Filtrer les éléments par date : samedi, 15 juillet 2017
samedi, 15 juillet 2017 19:51

Ankatso: Namoaka mpianatra 600

Nanodidina ny 600 teo ireo mpianatra nivoaka teo amin'ny ENS na ny École Normale Supérieure izay notanterahina teny amin'ny Cathedrale Médecine Ankatso ny alakamisy 13 jolay lasa teo.

 

Publié dans Sociale

Tokony hotanterahiny ny alakamisy 20 jolay izao aty Mandritsara ny kongresin'ny antoko Tiako i Madagasikara, faritra Sofia. Nanome fahazoan-dalana ny Distrika, efa azo ny toerana hanaovana azy, efa voafandrika ny fiaramanidina hitondra ny mpikamban'ny birao foiben'ny antoko tarihin'i Marc Ravalomanana.

Nilatsaka indray anefa ny baiko avy eny Mahazoarivo mandrara ny hanatanterahana an'io kongresy io.

 

Publié dans Tselatra

Toy ny fanaony isan-taona, dia fora zaza faobe ho an'ankizy miisa 50 manerana ny boriborin-tany faharoa, izay natao tao Ampasanimalo, no nanohizan'i ramatoa Députée Lanto Rakotomanga ny asa soa efa fanaony, nozaraina kilalao vatomamy sy biscuits ireo ankizy ireo rehefa vita ny famorana.

Mitohy hatrany ny asa sosialin'i ramatoa Solombavam-bahoaka, amin'ny herinandro ambony io izy dia hitsidika sekoly tsy miankina iray hanolotra boky ho mari-pisaorana an'ilay sekoly nandray ny cours gratuit BEPC sy BACC teny Ambohipo, izay hita, raha nojerena ny vokam-panadinana, dia nisy fiakarana be ny taha-pahafahana mihoatran'ny tamin'ny taona lasa.

 

Publié dans A la Une

Tokony tamin'ny 07 ora maraina androany asabotsy 15 jolay, raha haka fako ireo mpiasan'ny Kaominina dia indreo zaza no hita nariana tao. Avy hatrany dia nentina teto amin'ny Chef fokontany eto Esokaka Tolagnaro.

Tonga dia raikitra ny tsipaipiakan'izay nandalo ary nomena sakafo ilay zaza. Ny Ray amandreniny kosa dia eo ampitadiavana azy ny manampahefana satria dia voasazy mafy ny manary zanaka.

 

 

Publié dans Tselatra

Daholo iray tamin' ireo 9 lahy nangalatra omby no sarona nandritra ny fifanenjehan'izy ireo tamin'ny fokonolona sy ny Zandary. Nangalatra omby tao amin'ny tanàna atao hoe Miadanasoa izy ireo.

Misy ny hetsika fampandriana fahalemana amin'izao, ka nandritra ny folo andro voalohany no nahazoan'ny Zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Mampikony, vondrotobim-pileovana Sofia izao vokatra izao.

Tratra teny amin'ity dahalo, voasambotry mpitandro ny filaminana ity moa ny basy "fusil à cinq coups" izay tena mahery vaika tokoa raha ny fanazavan'ny lehiben'ny fari-piadidian'ny Zandarmaria Mahajanga, ny Kolonely Behivoka Fiederch.

Omby 49 no nangalarin'ireto dahalo ireto, ary lasan'ireo namany tafatsoaka avokoa izany.

Publié dans Vaovao

Rehefa nivoaka ny voka-panadinana CEPE farany teo tato amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Sambava dia afaka ny laharana 19301102-D08/04 ary anaran'i Emilien Bakisy no nisoratra tamin'io laharana io.

Nanizingizina anefa ny Ray aman-drenin'i Emelin Flaurent fa an-janany io laharana io.

Nanazava ny lehiben'ny fari-panentanana pedagôjika na Chef ZAP Farahalana fa efa tsikaritr'izy ireo nialohan'ny fanadinana fa diso fanoratra ny anarana.
Nampahafantarina izany ny tompon'andraikitra teto Sambava saingy nilaza ireto farany fa tsy possible intsony ny hanovana ny anarana voasoratra any amin'ny convocation fa fafao fotsiny dia soloy ny anarana, dia izao mitranga izao ny olana.

 

Publié dans Vaovao

Omaly zoma vao nipoitra tao Antaimby ny fianakavian'ilay zaza nisy nanary tao an-tsenan'Ambodisatrana ny 07 jolay 2017 lasa iny. Izany antsoina hoe: Nasia, 28 taona, avy any Nosiarina izany no reny niteraka io zaza io, ary zanany faharoa ity nariany ity, araka ny fanazavan-dRatoa Be Zaraline.

Tonga niaraka tamin'ilay reny nanary zanaka ny fianakaviany omaly mba haka ilay zaza, nilaza anefa Ratoa Razafindrasoa Lalao Marie fa mila honerana ny fotoana nikarakarany io zaza io ka vola 1.400.000 Ariary no takiana, izay vao homeny ny fianakaviana ilay zaza.

Tsy vita teny anivon'ny Fokontany ny raharaha ka niditra nampihavana ny Solombavam-bahoaka Mamangy Norbert fa tsy nahitana marimaritra iraisana.

Tsy napoitra ho hitan'ny havany ilay zaza nandritra izany fifandresen-dahatra izany.

 

Publié dans Vaovao

Nisy ny lanonana nanamarihana ny fetim-pirenena Frantsay tao amin'ny Alliance Française Mahajanga. Lanonana natrehin'ireo olom-panjakana, teratany frantsay ary ireo mizaka ny zom-pirenena Frantsay taty an-toerana.

Mahatratra 2.500 ireo teratany frantsay miasa sy monina eto Mahajanga ankehitriny, raha 20.000 izany manerana ny nosy. Azo lazaina ho maro araka izany izy ireo eto Mahajanga raha miohatra amin'ireo any amin'ny faritra hafa.

 

Publié dans Tselatra

Ho tokanan'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny alatsinainy izao ny tetezana Kamoro eo amin'ny RN4 PK406+300.

Koa dia tapaka tanteraka amin'ny fivezivezena ny lalana manomboka amin'ny 09 ora30 ka hatramin'ny 01 ora atoandro.
Voakasik'izany fahatapahana izany avokoa ny lalana
- avy any Antananarivo ho any Andranomamy RN4 PK 402
- avy any Mahajanga ho any Tsaramandroso RN4 PK 424
- avy any Antsiranana ho any Manerinerina RN6 PK 27

Tsy voalaza na misy fahazoan-dalana manokana na tsia ireo fiara mitondra marary.

Publié dans Tselatra

Celles-ci à cause de l'inauguration par le président de la République du nouveau pont Kamoro sur la RN4 PK406+300.

Ainsi, la route sera coupée entre 9h30 et 13h :
- venant d'Antananarivo à Andranomamy RN4 PK 402
- venant de Mahajanga à Tsaramandroso RN4 PK 424
- venant d'Antsiranana à Manerinerina RN6 PK 27

Les usagers de la route nationale sont prévenus ! Aucune disposition particulière n'a été communiquée en cas d'urgence comme l'évacuation sanitaire.

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa