Filtrer les éléments par date : lundi, 08 mai 2017

Miaramila DAS (Détachement Autonome de Sécurité) iray no matin'ny dahalo tao Anjomanandihizana, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania, ny marainan’ny zoma 5 mey tokony ho tamin’ny 10 ora.

Dahalo zato lahy no niandry tao, miandry izay Tafika na Zandary sahy haka ny razana ao fa tsy nisy sahy, hany ka simba ampitoerana teo ny razana.

Nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny Fokontany Ibory, tapabolana lasa izay, ka nahafaty dahalo iray ireo miaramilan’ny DAS ; karazana valifaty ity tamin’ny zoma ity izany, satria voalaza fa be dia be ireo dahalo no tonga tao sady kalach vaovao be mbola mifono sachet daholo no nentin’izy ireo nanafika.

 

Publié dans Vaovao

Nampandre sady naneho fialantsiny an-taratasy ho an’ny mpanjifany androany ny JIRAMA Sambava tamin’ny alalan’ny tale Risy Honoré fa tapaka manomboka amin’ny 2ora sy sasany ny herinaratra satria ritra tanteraka ny solika mampihodina ireo milina mpihary herinaratra.

Miandry ny fahatongavan'ny solika avy any amin’ny seranan-tsabon’i Vohémar, izay tsy mbola voafaritra ny andro, vao hiverina indray ny Jiro.

 

Publié dans Tselatra

Le sénateur Rina Andriamandavy VII a pris le vol MD 018 de Air Madagascar le dimanche 7 mai à destination de Guanghzou.

Publié dans Fil info
lundi, 08 mai 2017 15:36

France : rien de nouveau

Qu’il s’appelle Emmanuel Macron ou Marine Le Pen, les Malagasy n’ont rien à espérer du 8ème président de la Vème République. Malgré ses déclarations condamnant la Colonisation, le candidat fraichement élu d’ “En Marche” continue de manifester sa France en marche afin de conserver sa….grandeur, en d’autres termes la politique post et néocoloniale française.

Marine Le Pen a au moins la franchise de dire qu’elle ne « regrette rien du passé de son pays » et elle a déjà mis en garde contre les revendications de la société civile malagasy concernant les îles éparses, qu’elle ne les rendra jamais.

Il faut être naïf de croire en un changement de vision de la France concernant l’Afrique et surtout Madagascar. Elle a déjà assuré sa domination pour au moins 100 ans. Les Malagasy continuent à faire la queue pour partir en France et s’y agrippent même clandestinement.

Pour la simple raison que le français est la seule langue que beaucoup comprennent aisément. De plus dans l’Hexagone, beaucoup d’entre nous possèdent une famille chez qui on peut être hébergé même au noir.

Publié dans Editorial

Le sénateur Riana Andriamandavy a pris le vol MD 018 hier 07 mai à destination de Guanghzou Chine.

Il n'y a pas d'Interdiction de sortie de territoire (IST) à son encontre, malgré les faits qu'on peut l'interpeller. Les manifestations avec les gros bras caillassant le portail du Bianco lors de l'affaire Claudine Razaimamonjy, l'obstruction qu'il a fait contre le juge qui voulait vérifier si vraiment Claudine razaimamonjy est bien à l’hôpital HJRA.

Plusieurs sources parlent d'un mandat contre Riana Andriamandavy, mais pour l'instant, il est libre de sortir du territoire. En voyage officiel pendant la session du Parlement, ou en voyage privé?

 

Publié dans A la Une

Mitaraina ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ary amin’izao dia niakatra tampoka ny vidim-bary, 800 Ariary ny iray kapoaka.

Ny fahitan’ny mpivarotra azy dia efa manomboka mivarotra lavanila ny tantsaha na dia tsy mbola misokatra ny taom-piotazana no voalaza fa anton’izao fiakaram-bidin’ny vary sy ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro izao.

110.000 - 130.000 Ariary (550 000 - 650 000fmg) ny kilaon’ny lavanila maitso amin’izao ary tombanana ho 1 800 000 Ariary (9 000 000 fmg) ny kilao n'ny lavanila masaka.

 

Publié dans Sociale

Miisa fito lahy izy ireo, tarik’i Jojo mampiasa basy “Revolver” rehefa manafika. Mbola nahatrarana bala “22 long rifles” miisa 05 tany amin’izy ireo nandritra ny fisamborana.

Raha ny fanazavan’ny Polisy dia vao nahazo fahafahana vonjy maika ny volana lasa iny ity “Jojo” ity, izay isany namono nahafaty karana vavy iray tao Ambolomadinika ny volana desambra 2016.

Mahagaga ny maro tokoa ny hoe olona efa voaroiroy amin'ny fahafatesana olona dia mbola mahazo fahafahana vonjy maika ihany.

 

Publié dans Tselatra

Ny taona 2012 no nisy “Vitrine économique” farany tahaka izao teto Toamasina, dia iny teo amin’ny araben’ny fahaleovantena iny indray ny tohiny, nanomboka ny alakamisy 4 mey ary naharitra hateloana ka nifarana ny sabotsy 6 mey.

Nahasarika olona ny vokatra nampirantiana na ireo vokatry ny tany, na ireo vokatra avy amin’ny orinasa, na ireo fitaovana samihafa ihany koa.

 

Publié dans Economie

Afa-po ny mpikarakara ny fampisehoana niarahana tamin'i Ambondrona. Babo hatrany ireo mpankafy eto an-toerana. Mitombo isa ny mpijery ny tarika raha ny tombatombana. Sarotra ihany anefa no mameno an'ity foto-drafitrasa ara-panatanjahatena mampiaiky ny mpikarakara hetsika ity.

16 taona izao ny tarika Ambondrona no mandalo eto Fianarantsoa. Izy no mpanakanto mahazo olona betsaka indrindra amin'ireo tarika miaka-tsehatra tonga eto an-tanàna ankoatran'i Mahaleo.

Ho an'ny fampisehoana notanterahina tao amin'ny Gymnase Ambatomena ny alahady 7 mey dia voatery nampiasa “groupe électrogène” ny mpikarakara ho famatsiana herinaratra.

Publié dans Art et Culture

« Misy olana amin'ny Filoham-pirenena sy ny fikambanana Solidarité des Leaders Universitaires de Madagasikara (SOLUMA)», hoy ny filoha nasionaly mitatitra azy.

Tsy tanteraka ny andron'ny alahady 7 mey ny dingana famaranana ny lalao basket ball nokarakarain’ny SOLUMA hatramin'ny volana oktobra arak'izany.

Tsy tratra antso hatramin'ny zoma lasa teo ihany koa ny filoham-boninahitra Be-Rija Ravelomanatsoa hoy ny mpitarika ny SOLUMA. "Tsy hita izy hatramin'izao", hoy ny mpikambana.

Tonga tao an-kianja ary efa niatrana daholo ny mpilalao nanambarana fa efa any ny loka omby sy ondry sy gisa sy vary fa misy olana eo aminay sy ny filoham-pirenena ka ajanona ny hetsika.

Miato eo ampiandrasana vahaolana araka izany ny hetsika Tournoi Coupe du Président eran'i Madagasikara vokatr'izany.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa