Filtrer les éléments par date : mercredi, 05 juillet 2017

Saron'ny Zandary tao amin’ny Kaominina Ambohimanambola, Distrika Betafo, rehefa avy nanafika mpanangom-bokatra ireo dahalo ny andron’ny 22 jona.

5 lahy ireo nanafika, lasan'izy ireo ny 6.300.000 Ar tany amin'ireo mpanangombokatra sady nanapoaka basy izy ireo.

Taitra tamin’ny poa-basy ny Fokonolona ka nanantona ilay toerana ka nitsoaka ireo dahalo, sady lany bala rahateo izy ireo.

Raikitra ny fifanjevoana ka nahafaty dahalo telo ny Fokonolona sy nahatratrarana ireto basy ireto, tafatsoaka kosa ny roa.

Nitohy ny fahadihadiana ka tratran’ny Zandary ny iray hafa tamin’ireo nitsoaka ary natolotra ny Fampanoavana. Mbola karohina kosa ny jiolahy iray.

 

Publié dans Vaovao

Taorian'ny fiakaran'ny vidin'ny kafe dia ny lafarinina indray izao no mampimenomenona ny mpanjifa.

Mpivarotra, mpahandro sakafo, mpanamboatra mofo, samy mitaraina avokoa fa niakatra 150 000 Ar ny vidin'ny lasaka iray aty Fianarantsoa.

Nisondrotra roa avo heny izany satria 70 000 Ar ny vidiny teo aloha.

Hatreto dia tsy misy filazana manamarina ny tokony hampiakarana io vidiny io avy amin'ny tompon'andraikitry ny varotra. Tsy manana ny heriny tahaka ny any andrenivohitra rahateo ny mpitantana ny Ascoma eto an-toerana ka tsy misy itarainana ireo mpanjifa izany akora izany.

Publié dans Economie
mercredi, 05 juillet 2017 21:43

Environnement, nouveau colonialisme

190 pays ont signé l’Accord de Paris sur le Climat en décembre 2015. C’est la COP21 qui a pour but de protéger l’environnement, surtout diminuer l’émission de gaz carbonique afin de lutter contre l’effet de serre et subsidiairement la préservation des espèces en voie de disparition qui deviennent dès lors protégées.

Dans cet accord aussi figurent la promotion des énergies renouvelables: solaire, éolienne et hydraulique. Car les plus polluants sont les énergies d’origine fossiles (charbon et hydrocarbures) de même le nucléaire n’est pas toujours sûr, à l’exemple de Tchernobyl (Ukraine et ex-URSS) et Fukusima au Japon qui sont des exemples frappants.

Pour soutenir les pays pauvres, les pays membres du G20 ont lancé un plan de « Financement pour les pays du Sud ». Le 9 octobre 2016 à Lima, à la réunion des ministres des finances du G20, Laurent Fabius a annoncé que la barre des 100 milliards de dollars annuels de financements climatiques promis en 2009, à Copenhague, par les pays du Nord vers les pays du Sud doit pouvoir être atteinte en 2020.

Un rapport de l'OCDE a révélé qu'en 2014 ces financements climatiques ont atteint 61,8 milliards de dollars ; avec les promesses d'accroissement des financements annoncés en 2015 par différents pays, comme la France, l'Allemagne ou le Royaume-Uni, et surtout les promesses des banques de développement (15 milliards de dollars), le cap des 100 milliards est en vue.

Publié dans Editorial

Natao androany tao amin’ny Soavita ny fanaovam-beloma farany an’i Dede Fénérive, nandritra izany no nanomezan’ny Fanjakana azy mariboninahitra “Officier de l’Ordre National”.

Mpiasa misotro ronono avy eo anivon’ny Antenimieran’ny Varotra i Dede Fénérive, nefa tsy mbola nisitraka akory ny fisotron-drononony nandritra ny telo taona, izy anefa ity nindaosin’ny fahafatesana.

Tao amin’ny fasambahiny eto Toamasina no nandevenana azy, taorian’ny fotoam-bavaka natao tao amin’ny FJKM Betela Tanambao V. Namela mananontena sy kamboty dimy mianadahy, roa lahy sy telo vavy izy ary zafikely sivy mianadahy.

 

Publié dans Art et Culture

Ankizy 184 mianadahy hiatrika ny fanadinana BEPC avy ao amin’ny CEG Andilanatoby no nahazo tsodrano avy tamin’ny Rotary Club Lac Alaotra ny faran’ny herinandro teo. Nahazo fankasitrahana ihany koa ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana amin’ny Lisea. Io no hetsika farany ho an’ny taom-pitantanana 2016-2017 araka ny nambaran’ny filohany Rafaralahizaka Joba Fanantenana.

Efa mpiara-miombonantoka amin’ny CEG sy Lisea Andilanatoby ny Rotary Club Lac Alaotra. Vao tsy ela akory izay no nanolotra boky ho an’ireo ankizy amin’ny kilasy famaranana sy ny taona fahasivy eo anivon’ny Lisea sy ny Ceg Andilanatoby ity fikambanana mpanao asa soa ity, mba hanampiana ny mpianatra ho fiatrehana ny fanadinam-panjakana.

 

Publié dans Sociale

Miaina fahatapahan-jiro indray i Antsalova, lany ny solika ny Jirama nanomboka tamin’ny sabotsy. Maizina tanteraka ny tanàna, mijaly ny mpianatra manao fanadinana BEPC.

Efa ao Maintirano ny solika fa tsy misy mety mitondra ireo mpitatitra manana kamiao satria mitarazoka ny fandoavana ny sarandalana. Ny mpandraharaha nahazo ny tsena sy nanao fifanarahana tamin’ny Jirama indray, efa tsy manana fiara fitaterana fa manakarama “sous traitant”, ka tsy mahasahy manome “avance” satria mitaraina fa mbola misy ny sarandalana taloha tsy mbola voaloa.

Ratsy ny lalana na dia maina aza ny andro, manampy trotraka ny fahatapan-jiro noho ny fahalanian'ny solika. Mahatsiaro hadino tsy misy mpijery ny aty Antsalova.

 

Publié dans Vaovao

Lors des élections, le candidat malagasy a obtenu 37 voix. Il a obtenu le soutien des pays francophones de l’UA et ceux de la SADC. Harrison Victor a prêté serment devant l’Assemblée plénière, ce 04 juillet 2017.

Pour la Représentante de l’Union Africaine à Madagascar, Awa Ahmed Issouf, le Commissaire de l’UA Harrison Victor est appelé à assumer un rôle de premier plan dans les affaires économiques du Continent, et par rapport aux partenaires du développement.

 

Publié dans Fil info

Niroso tamin'ny fandrodanana ireo trano nahabe resaka, niorina teo ambony fasana sy tao amin'ny toeram-pandevenana teny Mangatokana ny tompon'andraikitry ny Kaominina Mahajanga Renivohitra.

Trano 10 no narodana voakasiky ny didim-pitondrana laharana 048-17/CU/MGA/AG nivoaka ny 30 jona 2017. Lalàna nandidy ny hialan'ireo voakasika tsy misy hatakandro amin'ny toeram-pandevenana ao anatin'ny 24 ora. Fe-potoana izay tapitra ny alatsinainy 03 jolay.

Ireo Polisy monisipaly no nanao ny fandravana niaraka tamin'ireo tompon-kavana milevina eny. Nisy ireo nanaiky niala avy hatrany fa nisy kosa ireo saika tsy hanaiky fa nilaza ho manana taratasy manamarina ny maha azy ny tany. Nilaza anefa ny teo anivon'ny Kaominina fa mbola anatin'ny tany fandevenana izany.

Publié dans Sociale
B1 - Polyclinique
B2 - Toa