Filtrer les éléments par date : lundi, 03 juillet 2017

Raikitra ny fifampitifirana teo amin'ny Zandary sy ireo jiolahy mpanakan-dalana amin'ny lalam-pirenena faha efatra. Telolahy no maty tsy tra-drano tamin'izany, lavon'ny balan'ireo Zandary avy ao amin'ny vondrotobim-pileovana Betsiboka. Tranga niseho ny alin'ny 2 jolay teo io.

Teo Ambalabongo no nanaovan'izy ireo ny fanakanan-dalana tamin'ny vato. Efa nandritra ny folo andro izay no efa nanao opération mahakasika izany ireo Zandary satria misy hatrany ireo fiara mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo no voasakana sy voatora-bato herinandro maromaro izay, indrindra eo anelanelan'i Berivotra 5/5 sy Ambondromamy.

Publié dans Vaovao

Zoma 30 jona 2017, namoaka taratasy manome alalana ny Tiako i Madagasikara hankalaza ny faha-15 taonany eo amin'ny kianjabe Mahamasina ny prefen'Antananarivo ary nanipika fa iantohan'ny mpikarakara ny filaminana sy fandriampahalemana.

Efatra andro aty aoriana, nofoanan'ny Prefen'Antananarivo ny fanomezan-dalana nomeny noho ny antony fandriampahalemana araka ny loharanom-baovao eo ampelan-tanany, izay mijanona ho tsiambaratelony.

Publié dans Politique

Lavanila milanja 144 kg no saron’ny Zandary tao Ambodiangezoka ny 01 Jolay tamin’ny 1ora maraina, nefa tsy mbola misokatra ny taom-piotazana raha tsy any amin’ny 15 Jolay raha ny Andapa manokana.

Nakarina teto amin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena Sambava izay mifehy iny faritra iny, izy ireo.
Olona telo no voasambotra amin’ity raharaha ity, ka natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany any Antalaha.

 

Publié dans Vaovao

Tovolahy iray mpianatra ao amin’ny CEG Andohan’Antsahabe ary kandida BEPC no maty tampoka io maraina io. Efa tao anaty efitrano fanadinana, tao amin’ny Centre Ambodiampana Lokoho, izy no nitaraina ho marary, indrisy nony tonga tao amin’ny hopitaly dia maty.

 

Publié dans Tselatra

Nankaiza ny Fanjakana? Nefa ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona, no mbola misolo vaika ny fanjakana tsy mahavita manapina lavadavaka, sy manala amin'ny fahantran'ny ankizy.

Ny fahatran'ny lehibe efa tsy resahina.

Publié dans Tselatra
lundi, 03 juillet 2017 12:20

Fanadinana BEPC

Manomboka androany ny adina hoan'ny BEPC ka tsy hitsahatra izany raha tsy ny alakamisy ho avy izao.

Hita taratra teny amin'ny endrik'ireo mpianatra fa dia vonona avokoa izy ireo.

Valo taona ny zandriny indrindra raha 64 taona kosa ny zokiny indrindra.
Dia mirary fahombiazana ho an'ireo mpanala fanadinana rehetra.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 03 juillet 2017 12:19

03 juillet

Journée mondiale sans sacs plastiques.

Publié dans Fil info

Le 29ème sommet de l’Union Africaine s’ouvre ce lundi à Addis Abéba sous le thème «Tirer pleinement profit du dividende démographique en investissant dans la Jeunesse». Le Sommet aura en outre à se pencher sur le dossier de son financement et les questions portant sur la paix et la sécurité sur le continent.

Le couple présidentiel malagasy est arrivé hier en début de soirée dans la Capitale éthiopienne.

 

Publié dans Fil info
B1 - Polyclinique
B2 - Toa