Filtrer les éléments par date : mercredi, 31 mai 2017

Nankalazaina androany ny andro maneran-tany hiadiana amin'ny fifohana sigara sy zava-mahadomelina, izay notanterahina teny amin'ny manodidina an'Anosy izay nisian'ny diabe nihazo teny amin'ny Hopitaly HJRA.

Nisy ny trano eva izay nampirantiana ireo voka-dratsy mahazo ny olona izay voakasik'izany fidorohana zava-mahadomelina izany. Maro tamin'izany ny fanentanana fa dia loza ho an'ny fampandrosoana ny fihinanana paraky sy fifohana sigara.

 

Publié dans Tselatra

Rehefa avy niatrika ilay fanazaran-tena niarahan'ny tafika sy miaramila aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indianina IVONDRO 2017, taty Toamasina ny 26-30 mey farany teo, ireto miaramila Malagasy, ka hiazo an'Antananarivo, dia nivarina tany anaty hantsana ny fiarabe nitondra azy ireo.

Raha niakatra ny Mandraka ny fiara, dia niala fiara iray ny mpamily, ka dia ny fiara noentiny indray no lasa tany anaty hantsana. Soa fa tsy lalina loatra ilay hantsana, nefa na izany dia 07 no naratra, ka ny 06 dia tena voa mafy ka nila fitsaboana. Tamin'ny 11 ora teo no nisehoan'ny loza, ary nentina notsaboana etsy amin'ny hopitaly Miaramila HOMI ireo naratra.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 31 mai 2017 19:28

Nosy Be

Miss Donia 2017

 

Publié dans Art et Culture

Savorovoro tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Manakara androany, taorian’ny namoahan’ny lehiben’ny Fitsarana Didy mampiditra am-ponja roa taona an-tranomaizina sazy mihatra, mpiandry fonja telo lahy izay notorian’ny gadra iray ho nidaroka azy tao am-ponja.

Tsy nanaiky ny Didy nivoaka managadra ireo namany ny mpiandry Fonja ka rava hatramin’ny fotoam-pitsarana. Nikomy sady tsy mety handray na hamoaka voafonja ireo mpiandry Fonja.

Niantso mpitandro filaminana ny lehiben’ny Fitsarana, mandeha ny fifampiraharahana amin’izao fotoana.

 

Publié dans Tselatra

Cela fait 18 jours que le fils de Danil Ismaël, propriétaire du groupe SMTP (ABC, La City), Yanish Ismaël, est kidnappé par des gars armés, le dimanche 14 mai, vers 10h30 au cimetière d'Ilafy.

A ce jour, aucune nouvelle. La famille, courageuse, ne perd pas espoir de le retrouver vivant et en bonne santé.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 31 mai 2017 15:37

Nosy be: Le Carnaval Donia bat son plein

Le Carnaval d'ouverture de l’événement culturel de Donia bat son plein sur l'Île aux parfums.

 

Publié dans Art et Culture

Ce matin mercredi 31 mai à 08h25, heure locale, une explosion d'une citerne à eau avec plus d'une tonne et demi d'explosifs, laissant un cratère de 7m de profondeur, a fait 80 morts et 320 blessés.

Le véhicule piégé a explosé près de l'ambassade allemande dans le quartier diplomatique menant vers le Palais présidentiel.
L'Ambassade de France a subit beaucoup de dégât matériel.

 

Publié dans Internationale

Amin'ny alalan'ilay hetsika Autisme Tour, no netin'ny fikambanana Autisme Madagascar manazava momba ity Autisme ity.

Nanazava nisinisy kokoa ny mahatonga io aretina io ny dokotera Pierre Sans nandritra ity hetsika fanentanana ity.

Mitohy hatrany moa ny asan'ny fikambanana ho fampahafantarana ny Ray aman-dreny momba azy ity, ahafahana mitily sy mifehy ary mandrindra ny olona, indrindra ny ankizy voan'ity Autisme ity.

 

Publié dans Sociale

Namory ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina ny sendikan’ny Mpiraki-draharaha eto Madagasikara ny alatsinainy 29 mey lasa teo, ka nanambara izy ireto fa nandritran’ny fotoana lavalava nahanginan’ny sendikan’ny Mpiraki-draharaha eto Madagasikara, izay mahakasika ny fitakian’izy ireo, dia vao maika mihabetsaka ny fanaovana tsinontsinona ny hasin’izany mpiraki-draharaha izany eo amin’ny tontolon’ny asam-pitsarana.

Marihina anefa araka ny voalazan’i Sekreteran’ny mpiraki-draharaha, JAONARY Patrick Soloniaina, izay amin’ny maha tany tan-dalàna antsika dia ny mpiraki-draharaha no maha ara-dalàna ny taratasim-pitsarana izay ataon’ny Mpitsara.

Tsy ara-dalàna ny Didim-pitsarana raha tsy mandalo amin'ny Mpiraki-draharaha ny taratasy rehetra.

Noho izany dia manana ny satany manokana sy ny lanjany manokana eo amin’ny asam-pitsarana ny Mpiraki-draharaha.

 

Publié dans Sociale

Isaorana hatrany ireo namatsika Mpahay Lalàna.

Amin'ny raharaha vono olona ("meurtre"); Rehefa manao fangatahana fahafahana vonjimaika ("demande de mise en liberté provisoire") ny voampanga voatàna am-ponja vonjimaika ("inculpé détenu préventivement") dia alefa any amin'ny Mpitsara Mpanao Famotorana ("juge d'instruction") izay misahana ny raharaha ilay fangatahana.

Alefan'ny Mpitsara Mpanao Famotorana ("Juge d'Instruction") any amin'ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République") indray io fangatahana io miaraka amin'ny "dossier" manontolo.

Manoratra ny heviny ao ny Fampanoavana. 3 io heviny io araka ny Lalàna:
Na TSY MISAKANA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA,...NA MISAKANA NY FAHAFAHANA VONJIMAIKA,...Na ..MANANKINA NY RAHARAHA amin'ny FAHENDREN'NY FITSARàNA!!!

Raha efa izany dia ALEFAN'NY FAMPANOAVANA ny raharaha ho tsaraina eo anatrehan'ny Sampam-Pitsaràna misahana ny Fitanana am-ponja Vonjimaika ("Chambre de la détention Préventive")

Ny Filohan'ny Fitsaràna( "Président du Tribunal") na ny LEFINY ("VIce Président") miampy Mpitsara Mpamoaka didy ("Juges") 2 no mandinika an'io Fangatahana Fahafahana Vonjimaika io!!!

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2