Filtrer les éléments par date : dimanche, 02 juillet 2017
dimanche, 02 juillet 2017 22:47

Tritriva-Betafo: Nandrika ny rà

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny Kaominina Tritriva-Betafo omaly Sabotsy 01 jolay tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina.

Poa-basy sy tsoka kiririoka no nidiran’ireo dahalo tao amin'ny tanàna kely iray ao atsimon'ny farihin'i Tritriva. Nataon’ireo dahalo tapim-baravarana ny mponina satria 10 tafo monja izy ireo ka tsy nisy nivoaka, saingy raim-pianakaviana iray tokony ho 35 taona no nitsambikina avy teny an-davarangana ary nifampitana tamin’ireo dahalo.

Maty voan’ny bala ny dahalo iray ary ilay raim-pianakaviana kosa maty voafiran’ny famaky. Vaky bao nitsoaka moa ireo dahalo ary tsy nahazo omby izay nokasainy halaina saingy velon’ahiahy amin’ny mety hiverenan’ireo dahalo ny mponina ao Tritriva.

 

Publié dans Tselatra

Le 12 mai 2016 une déclaration de perte de plus de 348 bovidés a été envoyée au Chef de district, le maire, le Chef de brigade de la Gendarmerie, le Commissaire de Police d’Antsalova ainsi que le chef de Fokontany par un opérateur économique qui aurait acheté ces bovidés au marché de zébu d’Antsalova le 24 avril 2014.

Publié dans A la Une

“Tampoka tamin’ny fianakaviana izao fahafatesany izao satria tsy narary tsy marin-koditra izy”, hoy ny zanany vavy, Rabemanantsoa Vola Sandra.

Rabemanantsoa Bertrand Régis no tena anarany, saingy ny fomba fiteniny somary mihakanakana alohan’ny hiteny manao hoe : “de, de, de” sy izy niaina tao Fenoarivo Atsinanana na Fénérive-Est na dia teraka teto Toamasina aza, no nahazoany anaram-bositra “Dédé” ary nampiany fotsiny hoe : “Fénérive” izany, ka nentiny tamin’ny maha-mpanankanto azy ny anarana hoe : “Dédé Fénérive”.

63 taona i Dédé Fénérive izao nodimandry izao. Hira isany nahafantarana azy sy tsy afaka am-bavan’ny maro na ireo tanora ankehitriny aza ny hoe : “Mbola ho avy”, “Hasambarana”, “Mbola tsara” ary ny “Hafatra”.


Publié dans Art et Culture

Ramiadamanana Christopher était le doyen des candidats au CEPE (Certificat d'Etudes Primaires Elementaires), premier diplôme officiel malagasy, saison 2017. Il a passé son examen à Ambositra, chef lieu de région Amoron'i Mania.

 

Publié dans Fil info

Nitrangana vono olona mahatsiravina tany Mangarivotra Beparasy Moramanga ny zoma teo. Maty novelesin'ny olona tamin'ny bois rond ny sefo Fokontany Ankazondandy sy ny vadiny, teny an-dalana, 4km tsy ho tonga ao Beparasy.

Tapaka bois rond vita tamin'ny kininina dimy no nivelesany azy ary mbola tavela teo ny tavoahangy toaka nosotroin'ireo mpamono ny zoma tamin'ny 10 ora maraina.

Mety tetika efa voaomana ity vono olona ity hoy ny avy any an-toerana satria maro be ny moto nandalo teo talohan'izy mivady ary nahita ireo olona niandry teo fa tsy nataony inona.

Lasan'ireo mpamono ny moto nentin'ilay Sefo Fokontany.

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa