Filtrer les éléments par date : mardi, 06 juin 2017

Manankarena MISS sy MISTER ny mpianatra Malagasy eto Rosia ; tsy ny fianarana ihany no atao aty fa mba mialavoly koa.

Tamin’ireo fifaninanana maro isan-karazany nandraisan’ny mpianatra Malagasy teto Rosia dia nandrombaka amboara avokoa.

Anisan’izany i Rouxana Andriantsilavo, voahosotra ho “Miss Madagascar Russie 2017”. Izy no solontenan'ny Mpianatra Malagasy eto Rosia amin'ny fifaninanana "Miss Malagasy Paris hatao amin’ny 04 novambra 2017.

Voafidy ho “Miss_АИС_2017” i Yvana Nancia, izany hoe : “Miss de l’Association des étudiants étrangers en Russie”

I Carlos Paco indray no voafidy ho “Mister ASSAFSTU 2017”, izany hoe avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra afrikana eto Moscou.

 

Publié dans Sociale

Raha nahiditra amponja vonjy maika tamin'ny 03 aogositra 2016 i Alain Ramaroson, noho ny fitoriana momba ny adim-panana teo amin'ny samy fianakaviana, dia nolavin'ny fitsarana hatrany ny fangatahany fahafahana vonjy maika nandritra izay 307 andro nitanana azy teny Antanimora izay, na dia efa nisintona ny fitoriany aza ireto fianakaviana.

Niakatra fitsarana anio teny Anosy ny raharaha, dia nilaza indray ny fitsarana fa ahemotra amin'ny 20 jona indray ny fotoam-pitsarana fa mbola andinika ny antonta-taratasy momba ity raharaha ity.

Maro moa ny mpandinika raharaham-pirenena no miahiahy fa mivadika fitanana amponja ara-politika ity raharaha ity, satria i Alain Ramarson dia mpanohitra mamaivay izay zaran'ny mpitondra aza izy mikatona eny ambany atsinanana.

 

Publié dans A la Une
mardi, 06 juin 2017 21:37

Phytothérapie ou fikothérapie ?

Un diagnostic s’impose, la Nation malagasy est malade, elle est atteinte d’un néo ou cancer au stade final. La seule thérapie valable est une intervention chirurgicale, une ablation ou amputation, sinon c’est la mort certaine.

La chimiothérapie et surtout pas la phytothérapie n’ont plus la côte à ce degré d’affection. Ainsi notre pays est au fond du gouffre et ce n’est point quelques déclarations et distributions de dons qui y changeraient les choses.

Comme une personne souffrant d’une longue maladie, beaucoup en ce moment se tournent vers des formes déguisées de charlatanisme que nous appelons "fikothérapie", le traitement par la tromperie. “Fika” en malagasy signifie mensonge, et beaucoup de nos politiciens en sont friands comme le dit l’adage : « au pays des aveugles les bornes sont roi ».

Publié dans Editorial

Tsatok'antsy efatra amin'ny vatana efa tsy misy aina intsony, voatifitry ny basy, izany no nanjo ilay Ben'ny Tanàna lany tamin'ny anaran'ny vondron'Antoko Miaraka amin'i Prezida Andry Rajoelina na Mapar, tao Ambalakindresy ny harivan'ny sabotsy lasa teo.

Nisy nanafika tao Ambohimahasoakely tamin'ny lalana adiny roa mahery tsy hatongavana an-trano izy sy ny rahalahiny tamin'io fotoana io. Lavo niaraka taminy izany olona izany. Mbola hita telo metatra miala ny nofo mangatsiaka tao an-toerana ny moto nentin'izy ireo, very ihany koa ny ampaham-bola teny aminy.

Betsaka ny honohono mandeha momba ity tranga ity fa ny zava-misy dia miseho 20 andro taorian'ny nanombohan'ny hetsika fampandrian-tany "opération Mazava" izany famonoana izany.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa