Filtrer les éléments par date : lundi, 31 juillet 2017

Noentina natao veloma farany teny amin'ny Antenimieran-pirenena Andriamatoa Mamy RAKOTOARIVELO ary nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra teny amin'ny fiangonana FLM Ambatovinaky nialohan'ny nametrahana azy teny amin'ny fasan-drazany Talatanivolonondry.

 

Publié dans Tselatra

Raha ny fanambarana nataon'i Mamy Rakotoarivelo farany tamin'ny pejiny facebook dia fofombadiny teo aloha i Corinne ANDRIANIVOSON Tiavina, ary ananany 20 tapitrisa ariary, vidina famataranandro sarobidy maromaro.

Raha ny filazan'i Rakotoarivelo hatrany, dia nakepok'ity farany io vola io ary nolazainy fa nisy mpangaro-paosy naka ilay vola, 2 volana aty aoriana nitakiana ilay vola.

Manoloana io fanambarana io dia nandefa mailaka tamin'ny mpanao gazety i Corinne ANDRIANIVOSON:

Publié dans Vaovao

En réponse au tir de missile intercontinental lancé par Pyongyang vendredi, deux bombardiers de l'armée américaine ont survolé la péninsule coréenne.

Ces bombardiers B-1B ont mis le cap vers des avions de chasse japonnais et sud-coréens hier dimanche 30 juillet 2017.

Le Commandant Terrence O'Shaughnessy du Pacific Air Forces (PACAF) a indiqué que "Si nous y sommes appelés, nous sommes prêts à répondre rapidement et avec une force écrasante à l'heure et l'endroit de notre choix."

 

Publié dans Internationale

Tontosa ny asabotsy 29 jolay tetsy amin'ny Sam Run Parc Anosizato ny fihaonana teo amin'ny samy mpikambana ato amin'ny Boriboritany faharoa, nihatrehana ny fanohizana ny hetsika fanaovan-tsoa ataon'ny mpikambana izay tarihan'i Députée Lanto Rakotomanga.

Taorian'izay dia nifampizara ny manta sy ny masaka izy ireo mba hanamafisana ny firaisan-kinan'ny rehetra.
Noraisin'i Députée Lanto Rakotomanga sy ny ekipany an-tanana avokoa moa ny lany rehetra tamin'izao hetsika izao, toy ny sakafo sy fitaterana ho an'ireo mpikambana miisa 300 eo.

Nisy ihany koa mari-pahatsiarovana manokana avy amin'i Filohan'MAPAR Andry Rajoelina ho an'ireo mpikambana rehetra noho ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny asa mavitrika fanampiana ny mpiara-belona eto amin'ny Boriborintany faharoa. Tao ny elo, ny tee-shirt sy ny fitaovam-piasana maro isan-karazany hanatontosana ny asa fanampiana ny mpiara-belona.

Hita iainan'izy ireo tokoa ilay fenitra hoe, Fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

 

Publié dans Politique

Taorian’ny fitsirihana nataon’ny Zandary dia nentina io tolakandro io hatao “autopsie” ao amin’ny Hopitaly manarapenitra Andohatapenaka ny nofo mangatsiakan’i Tsiandopy Jacky Mahafaly.

Nifatotra teo ambony fandriany no nahitan’ny zanany lahy, tonga maraina teny Ivato, namantana trano nivoha, ary efa tsy nisy aina intsony. Tsy nahitana ratra ivelany tamin’ny vatany, fa tady tamin’ny tendany no nanakendana azy ary io no heverina fa nanaperana ny ainy.

Very ireo firavaka teny an-tanany sy fiambozonany. Nahitana tain-tsigara sy lamba drap tao amin’ny efitrano fandraisam-bahininy.

Misy alika vaventy ao an-tanànany. Tsy maty io. Tombanana ho olona mahalala ny tanàna ireo nahavanon-doza, ary mety efa tafiditra tao an-trano nialohan’ny nahatongavan’i Tsiandopy Jacky ny alahady tokony ho tamin’ny folo ora alina, raha ny filazan’ny loharanom-baovao.

 

Publié dans Tselatra

Natao anaty harona niaraka amin’ny tavoniny ilay zazarano, izay efa hary, ary vavikely tokony ho 4kg, avy eo nariana tao anaty dabam-pako tao amin’ny Fokontany Atsimondrova eto Ambatondrazaka ary nisy nahita androany alatsinainy 31 jolay 2017.

Tokony ho tamin’ny telo ora maraina no nahaterahany raha ny filazan’ny dokotera tonga nanao ny fizahana.

Mbola karohana ankehitriny ilay reny nahavanon-doza.
Roa taona lasa izay dia nisy tranga tahaka ity ihany koa niseho tao amin’io Fokontany Atsimondrova Ambatondrazaka io.

 

Publié dans Sociale

Nanomboka androany eto Vangaindrano ny fampiofanana omen'ny federasiona ny handball momba ny fitantanan-draharaha sy ho mpitsara ary ho mpanazatra. Tafiditra amin'ny fandaharanasan'ny federasiona handball at school.

Mpandray anjara manodidina ny 50 no miatrika izao fiofanana izao avy amin'ny ligim-paritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Izany hoe: avy any Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano ary Befotaka Atsimo.

Telo andro ny faharetan'izao fiofanana izao, ka ankoatry ny fampianarana teôrika dia hisy ihany koa fampiharana.

Iraka telo mirahalahy avy amin'ny federasiona no mampanao ny fiofanana aty dia ny Sekretera jeneraly lefitra Randrianarisoa Rolland, ny Tale teknika nasionaly Koko Jacquis ary ny filohan'ny kaomisionan'ny mpitsara Rajaonarisoa Honoré. Mitarika izany kosa ny filohan'ny ligim-paritra Atsimo Atsinanana, Marc Morasata sy Vatovavy Fitovinany, Rajaona Bienvenu.

 

Publié dans Sport

Il s’est fait agresser au lendemain de son arrivée à Morondava pour admirer les faunes et flores qui font la réputation de la région de Menabe.

Ce touriste français a quitté son hôtel à Nosy Kely samedi 29 juillet après avoir pris son déjeuner pour se balader sur la presqu’île de Betania, quand des agresseurs l’ont détroussé et ont roué de coups. Le touriste est retrouvé inconscient sur la plage.

Il est ramené par des gens de bonne volonté chez le président du Fokontany puis dans son hôtel. La victime a quitté dimanche Morondava après avoir pris des soins nécessaires. L’affaire est actuellement entre les mains de la Police.

 

Publié dans Fil info

Taolan-dava miisa 20 no tany amin’izy roalahy, saika hamidy no voasambotry ny Polisy izy ireo. Mitentina 8 hetsy Ariary ny kilao saika hivarotana ireto taolam-paty ireo raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana.

Hatreto dia tsy ahenoana resaka mihitsy ny olona mpandray sy mpividy azy ity, sy ny antony ilana ity taolam-paty manimbazimba ny Hasin'ny Razana Malagasy ity.

 

Publié dans Tselatra

Hatairana ny an’ny fianakaviany nandre io maraina io fa maty nisy namono tao an-tranony ao Andavadopy, andrefan’ny Bout de Piste, ny Inspecteur d’Etat Tsiandopy Jacky Mahafaly.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa