Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 mai 2017

Taorian'ny voina an-dranomasina namoizana ain'olona teny amin'ny Village Touristique Mahajanga herinandro vitsy lasa izay, dia nidina teny an-toerana ireo mpino avy amin' ny Fiangonana Apokalipsy eto an-toerana notarihin'ny pastora Andriatsarafara Arthur nandroaka devoly.

Asan'ny maizina ary asan' ny devoly no handraisan'izy ireo ny fahafatesan'olona nisesisesy tamin'ity toerana fitsangatsanganana ity ka mila diovina amin'ny alalan'ny vavaka.

Harena voajanahary nomen'Andriamanitra ny ranomasina ka tokony hisitraka izany malalaka ny olombelona. Mila miantso an'Andriamanitra izay namorona azy araka izany mba hamaha ny olana sy handresy ny asan'ny maizina. Io no fanazavana nentin'ity antonkom-pivavahana ity mahakasika ny olana momba ny Village Touristique.

Publié dans Sociale

Niatrika ny fanadinana ara-panatanjahantena ny mpianatra mpiadina BEPC ny herin'andro teo. Mpiadina miisa 3080 amin’ireo 4429 voasoratra anarana no niatrika io fanadinana ara-panatanjahantena io teto amin'ny Cisco Fianarantsoa.

Toerana 2 no nanatanterahana izany dia tao amin'ny kianjan'ny CSFX Ambatomena sy teny amin'ny CRINFP Mahazengy.

Niakatra io isan'ny mpiadina io, hoy ny lehiben'ny faripiadidiam-pampianarana eto an-toerana tahaka ny an'ny mpiadina CEPE izay mitontaly 5044 tamin'ity taona ity.

Publié dans Sociale

Nanana solontena 16 mianadahy ny ligy Alaotra Mangoro niatrika ny fifaninanam-pirenena tamin’ny ady totohondry izay notontosaina tao Antananarivo nanomboka ny 12 mey teo.

“Tanjona ny hitazomana ny lazan’ny faritra tamin’ireo vokatra tsara azo teo aloha”, hoy i Haja Majarin, filohan’ny ligy.

Marihina fa efa tompondaka lefitra tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay notontosaina tatsy La Réunion ny mpikatroka ady totohondry avy aty Alaotra Mangoro ny taona 2012.

 

Publié dans Sport

Tena ahitana izany ny lalam-pirenena RN5A Sambava –Vohémar, tsy mifidy io na taxi Bajaj, na taxi ville, indrindra ny taxi brousse, hany ka mitera-doza indraindray.

Miditra ny fotoam-piotazana lavanila ny aty an-toerana amin'izao, ka mifanaretsaka ny mpividy sy mpijirika.

 

Publié dans Vaovao

Avy any Antsohihy ireto rongony ireto no saron’ny Polisy ny harivan’ny alarobia teo teny amin’ny toby fiantsonana rehefa nahazo loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo.

Avy hatrany dia nosamborina ny mpamily sy ny mpanampy azy ary zazavavy kely iray 16 taona ary mbola mpianatra, izay nitsena ny entana.

Karohina ihany koa ny renin’ilay zaza raha ny fanazavan’ny Kaomisera Rakoto Thomas Richard.

 

Publié dans Tselatra

Nivadika sakoroka sy fitsaram-bahoaka ny fahaverezana lakolosy nitranga tao amin’ny EPP Voloina Maroantsetra ny herinandro lasa teo. Tratra tao an-tranon’ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana ilay lakolosy nandritra ny fisavan’ny Zandary ny tranony. Mbola nahitana lavanilina halatra sy vola an-jatony tapitrisa ihany koa tao an-tranony, ka naparitaky ny olona teny an-tokontany.

Tezitra ny olona ka mitaky ny hampiharana fitsaram-bahoaka amin’ny Ben’ny Tanàna. Tsy nanaiky anefa ny Zandary nanao ny fisamborana, ka raikitra teo ny sakoroka ka nahatonga ilay tovolahy 15 taona maty voatifitry ny Zandary. Nodoran'ny olona ny moto sy ny fiaran'ny Ben'ny Tanàna.

Namoaka didy savaranonando mitazona am-ponja vonjimaika an’ingahy Ben’ny tanàna, izay avy amin’ny antokon’ny mpitondra, ny Tonia mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Maroantsetra, rehefa natolotry ny Zandary ny Fampanoavana ny raharaha.

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy iray 26 taona avy ao Masomeloka no nahatrarana ireo vola sandoka ireo, izay nataony tao anaty sakaosy iray. Tonga dia nibaradaka izy vao tratran’ny Polisy ka nanoro ireo namany roa lahy, voalazany fa mpanamboatra sy mpanaparitaka ireto vola sandoka ireto any an-toerana.

Tsy hita anefa ireto farany ka mitohy ny fikarohana azy ireo, toy izany koa ny fitaovana fanamboaran’izy ireo izany.

Natolotra ny Fitsarana ao Vatomandry ny zoma teo ity tovolahy nahatratrana vola sandoka ity.

 

Publié dans Tselatra

Yanish Ismael, le fils de Danil propriétaire du groupe SMTP (ABC, La City) a été kidnappé par 12 gars armés, ce matin vers 10h30, devant sa famille à la sortie d'un enterrement du cimetière d'Ilafy.

les 12 hommes armés ont tirés pour destabiliser la foule. Un Gendarme qui a assuré la sécurité de la famille a été blessé.

Les hommes cagoulés et armés de kalachnikov ont pris la fuite par une mazda noire.

Publié dans A la Une

Handray an-tanana ireo tanora mifoka sy misotro ny zava-mahadomelina ny fikambanan’ny tanora avy amin’ny Fiangonana Advantista eto Mahajanga. Tanora 200 mahery no kendren’izy ireo homena fitsaboana hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny zava-mahadomelina.

Maimaimpoana ny fitsaboana ataon’ireo tanora Advantsita ao anatin’ny hetsika « Mahajanga tsy mifoka sigara » izay haharitra enina andro amin’ny toerana misy ny Fiangonana ao amin’ny Fokontany Manga handrasaina ireo tanora vonona hiala amin’ny zava-mahadomelina rehetra.

 

Publié dans Sociale

Ny andron'ny alahady 7 mey teo no nitrangan'izany tany amin'iny faritra iny. Izy io no fantatra fa nihantsy ny mpitandro filaminana tao anatin'ny herinandro maromaro izao.

Voatifitra nandritra izany fifandonana izany ny miaramila iray, ary namoy ny ainy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3
B1 - Polyclinique
B2 - Toa