Filtrer les éléments par date : lundi, 21 août 2017

Mpianatra avy any Vakinankaratra ireto nihetsika ambalavelona ireto io hariva io tokony ho tamin'ny 7 ora tao amin'ny Lycée Philibert Tsiranana.

Nentina ao amin'ny Fiangonana Loterana Tsaramandroso Ambony izy ireo ivavahana handroahana ny fanahy ratsy.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 21 août 2017 22:28

Ambalavao Isotry: Zaza rano nariana

Zaza rano iray no hita tetsy Ambalavao Isotry io maraina alatsinainy 21 aogositra io, izay matetika ahitana toy izao, ny manodidina eny amin'iny faritry ny lalam-by iny.

 

Publié dans Tselatra

Voatana ny fanamby napetraka tamin'ny fiaraha-miasan'ny orinasa Star sy ny Kaominina renivohitra Mahajanga nandritra ny hetsika Star Tour, "La destination familiale". Anisan'ny fifanaraham-piaraha-miasa napetraka ny nanovana tanteraka ny hetsika THB Tour ho Star Tour.

Nilanona tanteraka ny mponina sy ireo mpiala sasatra taty an-toerana nandritra ny telo andro tsy ankiato nanaovana ny hetsika. Ankoatra ny fampisehoana goavana niarahana tamin'ireo mpanakanto malagasy kalaza, nisy ireo hetsika fanentanana sy lalao isan-karazany teny amin'ny Bord de la mer sy teny amin'ny tora-pasiky ny Grand Pavois.

Niavaka ny diabe sy ny zumba goavana teny amin'ny Bord de la mer ny sabotsy tolakandro teo. Tena nahasarika ny maro ny Star Tour andiany voalohany, voahaja ny fahadiovana satria isa-maraina misy hatrany ny fanadiovana sy fanasana ny Bord de la mer niarahana tamin'ny sampana mpamonjy voina an'ny Kaominina.

Nanamafy ny Ben'ny tananan' i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar Salim fa tratra ny tanjona dia ny fanabeazana tao anatin'ny fampialana voly ny mponina sy fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika an'i Mahajanga.

 

Publié dans Sociale

Tontosa ny alahady 20 aogositra, teo amin’ny Kianja Rasolonjatovo ny lalao famaranana baolina kitra “Amboara Fihavanana 2017” andiany faharoa, izay nifaninanan’ny solontenan’ny Kaominina miisa 17 nanomboka tamin’ny volana martsa 2017.

Ny ekipan’ny Kaominina Ilafy no nibata ny amboara, omby matavy, rehefa nandresy ny avy any Didy tamin’ny famaranana sokajy lehilahy.

Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny fifaninana ho an’ny vehivavy, ka ny ekipan’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka no nibata ny ondry matavy rehefa nandresy ny avy any Ilafy.

Nahazo mari-pankasitrahana avokoa ireo nandray anjara tamin’ity “Amboara Fihavanana 2017” ity.

 

Publié dans Sport

Manatanteraka fitetezam-paritra ny tarika Ampifitia amin'izao fotoana izao ka ny tolakandron'ny alahady 20 aogositra izy ireo no nandalo teto Fianarantsoa.

Mianatsimo ny dia ka nihazo an'Ambalavao sy Ihosy izy 70 mianadahy mianaka rehefa avy tao Ambositra sy teto an-toerana.

Naharitra adiny telo mahery ny fampisehoana. Fahombiazana ny hetsika ho an'ny mpikarakara. Ny faran'ny volana izao no hifarana izany fampisehoana mitety faritra izany.

 

Publié dans Tselatra

Olona roalahy avy any Anjozorobe Faritra Analamanga no tra-tehaky ny Zandary avy ao amin’ny “Poste Fixe” Ranofotsy, Kaominina Andilanatoby, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, saika hivarotra basy kalachnikov niaraka tamin’ny bala miisa 24 tao Ambatondrazaka.

Nisy basy iray vita gasy niaraka tamin’ny bala ihany koa saron’ny Zandary manao fisafoana amin’ny alina tao Antanifotsy, Kaominina Ambatondrazaka. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy vao nahita ireo Zandary fa ny basy kosa tavela.

Ireo mpitandro ny filaminana manao fisafoana amin’ny alina ihany koa no nahalalana fa manomboka miparitaka aty Ambatondrazaka ny vola sandoka 10.000 Ariary. Olon-tsotra isany lasibatra no nampandre ny Zandary.

 

Publié dans Vaovao

Taorian'ny fandokoana ny toerana fipetrapetrahana teny amoron-dranomasina, dia miara-miasa amin'ny sekoly David Jones Anjoma, ny Malagasy Mandray Andraikitra (MMA) amin'ny fikarakarana ny andiany faha-3 ny lalao kitra lalaovin'olona fito ho an'ny tanora, izay tsy hifarana raha tsy ny faran'ny volana septambra 2017.

 

Publié dans Sociale

Tontosa ny asabotsy 19 aogositra lasa teo ny fihaonambe ara-paritra taty Fianarantsoa, teo amin'ny fikambanana manohana ny Filoha Andry Rajoelina, na ny CS-ANR.

Maro tokoa ny lahadinika tamin'izany, momba ny raharam-pirenena, ny fitantanana ny Faritra, ny fihatrehana ny fifidianana rehetra ho avy, ary indrindra ny fiantsoan'izy ireo ny Filoha Andry Rajoelina hilatsaka ho fidiana ho Filohan'ny Repoblika amin'ny 2018.

 

Publié dans Politique

Taorian'i Vatovavy Fitovinany nametrahana ny biraon'ny antoko Freedom voalohany taty amin'ny Faritra, dia anjaran'ny Faritra Atsinanana sy ny Analanjirofo indray no nametrahan'i Lalatiana Rakotondrazafy izany ny sabotsy 19 aogositra, nandritra ny lanonana tao amin'ny La Famille Salazamay.

Rtoa Anela Vololoniaina ny filohan'ny antoko ho an'ny Faritra Atsinanana, raha Atoa Bekahita Justin izany ho an'ny Faritra Analanjirofo.

 

Publié dans Politique

Tanterahina omaly alahady 20 aogositra tao amin'ny Kianja monisipaly ny fotoam-pivavahana lehibe fanokafana ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran'ny misiona LMS teto Madagasikara.

Hitohy hatramin'ny taona 2018 ny fankalazana.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa