Filtrer les éléments par date : vendredi, 18 août 2017

Nigadona io tolakandro io eto Antsiranana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nanao fanamiana miaramila fitondra an'ady izy tamin'ny fahatongavany, tranga izay nanaitra ny olona ka nahatonga ny maro mametra-panontaniana hoe: tonga hitandroka an'i Marc Ravalomanana taorin'ilay ady hotely hipetrahana omaly sa inona no anton'io fanamiana miaramila io ?

Amin'ny maha filoha faratampon'ny foloalindahy ny filoham-pirenena no voalaza fa ananany zo manao fanamiana miaramila toy izao, ary vao avy niatrika fanazarantena miaramila tao Tampoketsa Ankazobe izy no niazo avy hatrany an'Antsiranana hanatrika ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan'ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran'ny misiona LMS (Lodon Missionary Society) teto Madagasikara, tsy nisy fotoana nanoloana akanjo sa niniana nanaovana?

 

Publié dans Politique
vendredi, 18 août 2017 16:08

A louer ?

Comme beaucoup de pays africains, à Madagascar le sol cultivable demeure sous exploité faute de volonté des dirigeants. Les excuses sont l’insuffisance d’investissements donc de moyens techniques.

Certains pays émergents comme la Chine ou l'Inde disposent de vastes capitaux leur permettant d’investir dans l'agriculture industrielle. Ainsi ils achètent ou louent auprès de certains ministères africains de l'agriculture de grands domaines à mettre en valeur et ce, souvent contre l'opinion des agriculteurs locaux. C’est le cas en Ethiopie actuellement.

En 2008, New Delhi a été le lieu de rencontre du premier sommet Inde-Afrique. L’Inde tente de combler son retard par rapport à la Chine qui investit sur le continent africain deux fois plus qu’elle. L’aspect primordial de ce sommet touchait l'agriculture, avec comme thème: « assurer la sécurité alimentaire, éradiquer la pauvreté et améliorer les moyens de subsistance des populations ».

Un deuxième sommet s'est tenu à Addis-Abeba 3 ans plus tard. Les investissements indiens ont augmenté de 31 à 46 milliards de dollars, à l'initiative de firmes privées comme la Karuturi Global, leader mondial de la production de roses coupées réalisant 90% de sa production en Ethiopie. Elle est en train d’étendre ses activités dans la production de biens alimentaires (riz, tomates, canne à sucre, maïs, coton légumineuses) en louant de nouvelles terres disponibles.

Publié dans Editorial
vendredi, 18 août 2017 12:58

Alakamisy Itenina: Enterrement Andry Ratovo

Andry Ratovo, Rédacteur en Chef de la Sobika a tiré sa révérence, il a été enterré dans son caveau familial à Alakamisy Itenina Fianarantsoa ce mercredi 16 août 2017.

Un grand Merci à tous de la part de la Famille et de la Rédaction Sobika.

Voalevina tany Alakamisy Itenina ny alarobia 16 aogositra 2017 i Andry Ratovo, Tonian'ny Fanoratana eto amin'ny Sobika.

Manolotra ny fisaorana ho an'ny rehetra ny Fianakaviana sy ny mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Sobika.

 

Publié dans A la Une
vendredi, 18 août 2017 12:03

Antsalova: Mitaraina ireo mpampiasa finday

Tena sahirana ireo mpanjifa aty an-toerana raha sendra hanolo “puce” very na hamerina laharana finday na hanao “récupération SIM” satria tsy misy afaka manao izany aty fa tsy maintsy mandeha any Maintirano, nefa iaraha-mahalala fa 120 km ny elanelan-tany ary lafo be ny sarandalana noho ny haratsian'ny lalana.

Amin’izao maintany izao dia 4 alina Ariary ny sarandalana mihatra. Raha hanao “récupération” laharana iray fotsiny no anton-diananao any Maintirano dia lany 8 alina Ariary ianao sarandalana fotsiny, ary mbola etsy andanin'izany ny sakafo sy saran'ny hotely fatoriana.

Misedra izany olana izany avokoa na mpanjifan’ny Telma, Orange ary Airtel.

 

Publié dans Sociale
vendredi, 18 août 2017 11:45

Inde: Fampirantiana Vakoka sy Kolotsaina

Ny Masoivohon'ny Inde dia mikarakara, miaraka amin'ny ministeran’ny kolontsaina ny asa tanana ary ny vakoka fampirantina an-tsary izay mitondra ny lohahevitra hoe "Culture Pluraliste de l’Inde Harmonie dans la diversité" izay atao ao amin’ny Tranombokim-pirenena efitrano Gisele RABESAHALA nanomboka omaly 17 ka tsy hatramin'ny 22 aogositra2017 ho avy izao.

Manasa ny rehetra izy ireo amin'izany hifankahalalana bebe kokoa ara-kolotsaina.

Tsy misy ny vidim-pidirana.

Publié dans Art et Culture

Amin’ny Alahady izao ny lalao famaranana ho an’ny taranja Tennis Championnat de Mada izay tontosaina eny amin’ny ACSA Ambohidahy.

Ny fifanitsanana moa dia mbola mitohy hatrany.

 

Publié dans Sport

Tanterahina eto an-drenivohitr'i Boeny manomboka anio 18 ka hatramin'ny 27 aogositra ny fiadiana ny tompondaka nasionaly ny fanatanjahantena an-tsekoly. Andiany faha-24 ity, ka eo amin'ny Kianja Rabemananjara no hanaovana ny lalao amin'izany.

 

Publié dans Tselatra

Taxi-brousse iray mampitohy an'Antananarivo amin'i Manakara no nisy nanafika io maraina io, tao amin'ny toerana 30km niala an'i Camp Robin akaiky Ambohimahasoa.

Lasa daholo ny entan'ny mpandeha sy ny finday rehetra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

 

Publié dans Tselatra

Tra-tehaky ny fokonolona teo am-pangalarana panneau solaire ny tovolahy mpianatra mipetraka irery ao Beravina Avaratra, Fokontany Talatamaty, Fianarantsoa.

Ny alin'ny alakamisy hifoha zoma ity no nitrangan'izany tokony ho tamin'ny 12 ora alina. Nihetsika ny andrimasom-pokonolona rehefa nanao koka na niantso vonjy ny tompontrano. Nisy ny savahao nanamborana ny mpangalatra.

Nahomby izany saingy tsy teny aminy intsony ny panneau solaire ka nasaina nalainy izany mba tsy hitaran'ny hatezeran'ny olona.

Naka izany am-pilaminana ity mpangalatra ary dia niandry ny maraina ny rehetra mba hanaovana ny tandrifin'andraikitra rehetra.

Tsy nikasi-tanana azy ireo mponina manodidina fa nanaiky ny fandaminana.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa