Filtrer les éléments par date : mercredi, 05 avril 2017

Mimenomenona ny mpiara-dia amin’ilay mpandraharaha ara-toekarena tompon’ny hotely A&C eny Ivato fa tapitra androany hariva ny fe-potoana ara-dalàna hitazomana an’i Claudine Razaimamonjy ao amin’ny Bianco ka tokony havotsotra izy, tsy misy rahateo ny fanomezan-dalana avy amin’ny Mpampanoa lalàna hanitarana ny fitanana azy ary raha misy raharaha vaovao mbola hanadihadiana an’i Claudine Razaimamonjy dia tokony nalefa izy aloha, avy eo nandefasana fiantsoana hafa, hoy hatrany ireo mpomba azy.

Nantsoin’ny Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly teny Mahazoarivo teny ny mpisolovava an’i Claudine Razaimamonjy, izay tombanana ho nanao tatitra ny zava-misy sy ny fitakian’izy ireo.

Publié dans Vaovao

Depuis l'arrestation de Claudine Razaimamonjy, plusieurs têtes propriétaires de quincaillerie de la place sont bizarrement disparus. 

A la Mosquée, leur absence sont remarquées par les observateurs depuis quelques jours.

Sachant que la vente des ciments et quincaillerie sont détenues par quelques groupes d'opérateurs seulement, on se pose la question, les marchés fictifs qu'on accuse Claudine ont il un lien avec ces marchands des matériaux de construction.

Publié dans Sociale

Les enquêteurs du Bureau indépendant anticorruption entament la deuxième phase d’audition de la patronne de l’A&C pour favoritisme lié à des marchés publics entre 2013 et 2016. Le déferrement devant un juge pourrait avoir lieu ce vendredi.

Claudine Razaimamonjy a été arrêtée lundi à la sortie du Palais des sports de Mahamasina après avoir assisté son club de basket-ball, le TMBB, participant à la phase finale du tournoi National de la Coupe du Président.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 05 avril 2017 17:14

Bianco: Claudine passe à sa 2ème audition

L'enquête sur Claudine Razaimamonjy continue à Ambohibao.

Elle passe à sa 2ème audition.

Le Bureau indépendant Anti-corruption, BIANCO, a déclaré hier mardi, qu'il y a des hauts dirigeants impliqués dans cette affaire et qu'une seule personne ne peut pas toute seule commettre un tel acte de corruption qui date de 2013 à 2016.

L'opinion publique attend impatiemment la suite de cette affaire pour démontrer effectivement que la justice est vraiment indépendante.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 05 avril 2017 17:00

Toamasina : Manao tery vaimanta ny HVM

Matahotra ny tsy hahazaka olona sa manahy ny fiantraikan’ny fampiatoana amin’ny asany ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Elysée Ratsiraka, fa dia raikitra ny teritery atao amin’ireo sefo Fokontany eto an-toerana hamonjy ny kongresi-paritry ny antoko HVM hatao ny 8 sy 9 aprily izao.

Terena tsy maintsy hanatrika ireo Sefo Fokontany fa izay tsy tonga dia mahazo fandrahonana hosoloina. Tsy vitan’izay fa nomena baiko ihany koa handefa solontena 10 isaky ny Fonkontany avy eo nasaina ampiana 15 na 20 mahery ka “ticket” no zaraina hakana sakafo hohanina amin’io fotoana io.

 

Publié dans Tselatra

Tra-doza tampoka ity tovovavy 17 taona ity raha avy any Maevatanana hihazo an’i Mahajanga ny faran’ny volana febroary teo. Teny amin’ny faritra manodidina an’i Berivotra lalam-pirenena fahaefatra iny no niseohan’ny loza.

Nivoaka ny fiara nandehanany izy, handeha hivalan-drano no nofaohin’ny fiara sendra nandalo tampoka. Naratra mafy nitrosona tamin’ny arabe tara izy, niala ny nifiny ary nipotsaka ny masony.

Publié dans Sociale

Akory ny hatairan’ny mponin’i Fianarantsoa raha nandre ny fahalasanan’i Jean Emilien ny marain’ity alarobia 05 aprily ity. Fahatairana tokoa satria ho an’ny ankamaroan’ny olona eto dia mbola nanamafy fifanaraham-piaraha-miasa hatrany amin’ny volana mey ity mpanakanto ngezalahy manandratra avo ny zavakanto avy eto an-toerana ity.

Mahavariana fa ireo fihaonana vao haingana nifanaovan’ny olona taminy sy ny fikasàna maro samihafa no mby teny am-bavan’ny olona amin’izao fahalasanany izao.

Misy ny fihaonana amin’ny samy Ray aman-drenibe sy mpanakanto eto an-toerana ho fiomanana ny fandraisana ny nofo mangatsiakany.

Samy miandry ny fandaminana ny vahoakan’i Fianarantsoa arak’izany.

 

Publié dans Tselatra

Andro voalohany amin'ny kipa teny amin'ny Doany Miarinarivo efadahy manankasina ny alatsinainy 3 aprily. Fanadiovana ny Doany no tena atao mandritra ity fomba ity ka ny valamena sy ny manodidina azy no tsy maintsy diovina voalohany.

Vory maro ireo mpandala ny fomban-drazana Sakalava avy ato anatin'ny faritra Boeny izay notarihin'ny Ampanjaka Soamody.
Dingana voalohany fanomanana sahady ny fanompoam-be izay hotanterahina ny volana jolay ny kipa. Mbola hisy ihany koa ny fanompoa fandrama sy ny fanompoa toamainty mialoha izany.

Publié dans Sociale

Lavanila mbola tsy matoy milanja 57kg no tra-tehaka tamin’izy ireo, izay niaiky ny helony. Nopotehina dia nalevina ny lavanila, natolotra ny Fitsarana tao Toamasina kosa ireo mpangalatra taorian’ny famotorana azy ireo.

Publié dans Tselatra

Nisy fiantsoana olona ho avy teny amin’ny Tranompokonolona Tsianolondroa ny tolakandron’ny talata, hifampidinika momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy araka ny fampilazana sy ny taratasy tsy mitonona anarana niparitaka hatreny amin’ny tambazotran-tserasera.

Nivoaka tao anatin’ny fihaonana ny hoe : "Lavina tanteraka ny endrika fisamborana ny zanak'i Fianarantsoa”, ary “Mangataka ny fitondram-panjakana mba hamoaka azy tsy misy hatak'andro, fa endrika fanalam-baraka izao”. Voalaza koa fa hisy ny fiakaran'ny delegasiona manokana any an-drenivohitra ho fanehoana firaisankina.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa