Filtrer les éléments par date : mardi, 01 août 2017
mardi, 01 août 2017 22:05

Carlton Anosy: Salon de l'ISPM

Tontosaina mandritry ny roa andro ao amin'ny Carlton ny salon karakarain’ny ISPM, izay mahasarika tokoa ary tena hita ny fahaizan’ny mpianatra mandalina sy mikaroka ary mamorona.


Mahatratra eo amin’ny 192 eo ireo mpianatra mampiranty ireo zava-bitany, izay voatsonga tao anatin’ireo mendrika indrindra.

 

Publié dans Sociale

Raikitra ny fifamaliana teo amin'ireo mpisolovava sy ny mpitsara teto Toamasina androany maraina; ny antony dia mikasika ny familafilan'ny mpitsara hitsara ireto mpanera (rabatteurs) roa lahy tratra ambodiomby misandoka ho mpisolovava ary mbola naka vola 12.000.000 Ariary tamin'ireo mpanan-draharaha tamin'izany.

Nisy fitsaram-bahoaka mantsy tany Soanierana Ivongo ka nisy olona maromaro voasambotra niakatra Fitsarana ny 19 jolay teo, ka nandritra izany no nakana ilay vola, izay nitsinjara ho toy izao: ny 4.000.000 Ariary nomena mpitsara aloha mba tsy hidirana am-ponja.

Nisy ihany anefa ireo enin-dahy notanana am-ponja vonjimaika ka mbola naka vola 2.000.000 Ariary isan’olona indray tamin'izy enin-dahy ireto mpanera ka izay ilay 12.000.000 Ariary faharoa.

Publié dans Vaovao

Procès sur l'affaire de faux et usage de faux dans des ventes de terrain à Ambohimangakely impliquant Alain Ramaroson s’est déroulé au tribunal à Anosy ce mardi 1er août 2017. Le verdict sera attendu le 8 août.

La défense a demandé une liberté provisoire pour son client mais celle-ci a été refusée. Le séjour carcéral d’Alain Ramaroson se prolonge en attendant le verdict sur cette affaire.

Dans un autre dossier foncier à Andoharanofotsy, Alain Ramaroson est condamné à un an de prison ferme assorti de dommages et intérêts de 950 millions d’Ariary.

 

Publié dans Fil info

Raha ny fanisana tsy mbola raikitra dia nisy 80 mahery ireo tsy maty fo aman'aina, misy amin'izy ireo no mbola manaraka fitsaboana noho ny ratra nahazo azy.

12 may kila tanteraka, 4 maty tsy tra-drano.

 

Publié dans Tselatra

Tonga teny amin'ny hopitaly HJRA, notarihan'ny Filoham-pirenena ireo tompon'andraikim-panjakana isa-tsokajiny. Fantatra tamin'izany fa raisin'ny fanjakana an-tanana ny lany rehetra amin'ny fitsaboana.

 

Publié dans Tselatra

Manoloana ny voina lehibe nahazo ireto tanora tamin'ny lozam-piarakodia teny Ankazobe, dia tonga namangy ireo niaram-boina sy nitondra ny anjara birikiny hanampiana ny fianakaviana ny Vondrona Mapar.

 

Publié dans Tselatra

Olona 24 no maty may kila noho ny famaizan’ilay fiara mpitatitra teny Ankazobe hiazo an’i Mahajanga ary maherin’ny 40 no naratra mafy vokatr’izany.

Tsy tafiditra ny vitesse ka nihemotra ny fiara, ka nivarina tany anaty hantsana, nirehitra ny fiara ka maro ireo may tsy tafavoaka.

Efa tonga eny amin’ny HJRA ny razana izay efa lavenona avokoa, mbola miandry eny araka izany ireo fianakavian’ireo niaram-boina.

Fiarabe nisy rihina nitondra ireo tanora maherin'ny 100 moa ity fiara niaram-boina ity.

 

Publié dans A la Une

Misy ny lamina manokana napetraka aty Mahajanga mahakasika ny fitaterana amin'izao fotoanan'ny fialantsasatra izao. Antony, ho fisorohana ny loza sy ho fandrindrana ny fitaterana.

Publié dans A la Une
mardi, 01 août 2017 07:29

Ankazobe: Drame

Un car transportant des jeunes pèlerins FJKM a fait une chute dans un ravin et a pris feu, plusieurs passagers carbonisés.

 

Publié dans Fil info
B1 - Polyclinique
B2 - Toa