Filtrer les éléments par date : dimanche, 16 avril 2017

Manararaotra ireo kaoperativa sy mpamily mampitohy ny lalam-pirenena fahaefatra mihazo an'i Mahajanga. Hatramin'ny zoma hariva, niakatra ho efatra alina Ariary ny sarandalana raha toa ka telo alina Ariary ny mahazatra.

Mitaraina ireo olona tsy maintsy mivezivezy na mba te hitsidika ny Cité des fleurs noho izao toe-javatra izay raisin'izy ireo ho endrika fanararaotana izao.

Hatreto, mbola i Mahajanga no faritany voalohany safidin' ireo mpiala sasatra manerana Nosy amin' izao fialantsasatry ny Paka izao.

Publié dans Tselatra
dimanche, 16 avril 2017 18:48

Antsirabe : Nitrangana haintrano goavana

Nijoalajoala indray ny afo teto Antsirabe ny tolakandron'ny Sabotsy masina, tokony ho tamin’ny 3 ora. Niainga tao amin’ny trano hazo nitoeran’ireo mpivarotra akondro, teo ampitan’ny fiangonana Advantista-Mahazoarivo Avaratra ny afo raha ny fahitan'ny olona azy.

Publié dans A la Une
dimanche, 16 avril 2017 18:26

RNS 2017 : La 42ème édition à Poitiers

La cérémonie d’ouverture de la 42ème édition de la Rencontre Nationale Sportive (RNS) de la Diaspora Malagasy s’est déroulée hier matin au Stade Paul-Rébeilleau en présence du ministre de la Jeunesse et des Sports, Jean Anicet Andriamosarisoa. Les tournois se déroulent du 15 au 17 avril.

La soirée officielle de la RNS 2017 sera animée par Stéphanie au Gymnase du Bois d’Amour, à 9 Rue de la Garenne, 86 000 Poitiers le dimanche de Pâques 16 avril. La première partie du grand show sera assurée par l’humouriste malagasy Gohtlieb.

Rappelons qu’en 2016, la RNS s’est tenue à Lyon.

Publié dans Art et Culture

Nisy efa-dahy niditra sahan-davanila nikasa hangalatra, ny zoma tokony misasak’alina tao Masovariaka, Kaominina Farahalana, Distrika Sambava. Efa manao andrimaso ny voliny anefa ny Fokonolona manoloana ny firongatry ny halatra lavanila maitso. Etsy ankilany tsy vitan’ny mangalatra ireo dahalo, fa mamono izay sendra azy.

Nitifitra avy hatrany ny tompon’ny saha, vao nandre zavatra nikasokasoka. Taitran’ny poa-basy ireo mpiray vavasaha ka nidina nijery ilay voatifitra, ka samy gina fa tsy iza ilay voatifitra fa dadatoan’ilay nitifitra ihany. Tsy nisy azo natao fa maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana, izay namela kamboty enina mianadahy.

Nitsoaka kosa ireo telo niaraka taminy, saika hitango lavanila maitso andro alina anaty sahan’olona.

Io maraina io dia efa tonga teny an-toerana ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin'i Farahalana niaraka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana nijery ny zava-nisy.

Olona faha-30 maty noho ny tsy fandriampahalemana ateraky ny raharaha lavanila ity nitranga ity.

Publié dans Vaovao

L’Emmo-Reg de la SAVA sollicite la contribution de tous les Opérateurs économiques pour faire face à la recrudescence de l’insécurité dans la région.

Le Préfet de Sambava est intervenu en soulignant l’origine de la crise, la vanille et le flux monétaire, qui justifie la demande.

L’opération proposée aux opérateurs économiques de la SAVA consiste à la dotation de deux véhicules destinés à assurer les patrouilles de la Gendarmerie et de la Police Nationale, mission d’urgence en attendant la mise d’une organisation définitive.

Certains Opérateurs économiques se montrent non-coopératifs, en réaction, l’Administration se réserve la possibilité de procéder à d’éventuelles réquisitions de ces derniers.

Publié dans Fil info
B1 - Polyclinique
B2 - Toa