Filtrer les éléments par date : samedi, 06 mai 2017

Tsy namela nahazo ry Rast sy ry Mena volo, tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kick-boxing, izay notontosaina tao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena Mahamasina, izay nanintona ny mpankafy ity taranja ity, satria dia nafana tokoa ny Lalao.

Tao anatin’izany rehetra izany anefa dia nisy ny fampisehoan’ireo zandry kely izay tanin-ketsan’ity taranja Kick-boxing ity ary mbola tao ihany koa ny fifaninana Bodybuilding izay mbola notontosaina teny ihany koa, maro ny hikiakam-pitiavana an'ireto bandy bokona manja ireto ka dia taraiky mihitsy ny fifanitsanana kick-boxing.

 

Publié dans Sport

Un gendarme du GSIS a fait exploser une grenade ce matin, pour exprimer le succès de la circoncision de son fils.

La forte explosion a effrayé la population du secteur K2 de la commune d’Ivato région Analamanga.

Quid du règlement de la détention et d'usage de ce genre d'explosif?

 

Publié dans Fil info

Il a été arrêté vendredi 5 mai, par les éléments de la Section de recherche de la Gendarmerie de Fianarantsoa sur mandat du Tribunal de Première Instance d’Ihosy qui a fait une extension de compétence.

Cette arrestation intervient au lendemain de son « ampamoaka » ou déballage de dossiers sensibles compromettants des autorités judiciaires et politiques dans la région d'Ihorombe lors de son passage dans une télé privé de la capitale. Cello Fernand est amené directement à Ihosy pour enquête.

Sept chefs d’inculpation pèsent contre le journaliste de la Radio Jupiter Ilakaka, dont abus de confiance, vol de chèque…

 

Publié dans Politique

Taorian'ny loza nitranga taty amin'ny morontsiraky ny Grand Pavois, manjary mangina tanteraka aty an-toerana. Tsy misy mpitsangatsangana tonga mihitsy fa ireo mponina manodidina sy ireo mpivarotra ihany no mifamezivezy eny an-toerana. Mivelatra fotsiny ary babangoana ireo trano heva sy elo natao fipetrapetrahana sy fialokalofan'ny mpitsangatsangana.

Nampihena sy nampatahotra ireo mpitsangatsangana ny loza niseho herinandro lasa izay ka mahatonga izao fahanginana tanteraka izao raha ny nambaran'ireo mpivarotra.

Hatramin' izao tokoa mantsy tsy mbola hita ilay tovolahy natelin'ny ranomasina, izay raha tsiahivina dia mpianatra nanao dia fibeazana taty Mahajanga ireto mpianatra avy any antsirabe no tra-doza.

Mitaraina ireo mpivarotra sy mpampiasa vola madinika ety amin' ny Grands Pavois satria tsy misy mpanjifa ny entana amidin'izy ireo ary tafiditra fatiantoka mihitsy aza.

 

Publié dans Vaovao
samedi, 06 mai 2017 19:44

Fianarantsoa : Ambondrona Tour

Hanao fampisehoana ao amin'ny kianja mitafo ao Ambatomena ny tarika Ambondrona ny alahady 7 mey amin'ity fandalovany eto Fianarantsoa ity.

Toerana tantanin'ny TAFITA (Tahiry fanohanana ny Tanora) io Gymnase nantokana ho an'ny hetsika ara-panatanjahatena io. Ka sambany izao vao tena hisy fampisehoana goavana toa ny an'ny tarika Ambondrona tahaka izao.

Publié dans Art et Culture

Ho hentitra ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga amin’ireo toeram-pisotroana tsy manara-dalàna eto an-toerana satria dia mitombo isa isan’andro izany nefa tsy manana taratasy fazahoan-dàlana hisokatra sy hampisotro ny mpanfija ny ankamaroan’izy ireo.

Hojerena koa ireo “bar” izay mandefa ny zava-maneno mafy ka miteraka fanelingelenana ny manodidina, sy tara fihidiana amin’ny alina.

Efa maro ireo “bar”no efa nazahoana fitaraina fa manakotaba ny manodidina azy.

 

Publié dans Tselatra

Nanokana tapak'andro maraina ity sabotsy 6 mey ity ny tetikasa LAMINA mba hanofanana ny mpianatra eny amin'ny oniversite eo amin'ny lalàna mifehy ny fitompoana ny tany.

Isan'izany ny resaka fandovana, ny fanamaintisa-molaly, ny didy miafina.

Natao izany mba ho fampihenana ireo ady tany hita eny amin'ny fiaraha-monina ka ireo tanora ireo no andrasana ho mpanazava ny sain'ny mpiara-belona raha sendra tranga mampifanolana.

Izy ireo ihany koa no entanina mba handray andraikitra hanao fitarihana ny olona ho eny amin'ny ivontoerana misahana ny fananan-tany raha misy ny olana miteraka disadisa.

Mitohy amin'ny toerana maro eto an-tananan’i Fianarantsoa izao hetsika fanofanana sy fampahafantarana izao.

 

Publié dans Sociale

Hier vendredi 05 mai a été un grand jour pour l'aviation chinoise.

L'avionneur Comac, Commercial Aircraft Corporation of China, a fait décollé, depuis l'aéroport international de Shanghai, sous l’applaudissement de millier des gens, son avion moyen-courrier, conçu par la Chine.

La Chine, de faite, va entrer dans la compétition très monopolisée par Airbus Européen, et Boeing Amercain.

Publié dans Internationale

Efa ho herinandro vitsivitsy izao no mifanenjana ny roa tonta, ankehitriny, dia ampangain'ny Koreanina Avaratra ny mikasa ny hamono ny Filohany Kim Jong-Un ny sampam-pitsikolovana amerikanina na ny CIA.

Ny Amerikanina moa dia manohy mametraka fitaovam-piadiana mahery vaika any Korea Atsimo ho fiandry raha mahery fihetsika ampiasa misila, na baomba atomika ny Korea Avaratra.

Ny filoha amerikanina Donald Trump moa dia nanambara fa ho vitainy ny momba an'i Korea Avaratra raha miantsy ady aminy.

 

Publié dans Tselatra

Solosaina miisa 10 no natolotra sy hampiofanana ireo jamba eto Antsirabe, ka olona 10 isan'andro no hianatra ao, izay hiofana mandritra ny 6 herinandro raha ny nambaran'Atoa Ratobimiarana Haingo, mpandrindra ny tetikasa Voatra Asa eto Antsirabe.

Tanjona ho azy ireo ny hanofana jamba hatrany amin'ny 70 isa ka ho afaka hiasa amina sehatra maro mihitsy izy ireo aorian'ny fahavitan'ny fiofanana ataony mba tsy ho vesatra eo amin'ny fiaraha-monina.

 

Publié dans Sociale
B1 - Polyclinique
B2 - Toa