Filtrer les éléments par date : samedi, 22 juillet 2017
samedi, 22 juillet 2017 11:45

Mahajanga : Raikitra koa ny delestazy

Mifandimby tapaka indray ny jiro isam-pokontany hatramin'ny omaly zoma 21 jolay 2017.

Publié dans Tselatra

Fiara 4x4 iray no nidofotra tamina andrinjiron’ny Jirama teo amin'ny arabe andamosin'ny kianjan'ny lisea Philibert Tsiranana Mahajanga ny maraina teo tokony ho tamin'ny 7 ora latsaka. Tapaka tanteraka ny fototr'ilay andrinjiro, ary efa saika nianjera. Simba tanteraka kosa ny lohan'ilay fiara amin'ny ilany havia misy ny mpamily.

Tsy nisy ratra ivelany ireo mpivady tao anatin'ilay fiara saingy mafy dia mafy ny dona nahazo azy ireo, ary efa nentina teny amin'ny hopitaliben'Androva nijerena ny toe-pahasalamany.

Publié dans Sociale

Efa milamina sy mipetrapetraka avokoa ny fanomanana ny fandraisana ny fanadinana bakalorea 2017 ho an'ny faritany Mahajanga teo aloha. Efa tonga any amin'ireo toerana hanaovana ny fanadinana avokoa ireo laza adina na dia any amin'ireo toerana heverina ho faran'ny lavitra aza toy ny an'i Maintirano sy Bealanana. Efa vonona ihany koa ny efitrano handraisana ireo mpiadina sy ireo mpampianatra rehetra hiara-hisalahy mandritra ny fanadinana.

Miisa 19966 ireo mpiadina ato anatin'ny faritanin'i Mahajanga izay mitsinjara amina foibem-panadinana 36. Foibem-panadinana nanampiana ireo efa nahazatra hatramin'izay ny any Bealanana ao amin'ny lisea Ambatoria Est.

Publié dans Sociale

Nisy tamin’izany ny fametrahana ny vato fehizoro hananganana ny CSB2 teny an-toerana. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra tamin’izany ny Ambasaderan’ny Afrika Atsimo, ny minisitry ny fahasalamana, ny solotenan’ny ministeran’ny fampianarana ambony, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo,ny avy ao amin’ny OMS, ny fondation TELMA ary ny avy eo amin’ny Kaominina an’Antananarivo.

Publié dans Tselatra

Ho tontosaina eny amin’ny AFT Andavamamba ny 28 sy 29 jolay ho avy izao. Betsaka ireo mpandray anjara amin’izany, indrindra mahakasika ny fitadiavana asa ; maro ihany koa arak'izany ny olona andrasana ho tonga eny.

Marihina fa tsy misy ny vidim-pidirana.

Publié dans Tselatra

Nivoaka ny zoma 21 jolay teo izy 23 mianadahy nanao ny fiofanana momban'ny fanadiadiana lalina na ny Journalisme d'investigation izay notanterahina teny amin'ny Galaxy Andraharo, nisy ny famoahana sy fanampariahana ny gazety Trandraka izay nosoratan'ireo mpiofana ihany.

Izany rehetra izany moa dia nokarakarain'ny UNESCO.

Publié dans Tselatra
samedi, 22 juillet 2017 11:10

La pirogue coule ?

Sur le pont de Kamoro, l’on y danse l’on y danse,
Sur le pont de Kamoro, un petit tour et l’on s’en va.
Cette ronde enfantine rappelle bien la situation de ces derniers jours. Cela fait plus d’un an que le ministre des Finances sortant a exprimé son désir de quitter le gouvernement pour « divergences de vue». Il a finalement pris sa décision le 17 juillet dernier de ne plus faire partie définitivement de l’actuelle administration Rajaonarimampianina. La circonstance semble être un peu cocasse car durant l’inauguration du nouveau pont sur la rivière Kamoro, le Chef de l’état déclare publiquement ignorer cette démission de son grand argentier. S’est-il fait leurrer par son entourage ? Ou a-t-il délibérément feint d’ignorer ce qui se passe ? Toujours est-il que tout le monde se rit du comportement de nos dirigeants.

Le déroulement des affaires de nos jours n’est pas sans rappeler ce qui s’était passer à la fin du premier Etat malagasy avant la Colonisation, d’un côté on a le gouvernement de la reine qui n’était effectif que dans la citadelle (Anatirova et Andafiavaratra) et de l’autre, le reste du pays est livré à l’insécurité et aux exploitations aurifères détenues par des étrangers (Français et Anglais) qui profitent à l’entourage du premier ministre de l’époque. Cette brève évocation historique doit nous faire comprendre que la mauvaise gouvernance à Madagascar ne date pas d’hier !

Publié dans Editorial
B1 - Polyclinique
B2 - Toa