Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 août 2017

Notafihin’ny dahalo 60 lahy ny tanànan’i Marofihitsy ao Belo sur Mer, Faritra Menabe, ny talata vao maraina tamin’ny 6ora.

Zandary iray no maty nandritra ny fifanjevoana, iray hafa naratra voatifitra teo amin’ny tongony. Nisy zaza netin’ny malaso nataony takalonaina fa naveriny rehefa lavitra.

Mampatahotra ny lalan’i Morondava miazo an’i Manja izao amin’ny asan-dahalo.

 

Publié dans Tselatra

Nidiran'ny dahalo ny fianakaviana iray teny Antsalovabe ny talata 1 aogositra tamin'ny 11 ora alina.

Maty voatifitra ny lehilahy iray, nivoraka ny tsinainy. Renim-pianakaviana iray kosa voan'ny bala eo amin'ny nonony sy ny tanany, zazakely iray voa teo amin'ny tanany ary lehilahy iray voa amin'ny tongony. Tsaboina ao amin'ny hopitaly Antsalova ireo maratra.

Omby 40 noraofin'ireo dahalo saingy niverina ny ankamaroany fa ny 6 no tena lasany.

Publié dans Tselatra

Taorian’ny fisokafan’ny ivontoerana La Rizière dia hampiditra mpianatra andiany voalohany ny toeram-piofanana momba ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany ISTH. Izany dia sehatra fampiarana arak’asa azahoana BTS roa taona aorian’ny Baccalauréat sy manaraka ny rafitra LMD, izay voizina amin’ny Fampianarana Ambony amin’izao fotoana izao.

Taranja 6 no anofanana, ankoatra ny fianarana asa eny amin’ny sehatra matianina, 1000 ora mahery ny faharetan’ny fiofanana. Voafetra ny toerana.

Heverina hamaly ny famoronana fihariana sy fahaizana asa ao anatin'ny tontolon’ny fizahantany izany sehatra izany raha ny vinan’ny mpanabe manangana azy.

 

Publié dans Sociale
mercredi, 02 août 2017 17:37

Nosy be: Festival Somaroho

Le festival Somaroho vient de s'ouvrir avec son carnaval traditionnel.

Il dure jusqu'à dimanche 06 août au Stade Ambodivoanio. Plusieurs artistes de renom vont y participer, comme Toofan, Singuila, Serge Beynaud, Jaojaoby et Wawa.

 

Publié dans Art et Culture

Omaly no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny zaikabe nasionalin'ny Sampana Tanora Kristianina aty Mahajanga.

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa