Filtrer les éléments par date : vendredi, 21 avril 2017

Mivoatra ny fanadihadiana manodidina ilay fanafihana narahina fanolanana masera tao Antsahatanteraka, Kaominina Andranomanelatra, Distrikan'Antsirabe II. Taorian’ireo olona miisa 30 nampidirina am-ponja vonjimaika ao Antsirabe dia miampy 6 indray ireo olona nosamborin’ny mpitandron’ny filaminana noho izy ireo nahatratrarana ny ampahany tamin’ireo vola vahiny very tao amin-dry masera ity ny alin’ny 31 marsa 2017.

Isan’ny tratra tamin’izany ny jiolahy iray efa tena raindahiny sy efa nokarohina ela, izay niaiky fa isan'ny nanolana ireo masera tao nandritra ny fanafihana. Io no nanonona ireo namany 5 lahy izay nosamborina androany ary mbola nahatrarana vola vahiny avokoa izy rehetra ireo.

Androany ihany dia nentin'ny mpitandro filaminana teny Antsahatanteraka ireo jiolahy ireo ary nasaina nampiseho ny fomba rehetra nanatanterahana ny fanafihana sy ny fanolanana nataon’izy ireo.

 

Publié dans Vaovao

Nandray ny asany ny Tale Jeneraly vaovao Commissaire Divisionnaire Erick Michel Wouli Soumah Idrissa.

Notanterahina teny amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy, teny Ivato, ny fifamindram-pahefana nandraisan’ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Polisim-pirenena ny Commissaire Divisionnaire Erick Michel Wouli Soumah Idrissa ny fibaikoana.

Nihatrika ny lanonana ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izay nanamarika fa aoka hahay hanavaka ny « esprit de corps » sy ny « corporatisme » ny Polisy ka tsy hibirioka amin’izany « corporatisme » izany, nanambara ihany koa izy fa ilàna ny fahasahiana manasazy raha toa ka tsy mety ny ataon’ny namana.

Publié dans Sociale

Manentana sy manabe izy ireo ho an’ny fiaraha-monina momba ny AUTSIME ary miady amin'ny fametrahana lalàna mahakasika ny fandraisan-tanana ny autiste eto Madagasikara.

Mamporisika ny fifanakalozana traik’efa eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana, Ray aman-dreny sy fianakaviana, ireo mpilatsaka an-tsitram-po eto Madagasikara sy eran’izao tontolo izao ihany koa ny fikambanana.

Manampy ireo fianakaviana hanana fahatoniana mba hanekeny ny maha Autiste ny zanany ary hifampizarany ny traik'efany, mikarakara fizahana maimaim-poana hataon’ny mpitsabo iraisam-pirenena.

Publié dans Sociale
vendredi, 21 avril 2017 20:11

SIM: Nouveau Conseil d'administration

L'élection des membres du Conseil d'administration du Syndicat des Industries de Madagascar a été réalisée ce jeudi 20 avril 2017.

Fredi Rajaonera du Chocolaterie Robert est élu Président, Haideraly Sulemanji du SACOPLAST et Christian RAJAOSAFARA du SIGMA.sont élus Vice-Présidents.

 

Publié dans Fil info

Voarirarira, mivezivezy, simba ampitoerana ny entana sasa-miandry fiaramanidina. Santionany amin’ny fitarainan’ireo mpandefa entana eo amin'ny FRET eny Ivato miazo an’i Sambava ireo.

Lany fotoana, lany vola satria tsy maintsy mandoa vola eo amin'ny SAMADA. Misy anefa entana miandry 12 andro vao lasa. Mitombo ny masonkarena satria ny entana dia vidiam-bola ary matetika no idirana fatiantoka indrindra amin’ireo entana mora simba.

Manamarika ireo mpandefa entana miazo iny faritra SAVA iny fa misy lasa ihany ny entan'ny sasany izay mahafantampantatra olona, ka miahiahy kolikoly izy ireo ary anairan’izy ireo ny tompon'Andraikitra.

Publié dans Vaovao

Au lendemain du toilettage gouvernementale, les deux anciens présidents Zafy Albert et Marc Ravalomanana se sont rencontrés au domicile du Professeur Zafy.

Aucune information n'a filtré de cette rencontre.

On sait que le régime actuel veut à tout prix vouloir instaurer le Ni Ni, et bloquer ses adversaires potentiels en 2018.
Les partenaires financiers et les Chancelleries ont déjà manifesté leur position sur ce point, il faut que tous puissent se porter candidat à l'élection présidentielle et que la date ne soit pas reportée.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 21 avril 2017 10:50

SOS santé : Josiane a besoin de votre aide

Madame Josiane ou Andrianjatomanana Faraharilanto Josiane de son vrai nom est atteinte d’un cancer du sang. Cette maladie a été diagnostiquée il y a quatre ans, alors qu’elle avait tout juste 29 ans.

Mariée et mère de deux enfants, Josiane a besoin de votre aide et de vos prières. Elle habite à Ambohimiadana Avaratra au VIème Arrondissement Ambohimanarina. Sa famille fait aussi appel aux personnes de bonne volonté pour venir en aide à Josiane afin de lui sauver la vie. (Contact : 034 92 595 33)

Publié dans Fil info

Gadra nitsoaka ny fonjabe Marofoto Mahajanga i Manjota no izao maty tany Sambava izao, ny alatsinain'ny Paska teo rehefa avy nanafika toerana iray izy sy ny namany.

Voalaza fa nifanditra tamin'ny resaka vola i Manjota sy ny namany ka raikitra ny disadisa teo amin'izy ireo, dia notofirin'ny namany tamin'ny basy izy dia izao maty izao.

Isan'ireo gadra raindahiny amin'ny fanafihana mitam-basy teto Mahajnga i Manjota. Gadra manao asa ivelan'ny fonja izy no nanararaotra nitsoaka ary tsy hita izay toerana nalehany, nanomboka ny 6 desambra 2016, dia izao maty tany Sambava izao.

 

Publié dans Vaovao
vendredi, 21 avril 2017 09:18

Tolagnaro : Maloto ny Tanàna

Mitokona efa efatra andro androany ireo mpiasan'ny Kaominina ambonivohitra Tolagnaro maherin'ny 170 noho ny karama tsy azo efa hananika ny dimy volana.

Manomboka miantraika amin’ny asa aman-draharahan’ny Kaominina izany ankehitriny, miparitaka ny fako ary mamofona eraky ny Tanàna.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 21 avril 2017 08:36

Rugby: Lalao Fifanitsanana Sakajy U20

Niondrika tamin’ny isa mavesatra 66 no 7 ny Makian’ny MADAGASIKARA raha nihaona tamin’ny Namibie. Lalao izay tafiditra ao anatin’ny sokajy U20.

Tsikaritra hatramin’ny fiatombohan’ny lalao fa dia kely vatana ny Malagasy mihoatra amin’ireto Namibianina ary dia mbola hiaona amin’ny Zimbabwe amin’ny alahady izao.

Marihina moa fa raha toa ka mbola resy amin’ny lalao amin’ny alahady izao dia mety tsy ho tafiditra ho anisan’ny mpifaninana ao amin’ny sokajy io intsony ny Makian’ny Madagasikara.

Ny Kenya moa dia nandresy an’I Zimbabwe tamin’ny isa 34 no 24.

 

Publié dans Sport
B1 - Polyclinique
B2 - Toa