Filtrer les éléments par date : mardi, 02 mai 2017
mardi, 02 mai 2017 20:56

Anosikely

Ouverture de la première session ordinaire du Sénat 2017.

 

Publié dans Fil info
mardi, 02 mai 2017 20:29

Tsimbazaza

Ouverture de la première Session Ordinaire de l'Assemblée Nationale 2017.

 

Publié dans Fil info

Raha mbola tsy vita akory ny famindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny Polisy eto Vakinankaratra sy izay olona mety handimby azy dia nanondrana indray ny mpitandro filaminana sasany teto Antsirabe ny tokalandro teo.

Polisy iray am-perinasa no nanimba sy nanitsaka entan’olona raha izy nitondra fiara sy somary dozidozy iny.

Nambaran’ireo nanatri-maso fa niainga avy tany amin’iny Fokontany Amboronomby iny izy, ary niazo an’iny Atsimontsena Sabotsy iny no sady nirifatra mafy mety nentin’ny alikaola nosotroiny angamba.

Publié dans Vaovao

Sarona izy efa-mianaka mpanao ity asa ratsy manafika taxi-moto mba hahazoana moto ity. Efa voaheloka higadra mandrapahafaty ny iray amin’izy efa mianaka ireo kanefa izao sarona nivoaka nanohy ny asa ratsiny izao.

Mbola tratra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo ilay moto nangalarina sy moto an’olon-kafa. Natolotra ny fampanoavana androany izy efa-mianaka ireo.

 

Publié dans Tselatra

Ny alatsinainy 1 mey, tokony ho tamin'ny 4 ora no nisehoan'ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity teny akaikin'ny Jardin d'Amour Mahajanga. Nilefa avy hatrany ilay mpamily raha vao niseho ny loza. Ny olona nanatri-maso no nitondra ilay tovolahy tany amin'ny hopitaly. Natao ny fialana nenina rehetra fa tsy tana ny ainy.

Fahazaran'ireo mpamily manao lozam-pifamoivoizana no milefa hatrany fa tsy mandray andraikitra aloha mba hanavotana ireo maratra. Manararaotra ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso ataon'ny tompon'andraikitra ny rehetra ka samy manao izay saim-pantany amin'ny tsy fanarahan-dalana.

Izay manam-baovao momba io mpamily nilefa io dia aoka hampilaza ny Polisy akaiky azy.

 

Publié dans Tselatra

Rangahy iray manodidina ny 40 taona eo no hita faty teny amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga ny maraina teo.

Tsy fantatra mazava ny tena antony nahafaty ity lehilahy ity fa araka ny fizahana nataon’ny BMH dia efa maty nandritra ny telo na efatra andro tao anaty rano izy.

Efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nampakatra ny razana ary nitondra izany tany amin'ny tranom-patin'ny hopitaliben'Androva.

Andrasana hatramin'ny 2 ora tolakandro izay mety ho fianakavian-dratompokolahy haka ny razana eny amin'ny tranom-paty ary tsy maintsy halevina kosa raha tsy misy mitonona ho havany satria efa mihasimba ny razana.

 

Publié dans A la Une

Tranga hafakely no niseho tao amin’ny Kianjan’ny Savika Ambositra omaly, nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Ambositra.

Raha iny nandray fitenenana iny indrindra anefa ny Ben’ny Tanànan’Ambositra Rtoa Vola Andrianarivo dia nisy andian’olona nisiotsioka, tsy vitan’izay fa namoahan’ireo andian’olona ireo sorabaventy ihany koa milaza fa lafobe ny hofan-tsena 30.000 Ar.

Publié dans Vaovao

Grace à l’aide financière d'un Malagasy Facebooker aux Etats-Unis, Madame Josiane peut continuer son traitement à l’hôpital. Josiane ou Andrianjatomanana Faraharilanto Josiane de son vrai nom est atteinte d’un cancer du sang. Cette maladie a été diagnostiquée il y a quatre ans, alors qu’elle avait tout juste 29 ans.

Mariée et mère de deux enfants, Josiane a besoin de votre aide et de vos prières. Elle habite à Ambohimiadana Avaratra au VIème Arrondissement Ambohimanarina. Sa famille fait aussi appel aux personnes de bonne volonté pour venir en aide à Josiane afin de lui sauver la vie. (Contact : 034 92 595 33).

 

Publié dans Sociale

Mankasitraka hatrany ny namana mpahay lalàna mitondra ho antsika fanazavana araky ny Lalàna Malagasy.

Ny "FANAOVANA HETSIKA FAMOSAVIANA" ("Pratique d'actes de sorcellerie") izay METY hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny ain'olona ary ny fananany ("susceptible de troubler l'ordre public et de porter atteinte aux personnes ou à la propriété") dia...VOARARAN'NY LALàNA manankery tokoa ka MAMPIGADRA Iray (01) taona hatramin'ny dimy (05) taona miampy fandoavana LAMANDY Iray alina (10.000) Ar hatramin'ny iray hetsy (100.000) Ar.

Tafiditra ao anatin'izany, ohatra, ny fihazonana tapakazo, fanaovana sikidy, fanaovana majia ("magie") ...

Fepetra 2 miavaka tsara ary mifanampy no napetraky ny Lalàna Hitsivolana 60-074 tamin'ny 28 Jolay 1960 ny amin'ny hisian'ny heloka FANAOVANA HETSIKA FAMOSAVIANA:

1- Ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka. Izany hoe, tena AZO HEVERINA fa hisy ny fikorontanan'ny fiaraha-monina;

2- Ny fanohintohinana ny ain'olona sy ny fananany!...Avy amin'ny alalan'io Lalàna io izao; ohatra, no nahafahana nanenjika sy nanasazy ireo heverina fa tompon'antoka tamin'ny nisian'ny AMBALAVELONA (na koa NJARININTSY) izay niarahantsika nahita ny fitrangany sy ny fiantraikany.

Publié dans Editorial
B1 - Polyclinique
B2 - Toa