Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 mai 2017

Hiatrika ny famoronana asa sy ho fiarovana ny tontolo iaina ny Fiangonana Loterana Malagasy. Hisy araka izany ny fananganana orinasa hamokatra ny angovo fandrehitra dia ny éthanol izany, ka eto Antsirabe no hanorenana ny ozinina hamokatra izany ary heverina hotokanana amin’ny 19 mey ho avy izao ity toeram-pamokarana éthanol vaovao ity.

Hamokatra hatrany amin’ny 5000 litatra isan’andro ity ozinina ity raha ny nambaran’ny filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David ary fikarohana nataon’ny manampahaizana Malagasy avokoa no hanaovana izany.

Publié dans Economie

Le verdict sera prononcé le 10 mai prochain.

Publié dans Fil info

Distrika telo no toeram-pandatsaham-bato dia i Ambohimahasoa, Ambalavao ary Fianarantsoa.

Tontosa tsy misy tomìka ny fifidianana. Miandalana ny fametrahana ireo mpikambana 12 mandrafitra izany birao izany amin'ny fomba ofisialy.

Tsy misy ny fanankianana ny vokam-pifidianana.

Publié dans Economie
vendredi, 05 mai 2017 10:26

Fianarantsoa: LTP Beravina feno 60 taona

Mankalaza taon-jaobily ny Lycée Technique Beravina amin'ity taona ity, efatra andro no hanamarihana izany ka hanomboka ny andron'ny 9 mey ho avy izao.

Efa niova anarana imbetsaka ity toerana fiofanana ara-teknika ity hatramin'ny taona 1956 nijoroany.

Mitondra ny fiantsoana hoe : Lycée Technique Professionnel izany ivontoerana fiofanana izany ankehitriny.

Isan'ny manamarika izao fanamarihana taon-jaobily faha-60 izao ny fananganana ny Birao-paritry ny Fampiofanana arak'asa aty an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Miisa 1039 ireo voafonja ao amin’izao fotoana izao, ka vehivavy ny 40 amin’ireo. 566 ireo voanfonja miandry ny fitsarana ary 473 ireo efa nandalo fitsarana. Raha ny zava-misy anefa dia 400 ihany ny voanfonja zakan’ny foto-drafitrasa.

Sahirana arak’izany ireo mpandraharahan'ny fonja amin’ny fandrindrana ireo olona voafonja, indrindra amin’ny fotoana hidiovan’izy ireo ka voatery alefa tsikelikely mba hisorohana ny mety ho fanararaotana hitsoaka aty ivelany araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fonja aty Mahajanga, Randriamanantena Jean Claude.

Publié dans Sociale

Horaisin’ny Zandary an-tanana manontolo ny lany amin’ny fandevenana ilay tovolahy maty notifirin’ny Zandary iray avy ao amin’ny “Poste Avancé” Malakialina ny alarobia teo. Izy ireo koa ny hiantoka ny fampodiana ny taolambalo any Farafangana, fiavian’ilay tovolahy rehefa maina ny razana.

Niara-nisotrosotro izy ireo ny alarobia. Voalaza fa nandrahona ilay Zandary tamin’ny fibara (antsy farango lava) fitondrany ilay tovolahy tokony ho 20 taona, izay tsy dia tomombana ara-tsaina loatra, ka io fihetsik’ity farany io, no niarovan’itsy voalohany tena nakany ny basiny sy nitifirany azy. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy.

Publié dans Vaovao

Arrivée au terme de son mandat, l’ambassadrice d’Australie, Susan Coles, dont la résidence est à l’Île Maurice quittera bientôt Madagascar.

 

Publié dans Fil info

Ndeha hanovatra ny namany niara-nilomano taminy omaly alakamisy 04 mey tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, teo amin'ny port, nefa lasan'ny rano ity mpitondra posy ity, kinanjo avotra ilay namany fa izy indray no natelin’ny ranomasina.

Nilentika ihany ny masoandro tsy mbola hita, io maraina io mbola mitohy ny fitadiavana azy.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa