Filtrer les éléments par date : mercredi, 23 août 2017
mercredi, 23 août 2017 23:33

Toliara: Resultat Bac 45.99%

Le résultat du Baccalauréat de Toliara vient d'être affiché. L'ensemble a un taux de réussite de 45.99%.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 23 août 2017 23:29

Marovoay: Jiolahy 4 raindahiny voasambotra

Efa-dahy kalaza amin'ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika sy halatr'omby no saron'ny Zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Marovoay ny 12 aogositra lasa teo. Efa tena za-draharaha tanteraka ireto andiany ireto saingy ravan'ny Zandary ihany.

Tompon'antoka tamin'ny fanafihana tao amin'ny Fokontany Bevovoka, kaominina Marovoay niseho ny 07 aogositra lasa teo, izay nahaverezana vola an-tapitrisany, sy ny halatr'omby tao Amparihilava-Marovoay ny 12 aogositra teo ka nahaverezana omby 40 isa.

Efa nisy ny fifampitifirana teo amin'izy ireo sy ny Zandary nandritra io fanafihana voalohany io saingy tsy nisy voasambotra ireo jiolahy ireo. Tsy afa-niala intsony koa tamin'ny fanindroany noho ny velam-pandriky ny Zandary efa niandry azy ireo. Mbola karohina kosa ny roalahy izay nilefa.

Publié dans Sociale

Ichiro OGASAWARA ambasaderan’ny Japon dia nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo valo mianadahy izay tao anatin’ny andiany faha efatra ho any JAPON, izay ao anatin’ny ABE na ny African Business Education, ho fanamasina ny farim-pahaizana ho an’ireo tanora Afrikanina.

Publié dans A la Une

Mahatratra 140 trano heva mandray anjara amin'ny varotra fampiratiana amin'ny foara Boeny Mionjo andiany faha 4, izay atao manoloana ny Tranoben'ny varotra sy ny indostria eny amin'ny Bord de la mer.

Androany no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny diabe namakivaky ny tanàna izany ary tsy hifarana raha tsy ny 26 aogositra 2017. Lohahevitra tamin'ity andiany ity moa ny hoe : "Ny jono sy ny fiompiana harena anaty rano fanoitra ho an'ny fampandrosoana ny faritra Boeny".

Mampiavaka ny foara tamin'ny taona ity ihany koa ny fahatongavan'ny solontenan'ny Sekretera jeneralin'ny COMESA sy ny depatemantan'i Mayotte , izay tena nanamafy ny fiaraha-miasany amin'ny faritra Boeny eo amin'ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra.

Mpitsidika hatrany amin'ny 50.000 no andrasana mandritra ny efatra andro hanaovana ny foara aty Mahajanga. Tena tanjona amin'ny foara moa ny fifanakalozana sy fifampizarana traikefa amin'ny samy tantsaha, ahafahana mampahafantatra ny vokatry ny faritra mba ahitana lalam-barotra ho fampandrosoana ireo tantsaha sy ny faritra misy azy.

 

Publié dans Art et Culture

Ho tontosaina aty Antsirabe ny zaikaben'ny FIVAPOVA na ny fihaonambe voalohan'ny Fikambanan'ny Vadin'ny Polisy sy ny Polisy Vavy eto Madagasikara.

Teo aloha dia nisy isam-paritra ity fikambanana ity fa amin'izao fotoana dia efa navondrona ho iray, ary efa manana sata iraisana ka izao hanao ny fihaonambe voalohany eto Antsirabe izao.

Mpizaika polisy vavy vadin'ny polisy manodidina ny 1520 eo ho eo no efa nisoratra anarana hiatrika ity hetsika ity eto Antsirabe, izay hosantarina amin'ny diabe sy lanonana maro samihafa arahina valandresaka sy fampiratiana.

Eo ambany fiahian'ny vadin'ny filoham-pirenena moa ny hetsika hanomboka ny alakamisy 24 Aogositra izao io.

 

Publié dans Sociale

Miverina miandalana ny fampandehanan-draharaha eo anivon'ny OSIEF (Organisation Sanitaire Inter-Entreprises de Fianarantsoa) eto Fianarantsoa rehefa nandalo olana anaty nandritra ny taona maro ka novahana nanomboka ny 2015.

Naka fepetra manonkana amin'ireo orinasa tsy mandoa latsakemboka ny mpitantana vaovao ka nampiato ny fahafahan'ireo mpiasa misitraka ny fitsaboana omen'ity rafitra fiahiana ara-tsosialy ity. Roa amin'ireo orinasa matanjaka eto an-toerana no iharan'izany noho izy ireo tsy nanaiky ny fandaminana.

