Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 août 2017
Taxi-brousse iray, koperativa KOFMAD, avy aty Mahajanga no nifandona tamin'ny taxi-brousse an'ny Mada Voyages avy any Antananarivo teo amin'ny tetezana Mangapaika ny alin'ny sabotsy 12 aogositra teo, tokony ho tamin'ny 07 ora hariva.
Tao anatin' ilay tetezana kely tsy misy arofanina no nifandonan'izy ireo ary dia nivadika ambony ambany.
Tsy nisy ny namoy aina, fa ny maratra no betsaka, ka nalefa hopitaly.
 
Publié dans Tselatra

Teo anelanelan'i Bebary sy Amboasary, amin'ny zotran-dalamby MLA, Moramanga Lac Alaotra, no niseho ny loza androany alahady 13 aogositra tokony ho tamin'ny 11h10 atoandro.

Raha ny fanazavan'ny fianakaviany dia efa fanaon'ity vavy antitra ity ny mandehandeha manaraka ny lalamby, izy anefa manomboka manana olana ara-pandrenesana sy ara-tsaina, ka dia izao tra-doza izao.

 

Publié dans Tselatra

Nodimandry teny ambony kianja nandritra ny lalao football Super Vétéran, teny amin'ny Kianja SEMIPI Beravina, nihaonan'i FC Commerce sy AS Jirama i Randriambololona Donné na Donné Kely ny sabotsy 12 aogositra atoandro.

Izy dia mpilalao tao amin'ny FSF na Fitarikandro Soa Firegnina na Labasy. Milalao amin'ny FC Commerce izy amin'ny ekipa Super Vétéran. 64 taona izy maty teny ambony kianja izao.

 

Publié dans Sport
B1 - Polyclinique
B2 - Toa