Fianarantsoa : Feno 25 taona ny Soroptimist International Club eto an-toerana
Fitokanana tsangambato no nentina nanamarihana izany ny marain'ity zoma 12 mey ity teo Tsianolondroa. Tonga manotrona ny fikambana eto Fianarantsoa ny Filohan'ny SIUM sy ny mpikambana handimby azy ary ny filoha mitarika ny klioba any Toliara. Nanatrika izany ihany koa ireo fikambanana mpanao asa soa sy mpiara-miasa hafa eto an-tanàna.
Ny 4 aprily lasa teo dia efa nisy ny fanolorana boky ho an'ny ivontoerana Cedii.
Filoha miisa 12 no efa nifandimby nitantana ny klioba teto Fianarantsoa tao anatin'ny 25 taona nisiany ary Gouverneur miisa 3.
22 no isan'ny mpikambana ankehitriny.
Santé : Le taux de prévalence du VIH à Madagascar est 0,4% chez la population globale
Le VIH existe réellement à Madagascar et le taux de prévalence varie selon les secteurs d’activités allant de 0,4% chez la population globale, jusqu’à 5% pour une population particulière, de 8% chez les drogués et de 15% chez les homosexuels.
Complexe Sportif Mahajanga: May ny efitrano VIP
Saika loza no nitranga teny amin'ny Complexe Sportif Ampisikina Mahajanga raha tsy tonga ara-potoana ireo mpamonjy voina.
May kila ny efitrano fandraisana ireo olo-manankaja na salle VIP tao amin' ity foto-drafitrasa ity.
Raha ny fahitan'ireo mpamonjy voina tonga teny an-toerana, dia court circuit no nahatonga ny firehetana. Nanamafy rahateo ireo mpiambina fa tsy vao sambany fa efa misy olana matetika ny herinaratra amin' io toerana io ary efa nisy ny tatitra nataon'izy ireo tamin'ny tompon'andraikitra saingy tsy mbola nisy fandraisana andraikitra.