Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 août 2017

Fanadiovana ny Bord de la mer no namaranana ny "Tendro" tamin'ity taona 2017 ity izay notanterahina taty Mahajanga.

Skoto maherin'ny 800 no niara-nirona nanadio ny Bord, namafa sy nanasa izany. Ny mpamonjy voina avy amin'ny Kaominina renivohitr'i Mahajanga no nanondraka rano ary fanampiana avy amina orinasa tsy miankina ny ranon-tsavony nampiasaina.

Voasasa avokoa hatramin'ireo seza sy vato fipetrapetrahana manamorona ny ranomasina. Manomboka eny amin'ny manoloana ny lapan'ny Faritra hatreny anoloan'ny APMF.

Tsy izany ihany fa nametrahana takelaka fanentanana amin'ny tsy tokony hanaovana maloto eny an-toerana ihany koa ireto ankizy sy tanora beazina amin'ny Skoto ireto.

Publié dans Vaovao

10 août 1991-10 août 2017, il y a 26 ans, des centaines de Malagasy ont péri dans un bain de sang, lors d’une Marche de la liberté organisée par la Force Vive Rasalama fortement réprimée par la garde présidentielle.

Ce crime reste impuni, aucune commémoration officielle n'est même pas organisée par le gouvernement en place ce jour à la mémoire des victimes innocentes.

 

Publié dans Fil info

Le Conseil d’Etat se déclare incompétent pour trancher la requête de l’intersyndical demandant le sursis à exécution et l’annulation de l’appel à candidatures lancé par la Direction générale pour occuper des postes clés au sein de la Jirama.

 

Publié dans Fil info

Nankalazaina omaly alarobia 09 aogositra teto amin’ny HJRA Anosy ny fankalazana ny herinandrom-pirenena ho an’ny fampinonoan-dreny 2017 izay efa natomboka tany amin’ny faritra samihafa.

Natomboka omaly teto Antananarivo izany ka tsy hiafara raha tsy amin’ny 11 aogositra 2017.

Ny lohahevitra tamin’izany moa dia ny hoe "Isika rehetra no manohina miaro ary mampiroborobo ny fampinonoan-dreny".

Nisy araka izany ny fanolorana takelam-pahatsiarovana sy marim-pakasitrahana ho an'ireo Reny mendrika.

 

Publié dans Vaovao

Plus de 8000 femmes membres se sont donnés rendez-vous pour assister au Congrès des Femmes adventistes de l’Océan Indien qui se tient à Mahajanga du 09 au 12 août 2017.

Tenu tous les cinq ans et devenu désormais une tradition, le Congrès des Femmes adventistes a comme objectif de fortifier les femmes dans tous les domaines de la vie, souligne la Présidente de l’Union des Femmes adventistes de l’Océan Indien.

Les femmes congressistes tiennent une exposition sur la santé publique au gymnase couvert de Mahajanga et donnent des consultations généralistes gratuites pendant les quatre jours.

Le Chef de la Région Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, dans son succinct discours, a encouragé ces femmes adventistes: «Croyez-moi qu’à votre départ de Mahajanga, vous serez comblées de joie et de bonheur par la grâce de Dieu et que vos coupes seraient effectivement pleines par cette même grâce» s’adresse-t-il à toute la communauté adventiste présente.

L’épouse du Premier Ministre est présente lors de la cérémonie d’ouverture au Complexe Sportif Ampisikina Mahajanga.

 

Publié dans Sociale
jeudi, 10 août 2017 10:26

Finoana Katolika: Namoy Relijiozy roa

Notanterahina omaly alarobia 09 aogositra any Fandàna amin'ny lalan'Ihosy ny fandevenana an'i Frère FAZIO araky ny safidiny. 

Miondrika eo anatrehan'ny fahalasan'i Masera Maria-Messina, izay nitondra ny fikambanan-drelijiozy Fo Masin'i Jesoa eto Madagasikara, kosa ny EKAR eto Fianarantsoa nanomboka ny alatsinainy teo.

92 taona izy izao nodimandry izao. Tamin'ny taona 1961 izy no tonga teto amin'ny Nosy ka tao Imady – Ambositra no nitobiany voalohany, vao nanitatra ny fikambanana nentiny avy any Raguse Italia.

66 Taona no naha-relijiozy an'i Raneny araky ny fiantson'ny rehetra azy.

Hotanterahina anio alakamisy 10 aogositra ny lamesa fanaovam-beloma azy farany ka hametrahana ny nofo mangatsikany eny amin'ny Fonenan'ny Masera Obla de Marie eny Mahamanina Fianarantsoa.

 

Publié dans Vaovao

Folo andro aty aoriana dia mbola tsy tontosa hatrany ny fisarihana ny Tombola lehibe izay nokarakarain’ny Faritra SAVA tao anatin’ny Festival de la Vanille raha tokony ho natao ny 30 jolay 2017 ny fisarihana nandritra ny Festival andiany faha-8 ity.

Ny vahoaka sasa-miandry ary manantena sy maninofy lalandava hahazo loka ireo nandray anjara nandany vola nividianana tapakila 5000 Ar ny iray.

Fanazavana tsotra nomen’ireo avy ao amin’ny FESTI Vanille ny amin’ny tsy mbola nanaovana ny fisarihana dia ny hoe mbola misy tapakila izay nalefa any amin’ireo kaominina tsy mbola tonga.

 

Publié dans Tselatra

Efa nivoka ny laharam-piara ME eto Mahajanga. Ny kodiaran-droa sy ny Bajaj no tena betsaka nahazo io laharana vaovao io nanomboka ny 12 jolay 2017 nirosoan’ny sampam-draharaha misahana ny fitaterana tamin'ny fizarana ny laharana vaovao.

 

Publié dans Tselatra

Raha atao ny kajikajy dia mijanona roa andro eto Fianarantsoa ny vahiny mpizahatany raha ela indrindra. Toerana roa no matetika lalovan'izy ireo ka isan'izany ny Tanàna Ambony.

Manana sata avo eo amin'ny sokajy atolotra eo amin'ny fizahantany ity toerana ity, ary efa an-dalana ny hanaovana azy ho Vako-pirenena, saingy simba ilay lalana rarivato izay ivezivezena an-jato taonany maro.

Nanatanteraka asa fampidirana-drano hatrao Kianjasoa ny orinasa Jirama volana vitsivitsy izay, saingy tsy tafaverina amin'ny laoniny io rarivato nalaza hoe : mateza io.

Ankehitriny dia maro ireo mpivahiny no manontany ny momba io lalana io. Ny mponina kosa dia tsy mitsahatra ny manao fanairana amin'ny haino amanjery fa mbola tsy tody amin'ny fanarenana io fahasimbana io ny fitakiana.

Ny fantatra hatreto dia nanaovana "Appel d'offre" ny asa famerenana azy amin'ny endriny teo aloha. Miandry ny vokatr'izany ny rehetra hatramin'izao !

 

Publié dans Sociale
Page 2 sur 2