Filtrer les éléments par date : mercredi, 17 mai 2017

Nihazakazahana faran’izay haingana ny alatsinainy 15 may 2017 ny fametrahana azy satria niaraha-nahalala fa nisy ny olana teo anivon’ny FIVMPAMA sy ny FIOVA izay mpifanandrina nandritra ny fifidianana.

Minisitra roa be izao no nidina teto Antsirabe nametraka ireo tomponandraikitra vaovao, izay notsofina rano hahavita ny asany.

Mikasika ny fifanolanana dia nambaran’ny Minisitry ny varotra Tazafy Armand fa izay tokony hisahana izany no miandraikitra izany fa ho azy ireo dia nadio ny fifidianana.

Ny fanofanana sy fanentanana ireo mpandoa hetra manodidina ny 12.000 moa no laharampahamehana ho an’ny filoha vaovao mba tsy ho 197 fotsiny ny ho mpifidy amin’ny manaraka.

 

Publié dans Vaovao

Dingana maro no efa nataon’ireo mpikambana ao amin,ny OTIV Boeny tamin’ny tsy fahazoan’izy ireo ny volany ao amin’ity banky mpampidram-bola ity, izay mikatona amin’izao fotoana izao.

Tonga hatrany amin’ny Fitsarana Tampony ny fitoriana. Nametraka fitoriana teny amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco ihany koa izy ireo ankehitriny mba hanaovana ny fanadihadiana manokana mikasika ity raharaha ity.

 

Publié dans Tselatra

Reraka ny mitaraina ny vahoaka amin’ity delestazy ity noho izy efa matetika loatra nefa tsy hita izay tena vahaolana maharitra.

Misedra olana ireo mivelona amin’ny fampiasana ny herinaratra toy ny mpanao volo, ireo mampiasa vata fampangatsiahana, ireo Cybercafé.

Anisany mampirongotra ny tsy fandriampahalemana anefa ny fahatapahan-jiro lava eto Antsohihy ity. Miandry ny vahoaka mitroatra ve vao handray fepetra ny Fanjakana amin’ity olan'ny delestazy ity ?

 

Publié dans Tselatra

Mafampana ny asan-dahalo aty Antsalova. Nanafika olona nitondra entana tamin’ny sarety avy any Ambalakazaha Bemamba hiazo an’Antsalova izy ireo omaly.

Nataon’ireo dahalo takalonaina nandritra izany ny vehivavy iray mpampianatra, sady tompon'entana. Navotsotr’izy ireo ilay ramatoa mpampianatra rehefa nahazoany vola roa hetsy sy finday telo. Lasan’ireo dahalo ihany koa ny omby sarety miisa efatra.

 

Publié dans Tselatra

Nankalaza ny faha 70 taona nijoroany ny sekoly Katolika Sainte Famille etsy Mahamasina.

Nisy ny hetsika maro samihafa, nentina nankalaza izany, natomboka tamin'ny fanompoham-pivavahana izany, izay notanterahina teny an-toerana.

Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanokanana fotodrafotr’asa, izay fanavaozana sy fananganana ireo salle des prof sy ireo kilasy maro samihafa.

Marihina moa fa manodidina eo amin’ny valonjato sy arivo (1800) eo ho eo ny mpianatra ato amin’ity sekoly ity, izay fanabeazana aram-pinoana moa izy ity.

 

Publié dans Sociale

Teny amoron-dranomasina Ampandrozonana Sambava izy ireo no sarona omaly maraina ny talata 16 mey, tokony ho tamin’ny 10 ora.

Tampoka tamin’izy telo lahy ny fahatongavan’ny Polisy izay sendra nijery ny faritra manodidina izay nahitana faty olona no nifanehatra tamin’ireto.

Nosamborina izy telo lahy ary hanaovana famotorana lalina mialoha ny hanolorana azy ireo ny Fitsarana.

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 17 mai 2017 13:53

17 mai

Journée internationale contre l'homophobie.
Cette journée est aussi dédiée aux Télécommunications.

Publié dans Fil info
mercredi, 17 mai 2017 13:06

Madagascar : Le péché d’être riche

Notre grande île est renommée pour ses richesses, un ancien colon, depuis rentré en métropole, nous racontait qu’il suffisait de se pencher pour récolter des saphirs et autres pierres précieuses.

Malheureusement la population demeure pauvre et ce depuis des…siècles !

Cette paupérisation s’est encore multipliée par vingt avec le retour de l’indépendance. Sur dix entrepreneurs locaux, six sont des indo-pakistanais, deux des sino-malagasy et deux seulement des locaux.

Nous parlons ici des personnes ayant des entreprises pignon sur rue. Si les Indo-pakistanais (Karana) atteignent un haut niveau d’opulence, c'est qu’ils ont bossé dur, ils sont très solidaires entre eux dans chacune de leurs communautés religieuses.

Les deux premières générations ont été modestes et austères, un des leurs nous a raconté qu’il ne mangeait que du khimo (viande hachée un peu épicé) avec du riz et ce, quasiment tous les jours de la semaine et du biriani seulement les jours de fête (Aïd al fitr, mariages,…). Rien d’étonnant donc s’ils ont réussi leurs vies professionnelles.

Publié dans Editorial

Natao omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina, ny tolo-tanana ho an’i Andry RATOVO izay mpanao gazety. Mila fitsaboana any ivelany izy ary antapitrisany maro ny sarany.

Publié dans A la Une

Voakapa antsibe teo amin’ny hatony sy ny tanany i Angelo.

Raha ny fitantaran’ny rahalahiny izay iray trano aminy, dia ny alatsinainy 15 mey tamin’ny 6ora hariva i Angelo no niala tao an-trano toy fanaony, mandeha mampakatra omby avy any an-tsaha.

Tonga ihany ny tamin’ny 7ora sasany hariva saingy tsy niverina izy, ka mahina ity zandriny ity fa tsy fanaony ny toy izao.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa