Filtrer les éléments par date : jeudi, 27 avril 2017

Talanjona izahay raha sendra nandalo nijery ny tao anatin'ity foto-drafitrasa vaovao hamindrana ny toby fiantsonana rezionaly ety Aranta ity. Nanjavona ny tafon'ny trano, ny varavarana sy ny “grille de protection”, notsofaina ireo seza vy sy ny maro hafa. Tsy misy tavela ireo fitaovana rehetra mety esorina fa rindrina sisa mijoro.

Ny tena mahazendana dia ireo fitaratra isaky ny toerana manasaraka ny “Guichet” tsirairay vaky miparitaka manerana ny trano toy ny notorotoroina tamin'ny vato. Toy izany koa ny “béton” amin'ny sisiny izay hita fa fanahiniana nopotehina mihitsy raha ny fijery azy.

Ny Kaominina ambonivihitr'i Mahajanga no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanarahamaso ity foto-drafitrasa ity. Nanazava ny lefitra fahatelon'ny Ben'ny Tanàna fa tsy nahatsikaritra ny fahapotehana sy ny fanimbana ity toerana ity.

Publié dans Vaovao

Lasibatry ny havandra ny Kaominina Antsoantany-Antsirabe II androany Alakamisy 27 Avrily 2017 tolakandro. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany no nirotsaka ny havandra ary naharitra antsasak’adiny teo izany raha ny fanazavan’ny Ben’ny Tanàna, Ramanantenasoaniaina Nalitiana.

Potika ny vary izay vao ny 10% monja tamin’ireo Fokontany 5 mandrafitra ny Kaominina no voajinja satria mbola tsy tena fararano ny aty an-toerana.

Voaelingelina hatramin’ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 noho ny hatevin’ny havandra teny amin’ny arabe.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny Ben’ny Tanàna amin’izao voina voajanahary mihatra amin’ny vahoakan’Antsoantany izao.

 

Publié dans Sociale

Efa 20 volana izao no tsy nandray karama ireo mpiasan'ny Kaominina ambonivohitra Ambovombe Androy, mitaraina izy ireo fa tsy voaloha ny hofan-trano, tsy mianatra intsony ny ankizy, bokan'ny trosa ny tokan-trano, efa tsy misy intsony ny atokona, tsy voaloha ny Jirama, satria tsy misy ny vola, nefa ny asa terena atao hatrany sao voaroaka.

Nanapa-kevitra izy rehetra aty Ambovombe, fa dia fitokonana faobe mandram-pandohan'ny fanjakana foibe ny karaman'ny mpiasa nandritra ny 20 volana.

Milaza izy ireo fa ny fanjakana mahita vola anaovana fandaniana fahatany nefa ny ain'ny mpiasa tsy misy mijery, ny hetra anefa alaina, ny harenan'ny faritra tsy hita.

Tsy misy service minimum.

 

Publié dans Tselatra

L'ancien président tchadien est condamné à la prison à vie pour crimes contre l'humanité, par le tribunal spécial africain qui s'est tenu à Dakar Sénégal où il s'est trouvé en exil.

Le président de la Cour d’assises d’appel, le juge malien Ougadeye Wafi, a donc confirmé, ce jeudi 27 avril, la peine infligée en première instance à l’ancien dictateur, assorti des dommages fixés à 82 milliards 290 millions F CFA. (125 millions d'euro)

Durant sa règne, de 1982 à 1990, Hissène Habré est accusé de crime contre au moins 40 000 personnes torturées et assassinées.

Il purgera sa peine à Dakar, ou dans d'autre ville Africaine.

 

 

Publié dans A la Une

Nampiantso ireo mpanao gazety, teny amin'ny Mosquée de Vendredi, ireo mpino silamo teto Mahajanga ny talata 25 aprily 2017. Manohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny minisitry ny fanabeazam-pirenena izy ireo mahakasika ny tsy fahafahana intsony manangana École Coranique eto Madagasikara.

Nandritra ny fandalovan’i Paul Rabary taty Mahajanga ny herinandro lasa teo no nanaovany fanambarana fa tsy hisy ny fanomezana fahazoan-dalana ny hanokafana École Coranique manerana ny Nosy, noho ny tsy fanajana ny lalàna mifehy.

Publié dans Sociale

Karohina hatramin'ny Alarobian'ny Lavenona lasa teo ny olona nangalatra ny "panneau solaire" mamatsy jiro ny toerana fitsaboana olona marary hoditra eny Ilena eto Fianarantsoa. Efatra no isan'ny "plaque" teo amin'ny toerana fasiana izany ka ny iray no lasan'ny mpangalatra.

Mitondra jiro eo amin'ny tanàna misy mponina 450 ireo kojakoja mamatsy herinaratra ireo. Ampiasaina ao amin'ny trano fitsaboana sy toerana fisakafoanan'ny mpianatra ary fonenan'ny masera mpitantana ilay toerana ihany koa izy ireo.

Publié dans Vaovao

Le Syndicat du Personnel de l'Administration Pénitentiaire de Madagascar décrie le traitement de faveur accordé à Claudine Razaimamonjy, contrairement aux autres détenus à Antanimora.

Depuis que le juge d’instruction de la Chaîne pénale a décidé de placer la milliardaire en détention provisoire depuis le 14 avril 2017, elle n’a jamais fouler la cour de la prison d’Antanimora, elle trouve un refuge à l’Hôpital Joseph Ravaoahangy Ampefiloha (HJRA).

 

Publié dans Fil info