Nanokatra ny sampana fitarafana "échographie" ny eto an-toerana ankoatr'izany. Ary dia naverina ihany koa ny fitaovana fitsaboana nify sy ny ativava.

Publié dans Sociale

Tazomina am-ponja vonjimaika amin'ny fonjan'Antalaha ilay mpamily Bajaj nandratra Polisy monisipaly iray tamin'ny vy, ary mbola niady tamin'ny iray hafa izay nampijanona azy noho ny tsy fanarahan-dalana matetika ataony, toy ny fanaovana taingimbe, fivoahana ny tanan-dehibe tsy nahazoana alalana.

Amin'ny zoma 25 aogositra no handalo mpitsara mpanao famotorana ny raharaha.

 

Publié dans Tselatra

Fikarohana in-droa miantoana nandritra ny folo andro no nazahoana ny vokatra momba ilay fakana an-keriny ny zanaka mpandraharaha iray teto Fianarantsoa.

Natolotra ny fitsarana omaly 22 aogositra ireo lehilahy 5 nahavanona izany, raha efa naiditra am-ponja vonjy maika ny roa tamin'ireo iray tsikombakomba.
Tovolahy iray no karohina amin'izao fotoana izao.

Toy izao ny fizotry ny tranga.
Nofandrihan'ny mpaka ankeriny tamin'ny alalan'ny kaonty facebook ilay zazalahy tokony ho 15 taona zanaka mpandraharaha. Nomen'izy ireo fotoana ny 10 aogositra lasa teo izy ary ny hariva tokony tamin'ny 5 ora sy sasany no nisehoan'ny tranga teo Ambatomena.

Publié dans Vaovao
mercredi, 23 août 2017 07:48

Varotra fiara: Tsy omena toerana sahaza azy

Fantatra fa fiara 10 000 isan-taona no miditra eto Madagasikara, ny atsasany dia fiara vaovao, ny 5 000 ambiny kosa dia fiara efa niasa, na ilay hoe occasion.

Ny 60% n'ireo dia gas-oil ary ny ambiny dia lasantsy. Ny Mercedes no mitana laharana voalohany amin'ireo fiara lafo 3.7% ny vaovao, 22.7% occasion, ary manaraka azy ato aoriana ny Renault 11.5% ny vaovao 12.3% ny occasion, ny Hyundai 4.5% ny vaovao, 20.1% ny occasion, ny Toyota 12.9% vaovao, 7.5% occasion, Nissan 16.8% vaovao, 3.2% occasion, Volkswagen 1.8% vaovao, 6.3% occasion, Peugeot 1.6% vaovao, 3.2% occasion, ny Mazda kosa dia nihemotra any amin'ny 6.0% vaovao ary 2.7% ny occasion.

Mitaraina anefa ireo mpandraharaha ny fiara, fa toa lasa entam-barotra akasarotina, na ny hetra famoahana azy any amin'ny ladoany, na ny mutation famindrana anarana, na ny hetra marobe ampitataovana azy toy ny carte grise biométrique, nefa ny Polisy sy Zandary misava aza tsy manana fitaovana amakiana azy akory fa dia toy ny teo aloha mamaky izay voasoratra fotsiny.

Publié dans Economie
mercredi, 23 août 2017 06:37

Réconciliation financière ?

Jeudi 17 août dernier, les noms, sélectionnés par le comité pour la mise en place du Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM), ont été transmis au Président de la République, parmi lesquels il nomme 22 membres, en plus de son quota de 11 membres, qui vont siéger au sein du CFM.

Plus de 600 personnes ont posé leur candidature aux 8 personnalités composant le Comité de sélection national. Rappelons-le que pour être éligible membre du CFM , il faut avoir 40 ans révolus, «être de bonne moralité», «n’ayant reçu aucune condamnation pénale», «avoir de l’expérience sur les composantes et éléments du processus de réconciliation nationale», «ne pas être membre d’une institution de la République», «n’avoir jamais fait de déclaration hostile à la réconciliation nationale à Madagascar, «ne pas être à la tête d’un parti politique». En d’autres termes, on ne peut être rémunérés ailleurs et touchés une allocation en tant que conseillers du Fampihavanana Malagasy.

En regardant de près toutes ces conditions on commence à comprendre cet afflux record d’impétrant. Il faut être au chômage total pour pouvoir devenir membre du CFM !

Publié dans Editorial