Filtrer les éléments par date : mercredi, 07 juin 2017
mercredi, 07 juin 2017 20:11

Tanjombato: Enjoy Madagascar

Nanomboka androany ny andiany faha roa ny ENJOY MADAGASCAR tetsy amin’ny Forello Expo Tanjombato izay hifarana ny alahady 11 jona ho avy izao.

Maro ireo trano eva mampiranty eny an-toerana, izay ahitana ireo karazana sakafo, akanjo, kojakoja maro samihafa, izay natao ho an’ny sarababem-bahoaka, ary mbola tafiditra ao ihany koa ny resaka fanatanjahantena sy ireo kolontsaina maro isan-karazany.

Hita nisongadina teny ihany koa ny CAM na ny Chefs Association Madagascar izay fikambanan’ireo Chef cuisinier sivy malaza raha tsy hilaza fotsiny an’i Mariette ANDRIANJAKA izay ao amin’ny Hotel Colbert sy Chef Mbinina Gastro Pizza.

Hita tokoa fa nahasarika ireo mpitsidika maro ny teo amin’ny Gastronomie.

 

Publié dans Economie

Vao maraina raha andeha aterina hianatra ity zanaka Karana tompona hotely lehibe etsy Analakely, no nisy moto cross nibahana ny fiara nitondra azy, niaraka tamin'ny basy kalaky.

Nalain'iretsy ankeriny tao anaty fiara ity tanora vao 20 taona ity, nalainy ihany koa ny lakilen'ny fiara mba tsy ahafahan'ireto farany hanenjika azy.
Tonga dia taingin-telo afovoany tamin'ilay moto ilay zanaka karana.

Hatreto dia resabe no avalin'ny mpitondra, raha vao ny alatsinainy teo no votsotra ilay zanaka karana tompon'ny La City, tsy misy fandraisana andraikitra ny mpitondra. Ny tompon'andraikitry ny polisy aza dia sahy manao filazana ampahabemaso fa tamin'ny gazety no nahitany fa votsotra ilay zanaka karana. Atao inona izany ny sampam-pitsikolovana sy ireo mpanao fanadiadiana? Ny mpanao gazety indray ve no mahita vaovao lavitra noho ny polisy? Ka tsy aleo foanana.

Hoy ny tanora hoe sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery?

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy iray marary saina no nametraka ity fatin-zazarano ity teo amin'ny toerana fanariam-pako akaikin'ny sekoly Saint Gabriel sy Notre Dame Mahajanga ny maraina teo.

Vehivavy roa no efa nahatsikaritra fa nitondra faty ity lehilahy adala ity. Raha ny fanazavana dia avy any Tsaramandroso no efa notrotroin'ity lehilahy ity ilay zazarano ary nentiny nandehandeha. Nisy mihitsy aza ireo nilaza fa efa hatrany Tsararano no nitrotroany azy ary nentiny teo amin'io toerana akaikin'ny sekoly io nony farany, toerana izay falehany matetika rahateo.

Avy hatrany dia niantso ny tompon'andraikitra ny nanatri-maso nizaha ifotony ny zava-nisy. Teo no nahalalana fa zaza fito volana tao an-kibo ity zaza ity ary efa hary avokoa ny singa maha olona azy. Tsy nesorina kosa anefa fa afaka raha ny filazan'ny mpitsabo tonga teny an-toerana.

Mahagaga ihany anefa no amelan'ny fianakaviana ny razana ho verivery fotsiny toy izao fa tsy mba nalevina. Tsy vao sambany no nahitana fatin-jazarano tahaka izao teto Mahajanga ary amina toerana fanariam-pako matetika.

 

Publié dans Vaovao

Si dans le monde, la journée mondiale de l’Hygiène menstruelle tous les 28 mai, à Madagascar, la première célébration nationale a eu lieu à Marosakoa, District de Marovoay, dans la Région Boeny, le vendredi 02 juin 2017.

Cette année, «Education et hygiène pendant la menstruation», est le thème choisi par les organisateurs pour marquer cette journée. Ils ont mis en exergue l’éducation afin qu’aucune fille ne se sente plus exclue à l’école à cause de ses menstruations, un phénomène naturel et non une malédiction comme nombreux, surtout les ruraux, le pensent.

La situation qui prévaut jusqu’ici c’est que les jours des règles, les filles s’absentent régulièrement ou quittent même l’école à l’âge des premières règles. Les causes en sont que d’un côté, c’est un sujet tabou et il est presque honteux d’en parler dans les milieux ruraux. Et de l’autre côté, les règles menstruelles, faute d’hygiène appropriée et due à l’indisposition physique, incitent les filles à se mettre à l’écart, et devenir complexées.

Publié dans Sociale

Manomboka androany alarobia 7 jona ny adina ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiadina bakalôrea eto Toamasina ka eny amin’ny kianja CEG Ratsimilaho sy Lycée Jacques Rabemananjara no hizoran'ny adina rehetra amin’izany.

Mahatratra 28.184 ny isan'ireo mpiadina hiatrika izany amin’ity taona ity. Nisy fitomboany io raha niohatra tamin’ny taona lasa iny izay nahatratra 24.000 mahery tamin’izay.

 

Publié dans Sociale

Isan’ny fiveloman’ireo « plagistes » an-jatony eto Mahavelona Foulpointe ny fihazana « tekateka ». Manomboka misy olana anefa ity karazana hazandranomasina ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, eo koa ny fitrandrahana azy tafahoatra noho ny filan’ny mpanjifa, ary ny fahalotoan’ny tontolo iainana noho ny habetsahan’ny mpizahatany mampiasa ny ranomasina ivelomany.

Na izany aza dia nambaran’ireo « plagistes » maka itony « tekateka » itony aty Mahavelona Foulpointe, fa 60 kg isan’andro no azon’izy ireo hamatsiana ny tsena, manodidina ny 200 Ariary hatramin’ny 1.500 Ariary ny vidiny iray arakaraka ny habeny.

Isany nanao fampiratiana ny vokatra ataony izy ireo nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny Tontolo iainana natao teto Mahavelona Foulpointe ny Alatsinainy ny Pentekosta teo.

 

Publié dans Economie

Tôt ce matin vers 8h, 2 gars armés de Kalachnikov ont barré la route de la voiture qui doit ramener à l'école le jeune fils du propriétaire du grand Hotel Mellis Analakely à Behoririka.

Ils ont confisqué la clé de la voiture et reparti de sitôt avec leur moto cross, en mettant les jeune au milieu en triple monte.

Bienvenu à Bogota, à peine hier le fils du SMTP, Yanish Ismaël libéré et déjà l'impunité est au grand jour sans que les dirigeants fassent des efforts pour éradiquer ce fléau puant.

 

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa