Filtrer les éléments par date : samedi, 12 août 2017
samedi, 12 août 2017 17:27

Fianarantsoa: JIJ 2017

Nampiantrano ny hetsika nasionaly ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovo ny tananan’i Fianarantsoa tao anatin’ny hateloana. Nifarana ity sabotsy ity ny ivon’ny fankalazana ny hetsika.

Nisy ny fanolorana ny fehinkevitra nodinihin’ny vaomiera maromaro nandritra ny roa andro mialoha izao fanamarihana ofisialy izao. Nifantoka tamin’ny fahasalamana, fampianarana, fananan’asa ary fandriampahalemana ireo fakan-kevitra ireo. Ka ny vokatra lehibe nivoaka dia ny DINA ifampifehezan’ny tanora araky ny kaon-doha notanterahina.

Nifanindran-dalana tamin’izany ny atrikasa momba ny fitsinjaram-pahefana ho fanamarihana ny andro afrikana momba izany ka nampifandraisina ny sehatra roa.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa