Filtrer les éléments par date : samedi, 01 juillet 2017

Taorian’ny fitsaram-bahoaka tamin'ny alarobia 28 jona lasa teo, ka namonoan’ny mpianatra lehilahy iray mpangalatra dia nisy mpianatra roa nosamborin’ny Emmo-Reg.

Tezitra noho izany ireo mpianatra eny amin’ny Campus Ambondrona manoloana izany ka nanao fivoriana izy ireo satria tsy nanaiky ny fisamborana ny naman'izy ireo.

Raha ny fanazavan'ny filohan'ny fikambanan'ny mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga na ny BDUM dia ireo mpianatra lasibatry ny halatra ireo nosamborina ireo.

Publié dans Tselatra

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tolakandron’ny Zoma 30 jona lasa teo ny fikambanan’ny mpitsabo biby mivondrona ao amin’ny ADOVA na ny “Association de DOcteur Vétérinaire du Vakinankaratra” noho ny disadisa eo amin’ny resaka taratasin’omby.

Isan’ny misedra olana moa izy ireo noho ny fisian’ny hosoka be dia be amin’ny fanadiovan’omby mitranga eto Vakinankaratra sy I Madagasikara mihitsy.

Ny mahagaga ireto mpitsabo biby ireto dia misy ny fiparitahan’ny FIB na ilay “Fiche Individuel de Bovidé”, izay misy Hologramme mihitsy kanefa dia tonga eny ampelantanan’ny mpivarotra omby halatra ary misy sonia sy fitomboka hosoka kanefa dia ahafahan’ireo mpanao ratsy mivarotra ny omby halatra.

Nambaran’I Dr Rasamimanana Honoré fa mahavoasaringotra ny mpitsabo biby tena izy araka izany ity resaka ity ka hitondran’izy ireo fampahafantarana ny tena andraikitry ny mpitsabo biby, satria lasa ny resaka taratasin’omby indray no mibahana raha toa ka ny fitsaboana biby sy ny fitadroam-pahasalamana no tokony ho sahan’izy ireo.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa