Filtrer les éléments par date : samedi, 19 août 2017

Hita eny amin'ny Fokotany maro, indrindra fa ny eny amin'ny boriboritany faha 5 eto Antananarivo Renivohitra, ireo taratasy firotsahana ho mpikambana HVM, izay ny Sefo Fokontany mihitsy no ampiandraiketina izany.

Hatraiza moa izany no hinoana ny fanaovana ny Lisim-pifidianana, sy ny fikarakarana ny fifidianana izay ny Fokontany no mandray anjara betsaka ny amin'izany, na dia eo aza ny CENI?

Ny minisitra sy ny Praiminisitra ary ny Filoham-pirenena mampiasa ny fahefam-panjakana rehetra amin'izao anomanana ny fifidianana 2018, ampiasaina sy lalaovina ny Tafika, ny sasany mampiasa ny Fiangonana ho fitaovana, ary zary lasa hatrany amin'ny Fitorian-teny eny amin'ny Pilipitra mihitsy ny resaka politika.

 

Publié dans Politique
samedi, 19 août 2017 10:46

CMDELAC Analakely: Vacances Numériques

Mandritra ity fialantsasatra ity, ny ministeran’ny Paositra, miaraka amin’ny Paositra Malagasy, ny Orange sy telma, dia manolotra an’ilay antsoina hoe Vacances Numériques, izany hoe afaka mampiasa internet sy solosaina maimaimpoana mandritry ny iray volana manerana ny renivohi-paritany.


Raha ho an’AntananarivoRenivohitra dia nisokatra tamin'ny alakamisy 17 aogositra teo tamin’ny fomba ofisialy izany, izay eny amin’ny CMDELAC Analakely.

Tsy hifarana raha tsy ny faha 15 septambra ho avy izao, ka manomboka amin’ny 09ora maraina ka hatramin’ny 11 atoandro, toy izany koa ny hariva izay amin’ny 02ora sy sasany ka hatramin’ny 4ora.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 19 août 2017 10:34

CENI: Manomana ny Lisi-pifidianana

Namory ny mpanao gazety teny Alarobia ireo mpikamba eo anivon’ny CENI, na ny Birao mahaleon-tena ho amin’ny fifidianana, ary nampahafantatra fa efa hisy amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fanomanana ny lisim-pifidianana araka ny tokony ho izy.

Hisy araka izany ireo Expert iraisam-pirenena hanara6maso ireo fichier électoral.

 

Publié dans Politique

Fety be aty Morombe, izay mampiantrano ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora ho an'ny Eglizy Katolika. Tonga aty ny Solontenan'ny Papa Ray Masina hanotrona ny mpizaika ary koa hitokana ny Katedraly vaovao rahampitso alahady 20 aogositra 2017.

 

Publié dans Tselatra

Ambohimpihaonan'ireo mpianatra avy amin'ny lafy valon'ny Nosy ny eto Mahajanga. Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly zoma 18 aogositra, teny amin'ny kianja monisipaly Rabemananjara ny sport scolaire national 2017.

Mpianatra, mpiandraikitra ary mpitsara lalao hatrany amin'ny 1600 no tonga misolotena ireo faritra 21, ankoatra ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazam-pirenena Boeny izay mpampiantrano.

Manome voninahitra ny lanonana aty an-toerana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, ny minisitry ny fanatanjahantena, ary ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana.

Publié dans Sociale

Tsy ny lakolosim-piangonana amin'ireo fiangonana ihany no misy mibizina ankehitriny fa ny fanamafisam-peo amin'ireo fiangonana silamo ihany koa.

Saika nisy hangalatra ny compresseur-Haut parleur izay mamoaka ny feo Azan teny amin'ny Moske Amborovy, na ilay feo fanairana sy fiantsoana ireo mpino silamo isaky ny lera fivavahana.

Tsy tanteraka ny halatra nokasaina natao noho ny tanjaka sy hamafin'ny fitoeran'ilay compresseur na dia efa tsikaritra aza fa efa nosokirina fatratra izany.

Tsy mifidy toerana sy zavatra hangalarina intsony ireo jiolahy sy tontakely ankehitriny ka samy tokony ho mailo ny rehetra, ny fanjakana koa toa variana amin'ny sarin'ady sy sarimihetsika samihafa.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa