Filtrer les éléments par date : mardi, 18 avril 2017

Niveri-potsiny ireo olona nanan-draharaha hatao tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mananjary androany, fa nikatona ny birao.

Mitokona mitaky handoavana ny karama telo volana tsy voaloa ny mpiasa ary koa mitaky ny hanesorana amin’ny toerany ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina.

Vary mangatsika tamin’ny fitantanana teo aloha io karama telo volana tsy voaloa io, hoy ny Ben’ny tanàna, Dr Marolahy Modeste. Nilaza ity farany fa miankina amin’ny vola miditra amin’ny Kaominina no ahafahana manefa io trosa io, saingy hatreto tsy manana fahafahana momba izany ny Kaominina.

Mikasika ny fanesorana ny Sekretera jeneraly takian'ny mpiasan'ny Kaominina ambonivohitr'i Mananjary kosa dia, nambarany fa misy dingana sy fepetra voalazan'ny lalàna mamaritra izany.

 

Publié dans Tselatra

Ela nieretana izahay, tsy tantinay intsony ny tsy handray karama. Tsy hiasa izahay raha tsy voaloa ny karamanay. Tapa-kevitra ireo mpiasan'ny Kaominina fa hanao grevy faobe nanomboka androany talata 18 aprily.

Raha nitsidika taty Tolagnaro ny lehiben’ny governemanta Solonandrasana Olivier Mahafaly, herinandro vitsy lasa izay dia nampantena fa hataony ny fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny famoaham-bolan'ny Kaominina ; hatreto anefa tsy mbola tanteraka izany.

Nanamafy ireo mpiasa fa tsy hiverina hiasa raha tsy voavaly ny fangatahana.

 

Publié dans Tselatra

Fiara minibus iray nitondra mpandevina tany Manandriana Amoron’i Mania ary hiazo an’i Tsiroanomandidy no niharan-doza tao Moratsiazo, tanàna anelanelan’i Soamahamanina sy Miarinarivo, eny amin’ny lalam-pirenena voalohany, 27km atsinanan’i Miarinarivo, ny alatsinain’ny Paska tokony ho tamin’ny 10ora alina.

Niala lalana ary dia nivarina tany anaty hantsana ilay fiara. Olona efatra no namoy ny ainy, vehivavy ny roa ary lehilahy ny roa, maro ireo naratra izay tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo.

Havizanana miaro torimaso no tombanana ho nitarika ny loza.

 

Publié dans Vaovao
mardi, 18 avril 2017 21:59

SIM : Nouveaux membres du CA

Les nouveaux membres du Conseil d’Administration du Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) pour le mandat 2017-2019 seront présentés ce jeudi 20 avril au MOTEL Anosy au cours d’une conférence de presse.

 

Publié dans Sociale
C’est la première visite officielle de Ahmad, depuis son accession à la tête de la Confédération Africaine de football, le 16 mars 2017. Il est arrivé à Mogadiscio, la capitale somalienne, hier lundi 17 avril, pour une visite de travail de deux jours pour le développement du football somalien.
Publié dans Sport

La Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI) a procédé à l’arrêtage définitif de la Révision Annuelle de la Liste Electorale 2016-2017 le samedi 15 avril dernier. Le nombre d’électeurs inscrits sur la liste électorale est désormais de 9 222 918 contre 8 673 485 en 2015-2016, ce qui équivaut à une augmentation de 6,33%, soit trois fois plus que le taux enregistré lors du précédent arrêtage définitif.

L’inscription sur la liste électorale s’étant déroulée du 1er décembre 2016 au 31 janvier 2017, 675 334 nouveaux électeurs sont inscrits sur la liste électorale.

Le District d’Ihosy a connu un taux d’augmentation conséquent de 17,96%, soit 100 869 électeurs (2017) contre 85 510 électeurs inscrits en 2016, suivi par le District d’Ambovombe avec 16,78%.

Publié dans Politique

En vue du match opposant l'équipe nationale Malagasy et les Malawites le samedi 22 avril 2017 au Stade Municipal Mahamasina, comptant dans le premier tour qualificatif au CHAN Total Kena 2018, le Barea effectuera un match de préparation face au FC Mama ce mercredi 19 avril 2017 à 9h du matin à Mahamasina. Le match amical est ouvert au public.

 

Publié dans Sport

Nitrangàna voina teo Ankazondrano misy ny Stationnement Atsimo. Ny antoandron'ity talata ity no nitragan'izany. Lehilahy iray no voahitsaky ny fiarabe "semi-remorque", ary dia nipotsaka ny atidohany.

Tonga nanao ny asany ny mpiasan'ny BMH sy ny mpitandro filaminana.

 

Publié dans Tselatra

La Journée Mondiale de la Liberté de presse sera, cette année, célébrée dans la Cité des fleurs le 3 mai prochain. Cette journée sera consacrée pour sensibiliser les citoyens de l'importance de la liberté de la presse et rappeler aux gouvernements leur obligation de respecter et faire respecter le Droit de liberté d'expression consacré par l'article 19 de la Déclaration Universelle des Droits de l'homme et marquant l'anniversaire de la Déclaration de Windhoek, une déclaration des principes de liberté de la presse mise en place par des journalistes de presse africains, écrite en 1991.

 

Publié dans Fil info

Akory ny hatairan’ny mponina raha nahita faty nitsirara tamin’ny tany io maraina io. Nahitana ratra noho ny tifitra ny vatany, ary izay no tombanana ho nahafaty azy.

Tsy nisy nahafantatra azy izay rehetra nandalo ka mipetraka ny ahiahy. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, ka ho fantatra miandalana ny tohiny sy ny momba ity olona hita faty ity.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa