’ny fampianarana ankapobeny, 34,38% izany ary 55,80% kosa ho an’ ny fampianarana teknika.

Publié dans Vaovao

Olona roa, mpisipa no samy tsy mbola mahatsiaro tena eny amin'ny URGENCES Androva hatramin'izao vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo. Ny maraina teo tokony ho tamin'ny 3 ora no nisehoan'ny loza teny amin'ny Pont FITIM. Moto iray no nidofotra tamin'ny andrinjiron'ny Jirama raha nidina tamin'ny fiolahana.

Potika tanteraka ilay moto raha naratra izy roa. Tsy fantatra mazava ny tena anton'ny loza satria ny andro rahateo mbola tena maizina tanteraka ary tsy mbola lera fivoahan'ny olona.

 

Publié dans Tselatra

Tampoka tamin'ireo mpikatroka ifotony ny fanambarana nataon'ny Minisitry ny Rano momba ny fanafoanana ny Vovonana Diorano Wash. 35 no isan'ireo fikambanana sy tetikasa mandrafitra ny sampana eto Matsiatra Ambony.

Samy an-dalam-panataterahana ny sahan'asa araky ny iraka sy tanjona tratrarina avy izy ireo mandray izao fanapahan-kevitra midina avy any amin'ny ministera izao. Maharitra hatrany amin'ny taona 2020 raha ny fandaharan'asa iarahana amin'ny Grand Lyon.

Tsiahivina fa misehatra amin'ny resaka fampidirana rano fisotro madio, fidiovana ary fanadiovana ireo mpikatroka ireo.
Maro ny mpamatsy vola toa an'i Water Aid.

Publié dans Tselatra

Tapitra hatreo ny fampitandremana sy ny fampahatsiahivana ireo mpitatitra ny amin'ny fandoavana hetra tambatra aty Mahajanga. Hatramin'ny fiandohan'ny herinandro teo, nisy ny fidinana ifotony nataon'ny sampandraharaham-paritry ny hetra sy ny mpitandro ny filaminana nisava ny karatry ny mpandoa hetra, ary manararaotra ny fisavana ny licence ihany koa ny avy ao amin'ny sampandraharahan'ny fitaterana avy amin'ny Kaominina renivohitra Mahajanga.

Ny zavatra hita aloha, tsy mavitrika amin'ny fandoavana ny patanty ireo fitateram-bahoaka eto Mahajanga, na bus io na Bajaj. Porofon'izany, tao anatin'ny andro vitsy nanaovana ny hetsika, maro dia maro ireo nampidirina fourrière, noho ny resaka licence sy patanty tsy voahefa.

Publié dans Vaovao
jeudi, 24 août 2017 09:07

AFT Andavamamba: Roland RAPARIVO

Mikarakara varotra fampirantiana etsy amin’ny AFT Andavamamba ilay mapanao hosodoko Roland RAPARIVO izay amin’ny tena anarany hoe RAPARIVO RAMAHERINAIVO Roland.

Sary hosodoko manodidina ny 40 eo ho eo no harantiny eny, izay nanomboka omaly alarobia 23 aogositra ka tsy hifarana raha tsy ny 09 septambra ho avy izao.

Ity no fampirantiana farany ataon’ity andrarezin’ny kanto ity, izay efa nandritry ny 60 taona nilomanosana tao anatin’izany hosodoko izany.

83 taona izy amin’izao fotoana izao izay efa tany amin’ny 1957 tany no nanomboka nanao ity asa ity.

Ity hetsika ity moa dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 70 taonan’ny Alliance Française de Tananarive na AFT.

 

Publié dans Art et Culture
jeudi, 24 août 2017 09:06

Bac: Toliara tsy miroro

Vao nahare ny maro fa nivaly ny Bac aty Toliara, dia nirohitra avokoa na tamin'ny 2 ora maraina aza hijery ny voka-panadinana.

Fantatra moa 45.99% tamin'ireo mpiadina no afaka tamin'izany.

 

Publié dans Tselatra