Filtrer les éléments par date : jeudi, 15 juin 2017

Nazava ary nahitsy ny nambaran'i Me Olala raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tany Tolagnaro ny tenany ny talata 13 jona teo. Nambaran’ity mpisolovava ity fa tsy afaka hiara-miaina amin'ingahy Rajaonarimampianina intsony ny vahoaka.

Manaporofo izany ireo toreo sy kiakiakan'ny vahoaka manerana an'i Madagasikara nefa dia manao be marenina ny mpitondra.

 

Publié dans Tselatra

Mitontaly 32.261 ny isan’ny mpiadina CEPE amin'ity taona ity. Hitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 90 izy ireo, lakilasy fianarana miisa 802 no hampiasaina.

Miisa 78 kosa ny toerana hanatontosana ny fitsarana ny taratasim-panadinana.
Mizotra tsy misy tomìka ny fanomanana ny fanadinana amin'izao fotoana izao. <

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana asan-dahalo tao amin’ny Kaominina Ambohimanjaka, Distrikan’Ambositra androany. Nanomboka tamin'ny 06 maraina ireo dahalo niisa 200 mahery no nitety tanàna tao amin’ny Fokontany Fiherenantsoa, mampisaraka an'Antsirabe sy Amoron'i Mania, nangorona omby ka aman-jatony, valonjato any, no azon’izy ireo hatramin'ny 02 ora tolakandro teo.

Tsy afa-nanoatra ny Fokonolona fa lasa ireo dahalo vao nisy niantso.

 

Publié dans Tselatra

Nandriaka ny rà teo Ankadimbahoaka, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra. Epi-Bar sady manao irony “mobile money” irony no notafihin’ny jiolahy telo mitam-basy io hariva io tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany.

Noraofin’ireo jiolahy ny vola rehetra tao anaty vatasarihana ary tsy nisalasala nitifitra ireo izay teny anoloany izy ireo tamin’ny fialany teo. Olona roa no voa, ny iray teo amin’ny lohany, ny faharoa teo amin'ny tratrany.

Nialana nenina nentina namonjy HJRA ireo naratra, ireo jiolahy kosa nanaraka ny lalamby niazo an'Androndra.

 

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa