Filtrer les éléments par date : jeudi, 13 juillet 2017
jeudi, 13 juillet 2017 19:38

Bepc - Seconde: Mila fanovana

Nivaly omaly hariva ny valim-panadinana BEPC sy Seconde teto andrenivohitra. Manodidina ny 48 isan-jato teo ny taham-pahafahana.

Raha ny marina, tsy tokony omena lanja ve ny hitohizan'ny mpianatra ho any amin'ny liseam-panjakana? Nefa mifamadika indray izany, ka lasa fifaninanana izay mahazo naoty 12/20 vao tafiditra seconde, raha tokony izay afaka Bepc no miditra sekolim-panjakana.

Ny tsy fahampian'ny toerana an-tsekoly ve no anakanana ny zaza tsy hianatra, satria izay tsy afaka seconde izany ka tsy manam-bola sarampianarana any amin'ny sekoly tsy miankina dia mijanona tsy mianatra.

Publié dans Sociale

La Corée du Sud a offert un don matériel d'une valeur de 28 millions de dollars destiné au BNGRC, dans le cadre du projet de mise en place des Centres de Gestion des Risques et Catastrophes, au niveau des 22 Régions.

Ce don est arrivé au Port de Toamasina et a été remis officiellement au BNGRC, ce 13 Juillet 2017.

Il s'agit de 22 pelles hydrauliques, 22 tractopelles, 22 camions-benne, 22 ambulances, 22 véhicules pompiers, avec bras élévateur, 22 motopompes de grande capacité, et 11 postes de commandement et cliniques mobiles.

 

Publié dans Sociale

Isaorana hatrany ny namantsika mpahay Lalàna mitondra fanazavana ho antsika.

Ny FIZAKA-MANANA ("Prescription Acquisitive") dia ..SAZY MAHAZO IREO OLONA MISORATRA AMIN'NY TANY KANEFA TSY NANAMAINTY MOLALY IZANY TANINY IZANY NANDRITRA NY 20 TAONA ("sanction contre les propriétaires inscrits qui ne mettent pas en valeur leur terrain durant 20 années").

Izany hoe, raha tsy noraharahian'ilay olona misoratra amin'ny tany ny taniny!...Nisy olon-kafa efa nipetraka teo ka nanamainty molaly (nampiasa, namboly, ... ) azy nandritra ny 20 taona fara-fahakeliny!..Amin'izay dia azon'ilay olon-kafa nipetraka sy nanamainty molaly teo ny mangataka ny hahazoany ny tany ary ny hanoratana izany tany izany amin'ny anarany.!!

Rehefa mahatsapa ilay olona fa feno ny 20 taona ny nanamaintisany molaly tsy nisy RAORAO an'ilay tany vita "titre" dia toy izao avy ny dingana lalovany:

1-) Manao "plan" an'ilay tany ary mangataka ny Fanamarinana fananan-tany ("certificat d'immatriculation et de situation juridique") any amin'ny Sampan-draharahan'ny Fananantany ("Service des Domaines")! Avy eo...

2-) Mangataka amin'ny Fitsaràna ny Didy ahafahan'ny Kaomisiona voalazan'ny Lalàna hanao ny Fitsirihana eny an-toerana ("Ordonnance de constatation de mise en valeur").

Publié dans Editorial

Ny talata 11 jolay, raha iny saika anainga teny Ivato ity nilaza fa mpizahatany indianina, hiazo an'i Abou Dabi (émirat) dia tratran'ny ladoany, faditseranana ny bologam-bolamena na lingot miisa 31 ary milanja 4,270kg ny totaliny, izay saika ahondrana antsokosoko any ivelany.

Nilaza ireto tompon'andraikitry ny ladoany ireto fa dia nafenina tokoa tanaty valizy ireto volamena ireto, ary efa manomboka ahitana vokatra ireo paik'ady iadiana amin'ny fanondranana ny harem-pirenena antsokosoko, raha ny eny Ivato no resahina.

 

Publié dans Vaovao

La première dame et le Premier ministre ont été attendus hier à Morondava, pour la célébration de la journée mondiale de la Population, mais tous deux ont brillé par leur absence.

Seule la ministre de la population Onitiana Realy qui a fait son speech avant de répartir de suite.

La délégation a ironisé, en constatant le peu d’enthousiasme de la population pour assister à cet événement, que Morondava est le fief de l'opposition, et qu'il est temps que la population prenne conscience que c'est avec le pouvoir en place que la région puisse avancer.

 

Publié dans Sociale

Andeha andray ireo fanampiana pompier sy ambulance avy amin'ny Korea atsimo ny Filoha Rajaonarimampianina androany.

Terena ireo lehiben'ny Fokontany rehetra, ary navoaka ireo mpiasa hitsena ny Filoha.
Maro no sorena noho izany, fa efa tsy atao am-pitiavana intsony izy ity fa raha tsy vola no zaraina anamaro ny olona, na fampitahorana sy faneriterena.

 

Publié dans Tselatra

Nanaovana fanambarana teny amin'ny Commissariat de Police omaly 12 jolay 2017 ity fahitana zazalahy kely manodidina eo amin'ny enim-bolana eo, raha ny tranga nisy, hoy Rtoa Antonine Larissa izay mpivarotra ao an-tsenan'Ambodisatrana, ’’nisy renim-pianakaviana nitrotro ity zaza ity nanontany vidin'ny lambanjaza ka tamin'ny farany no nilazany hoe : mba tazony kely azafady ny zanako fa izaho handeha haka vola kely etsy ampita".

Nandrasana nanomboka omaly tamin'ny 12 ora atoandro ka mandraka androany dia tsy niverina ilay ramatoa.

 

Publié dans Sociale

954 des 2489 candidats qui ont passé leur examen, sur les 2560 inscrits, dans la Circonscription scolaire d'Antsiranana I ont réussi au BEPC saison 2017, ce qui représente un taux de réussite de 38,33%.

ELIAS Edinhot est le lauréat cette année. Cet élève du lycée privé St Joseph (frère mariste ) a obtenu une moyenne de 17,22/20 si la moyenne requise fixée en délibération est de 09/20. La deuxième meilleure note revient à un candidat de l'Ecole Avotra Lazaret.

 

Publié dans Fil info

Nanomboka ny fihandohan'ny volana jolay 2017 ity dia ifandrombahana hatrany ny solika eto Sambava ary indraindray aza dia fifamaliana eny amin'ny toby mpaninjara solika.

Raha ny fanazavan'ny talem-paritra misahana ny fitaterana dia mitombo isa isan'andro ny fiara ka tsy maharaka ny solika.

Mandany 18.000 litatra isan'andro, isaky ny toby mpaninjara solika miisa efatra eto an-tampontanana. Tsy maharaka ihany koa ny sambo mpitatitra satria in-4 isam-bolana no tonga izy ireo ary dépôt tokana ihany, izay ao Vohémar no fitehirizana solika aty SAVA, satria ny any Antalaha dia tsy mandray sambo.

 

Publié dans Tselatra

Miditra amin'ny andro fahatelon'ny fitokonana ireo Mpitsara.

Ny eto Farafangana dia miombona tanteraka amin'ireo Mpitsara manerana ny Nosy, amin'ny tsy hitsabatsabahan'ny mpitondra amin'ny raharaham-pitsarana.

Aty Atsimo atsinanana dia nisy ireny fitsaram-bahoaka ireny hoy ireo Mpitsara mitokona, tsy mahagaga izy ireny satria tsy matoky ny Fitsarana ny Vahoaka. Fotoana izao hoy izy ireo ny anadiovana ny asam-pitsarana, ka ny marina tsy mitanila, filamatry ny Fitsarana no atao, fa tsy ny fanatanterahina ny teny midina sy fampitahorana avy amin'ireo mpitondra na any ambony, na ny eto an-toerana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa