Filtrer les éléments par date : samedi, 08 juillet 2017

Quatre balles ont atteint son corps dont une au niveau du cœur, qui lui a été fatale. L'attaque a eu lieu ce samedi 8 juillet vers 18h. Les assaillants au nombre de six auraient emporté plusieurs dizaines de millions de butin. La victime détenait une boutique de marchandises générales et de boissons dans cette ville touristique.

Le Maire d'Ampefy est le troisième maire assassiné en l'espace d'un mois après celui d'Ambalakindresy, District d'Ambohimahasoa, Région Matsiatra Ambony et celui de Bemokotra, District de Maevatanana, Région Betsiboka.

 

Publié dans Fil info

Notokanana omaly zoma 07 jolay ny efitrano fandoavana hetra ho an'ireo orin'asa lehibe na ny DGE Direction des Grandes Entreprises mba hanamora ny fomba fandoavana hetra.

 

Publié dans Economie

Nifanantona ny mpandraharaha sy ny mpikaroka ary ny mpampiofana nandritra ity hetsika ity. Tanjona ny fanehoana ny fampiharana ny vokam-pikarohana eo amin'ny sehatry ny fananan'asa.

Miisa 38 ireo ivontoerana nandray anjara tamin'ny fampirantiana ny 5 sy 6 jolay lasa teo. Famelabelarana 4 no tontosa. Nisongadina tao anatin'ireo ivontoeram-pikarohana ny Laboratoire de Biologie Moléculaire.

Ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy ireo mpiaramiombonantoka toa ny GEM sy ny FIVMPAMA no mikarakara ny hetsika.

Hisy ny fanaovantsonia drafi-piarahamiasa maharitra 5 taona ho fanamafisana ny tanjona itambarana arak'izany.

Natao teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny OIT izany hetsika izany.

 

Publié dans Sociale

Leo amin'ny faneriterena sy fampandoavam-bola ataon'ireo lehibe izahay, hoy ireo mpampianatra mpanabe aty Antsalova. Mino izahay fa misy ny tetibola hanantanterahana ireo iraka isankarazany aty Antsalova kanefa dia izahay mpampianatra no volosana andro aman'alina ampanaovina tsipaipaika hamalifaliana ireo lehibe, hoy hatrany ny fitarainan'izy ireo.

Nampandoavina 2000Ar isany izahay handefasana olona haka ny laza adina CEPE sy BEPC any Maintirano, nangalana 3000Ar isany izahay handoavana ny saram-piantranoana sy sakafon'ny mpanolotsain'ny Ministra rehefa manao "mission" aty Antsalova izy.

Fa ataony inona ny "Ordre de mission"-ny? Ny sekoly koa mandoa vola hatramin'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra handefasana ny zaza hanao "sport scolaire", fa nankaiza ny tetibola natokana ho amin'izany ?

 

Publié dans Sociale

Lalam-pirenena faha 12 mampitohy an'i Farafangana sy Vangaindrano. Lozam-pifamoivoizana omaly zoma maraina tokony tamin'ny 7ora sy 30. Fiara mpitatra olona avy aty Farafangana ho any Vangaindrano.

Tao Manombo, 34km miala ny an'i Farafangana, no nitrangan'ny loza. Tsy tafaverina intsony ny familiana ny fiara noho ny fasimbana nisy tamin'ilay fiara, ka dia nidofotra tamin'ny sisin-dalana.

Nisy ny naratra vitsivitsy sy voadona mafy, soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Ny fiara kosa dia nahitana fahavoazana.

Publié dans Vaovao

Tamin'ny 1956 no niorenan'ny fonjan'Antsohihy, izay fahanterany izay no tombanana fa nitarika ny loza. Tokony ho tamin'ny roa ora tolakandro no nirodana ny rindrina.

Voafonja telo maty tsy tra-drano, 12 hafa naratra. Namoy ny ainy ny iray fotoana fohy taorian'ny nahatongavany tao amin'ny hopitaly, vokatry ny ratra teo amin'ny lohany. Tafakatra efatra ny maty, misy mbola ahiana ny ain'ireo sasany amin'ireo maratra.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 08 juillet 2017 17:31

Sakoroka

Maro ireo efa niandry teo amin'ny vavahadin'ny Carlton izay nodidinina mpitandro ny filaminana, nizotra hatrany ny fiara nitondra an'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, nanaraka azy ireo olona handeha hamonjy ny kianjan'ny Mahamasina.

Tsy neken'ny mpitandro ny filaminana anefa izany fa dia teo no nijanona ka nizotra nivily handeha hahazo ny kianjan'ny 13 Mey indray ry zareo, nirohitra nahazo an'ny tunnel Ambohidahy.

Teo amin'ny Super Music anefa dia nandefa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary dia anisan'ny tao ny fiara nitondra an'Andriamatoa RAVALOMANANA. Niparitaka avy hatrany ny olona teo.

Publié dans Tselatra

Vao maraina dia nodidinina miaramila ny manodidina ny Kianjaben'ny Mahamasina sy Anosy noho ny fihetsiketsehina izay kasaina hataon'ny antoko TIM.

Tsy nanaiky izany didim-pitsarana izany ny mpitondra fa namoronany didy vaovao manakana ny Tim tsy hiditra ao Mahamasina.

 

Publié dans Tselatra

Nankalazaina tao amin'ny Carlton Anosy ny tsingerin-taona faha 15 ny antoko TIKO MADAGASIKARA, izay nanasana ireo antoko politika maro sy ireo mpikambana ao amin'ny antoko notarihin'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA mivady.

Nisy araka izany ny lahateny nataon'ny sekreteran'ny TIM sy Andriamatoa Tabera ANDRIAMANANTSOA ao amin'ny CRN, ary nofaranan'ny Filohan'ny TIM RAVALOMANANA Marc.

Namarana izany moa ny fanapahana ny mofo mamy izay nanamarika ity tsingerin-taona ity.

Nandritra izany moa dia efa voadidona miaramila tety ivelany, ary nikatona mafy ny Kianjaben'ny Mahamasina.

 

Publié dans Tselatra

Nankalazaina tao amin'ny Carlton Anosy ny tsingerin-taona faha 15 ny antoko TIKO MADAGASIKARA, izay nanasana ireo antoko politika maro sy ireo mpikambana ao amin'ny antoko notarihin'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA mivady.

Nisy araka izany ny lahateny nataon'ny sekreteran'ny TIM sy Andriamatoa Tabera ANDRIAMANANTSOA ao amin'ny CRN, ary nofaranan'ny Filohan'ny TIM RAVALOMANANA Marc.

Namarana izany moa ny fanapahana ny mofo mamy izay nanamarika ity tsingerin-taona ity.

Nandritra izany moa dia efa voadidona miaramila tety ivelany, ary nikatona mafy ny Kianjaben'ny Mahamasina.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa