Filtrer les éléments par date : mardi, 04 avril 2017

Mbola miatrika fanadihadiana ramatoa Claudine Razaimamonjy amin’izao fotoana izao. Maro no zavatra anenjehana azy, ary nolazain’ny eo anivon’ny BIANCO fa tsy resaka fanodikodinana tany Ambohimahamasina no nanaovana izao fanadiadiana azy izao fa ny fandraharana izay ataony, raharaha nanomboka ny 2013 ka hatramin’ny 2016 izy io.

Marihina moa fa ny biraom-paritra Antananarivo sy Fianarantsoa no misahana ny fanadiadiana.

Na inona moa na inona tsindry etsy sy eroa, dia mijoro amin'ny maha izy azy ny Bianco.

Nomarihan'ny Bianco fa olona iray dia tsy mahavita irery kolikoly fa tsy maintsy misy olona ambony tafiditra amin'izany.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana androany talata 04 aprily ny biraon'ny vondrona politika Mapar, miaraka amin'ny Prezida Andry Rajoelina.

Manameloka tanteraka ireo antsojay atao amin'ireo olom-boafidim-bahoaka atao amin'izy ireo, manameloka tanteraka ny fomba maloto itantanana ny Firenena, ary mitaky tsy misy hatak’andro ny ampitsaharana ireo fomba mamohehitra sy mampidi-doza atao amin’ity firenena ity.

Endrika fahatahorana ireo tsy mitovy loko aminy izao ataon'ny fitondrana HVM izao hoy hatrany izy ireo, ary indrindra fahatahorana an'i Filoha Andry Rajoelina amin'ny fifidianana ho avy.

 

Publié dans A la Une
mardi, 04 avril 2017 17:36

Tissu économique mort !

Dans les ménages, le nerf de la vie tourne autour des recettes engendrées par les activités professionnelles des parents. C’est la même pour une Nation mais là on parle de « tissu économique ».

Le tissu économique malagasy est en régression depuis des années presqu’un siècle. Quelle en est la cause ? La première est la Colonisation, dans son ébauche de construction d’un État moderne voire d’un État-Nation au XIXème siècle, les Malagasy ont commencé par créer un tissu économique à travers le commerce avec le monde extra-océanique.

Ils ont connus ainsi depuis des siècles les négoces avec l’Afrique de l’est et par-delà l’Inde et le monde arabe. C’est de cette dernière que nous tirons le nom de notre monnaie pluriséculaire: l’Ariary provenant de rial pièce à la fois des Omanais (Zanzibar), Iraniens (Shirazi) et des Yéménites (Comores) mais non de réal (Espagnol) comme l’affirment certains.

Publié dans Editorial

Il n'y a pas plus urgent à Madagascar, le conseil de gouvernement ce jour a largement discuté de l'arrestation de Claudine Razaimamonjy. Bonjour l'indépendance de la justice.

Publié dans A la Une

Natsangana tamin’ny 03 martsa 1967 ary notokanan’ny filohan’ny Repoblika Philbert Tsiranana ny Mozean’ny Zandarimarian’i Moramanga.

Maro ireo trano misy ny tahiry mahakasika ireo sary sy fitaovana samihafa noentin’ireo mpanjanaka tamin’ny andron’ny fanjanahantany sy ny fahampanjaka. Hita ao ohatra ireo tafondro nampiasaina tamin’izany andro izany, tao ihany koa ireo basy maro toy ny Mass 36, Lee Enfield, STG 44, ary ny Pistolet nampiasain’ireo Zandary tamin’ny taona 1800.

Ireo tahiry ireo dia nomen’ny fianakavian’i Jeneraly BORY Jean Paul ho an’ny Mozea.

Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny Mozea moa dia mila fanavaozana maika ity trano misy ny tahiry ity, satria eo ny fahasimban’ny tafo sy ny rindrina izay mitady hirodana.

Publié dans Tselatra
Fandrarahana lasantsy tamina moto mbola tao anaty trano no nahiana ho nahatonga ny firehetan'ity trano iray teny amin'ny Fokontany Manga ity.
Sady nitelefaonina no nandraraka ny lasantsy ilay rangahy, ka mety ho izay no niteraka afo. Ny tariby mitondra ny herinaratra tao an-trano ihany koa mandady amin'ny tany raha ny fanazavan'ny tompontrano.
Tsy nisy azo noraisina ny trano efitra enina izay vita amin'ny fanitso ary zara raha nisy tafavoaka ny entana tao anatiny. Tonga ara-potoana ihany ireo Mpamonjy voina saingy nampanano sarotra ny asa ny fitangoronan'ny olona teny an-toerana na dia efa tomefy mpitandro ny filaminana aza.
Fa ny nahavariana ihany koa dia ny fanamian'ireo mpamonjy voina, kapa scoubidou vita amin' ny akora plastika no nanaovan'ny sasany, ny sasany kosa kiraro izay hita fa tsy natokana ho an'ny famonjena voina sady tsy manao fiarovan-doha.
Publié dans Vaovao

Nitrangana fitsaram-bahoaka tao amin'ny Fokontany sady renivohitry ny Kaominina Ampohibe, 20km eo miala ny renivohitry ny Distrika Antalaha tamin'ny 7 ora maraina teo.

Roa lahy mpangalatra lavanila avy tany Antanandava, Kaominina Ampohibe no tra-tehaka tao Ampohibe ka niharan'ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ary maty tsy tra-drano avokoa.

Olona voafonja ny iray, izay mampanontany tena ny Fokonolona ny nivoahany, avy ao Antanandava kosa ny faharoa.

Tsy mbola misy mpitandro ny filaminana tonga any an-toerana amin'izao.

Publié dans Tselatra

Mirongatra ny asan-jiolahy mitam-basy eto Ihosy.

Ny herinandro lasa iny izao dia nisy andian- jiolahy niditra an-keriny tao amin'ny tokantrano iray tao Soanatao eto Ihosy tampon-tanàna.

Rehefa tafiditra izy ireo dia nanery ny tompontrano hanome vola ary efa saika hovonoin'izy ireo ny zanak'ilay ramatoa tao fa noho ny fifanomezan-tànana teo amin'ny manodidina dia voatifitra ny iray tamin'ireo jiolahy ka nandositra. 5 lahy niaraka tamin'ny Bajaj ireto jiolahy ireto.

Publié dans Sociale