Filtrer les éléments par date : mardi, 11 avril 2017

Nanao fitokonana tsy nanokatra mangazay avokoa ireo karana ao amin'ny fianakaviambe Borhas sy Kojha, tsy nanao kosa ireo Karana Pakistaney sy Sunnite. Ny antony dia noho ilay tovolahy karana maty nisy nitifitra omaly teo Tanambao V sy ilay fakana an.keriny zazalahy karana iray nitranga teny Andranomena Antananarivo androany maraina.

Hisy fivoriana maika hiarahan'ireo karana sy ny mpitandro ny filaminana rahampitso tolakandro ao amin'ny efitrano filanonan'ny lehiben'ny Faritra.

 

Publié dans Tselatra

Manatanteraka fidinana ifotony eny Fandàna, toerana manan-tantara ety Ambalavao Tsienimparihy ny mpiasan'ny foibe-paritry ny kolontsaina. Fanadihadihana lalina ho fandrafetana ny antonta-taratasy fangatahana azy ho vakoka iraisam-pirenena no anton'izany.

Isan'ny fepetra takiana voalohany no maha vakoka nasionaly ny toerana anaovana izany fangatahana izany.

Ny ministera mpiahy sy ny solontena maharitra ny Unesco eto an-toerana no mandray mivantana ny tatitr'izao famotopotorana izao.

Miisa telo ny vakoka iraisam-pirenena eto Madagasikara amin'izao fotoana izao, anisany ny vohitr'Ambohimanga Rova, ny haitao Zafimaniry.

 

Publié dans Sociale

Tsy afa-niala intsony fa teo ampanaovana ny asa ratsiny mihitsy no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana nanao fisafoana tamin'ny alina ireo roalahy mpangalatra tariby fefin-jaridaina.

Efa voasesin'izy ireo ny tamin'ireo zaridaina miainga avy eny amin'ny Saint Gabriel midina mihazo ny Lapan'ny Tanàna. Sady mody mipetrapetraka amin'ny sisiny izy ireo no mifandimby manapaka.

Efa anatin' ny fanaraha-maso indrindra rahateo ny Kaominina ny amin' izay tena mahavanon-doza manimba ny fananana iombonana toy ireny taorian'ny fanimbana ireo zaridaina sy fanapahana ireo zanakazo novolena.

Azo antoka anefa hoy ny tompon'andraikitra fa tsy mbola ireo nanao ny heloka teo aloha ireto tratra ireto fa tranga hafa indray.

 

Publié dans Vaovao

Nahatratra 30 ireo olona nosamborina ka natolotra ny fampanoavana androany talata 11 avrily tolakandro izao, noho izy ireo voarohirohy tamin'ny fanafihana sy fanolanana relijiozy tao Antsahatanteraka-Antsirabe faharoa ny alin’ny 31 marsa hifoha 1 avrily lasa teo.

Raha ny tatitra nomen’ny mpitandro filaminana niaraka, ny Zandary sy ny Polisy, dia tsy mbola nisy nitonona ho tompon’antoka tamin’iny tranga iny ireto olona ireto saingy voaporofo tamin’ny fanadihadiana natao taminy kosa fa nisy ny hifandraisany tamin’ny tranga niseho.

Nambaran’i Kapiteny Ramilison Faneva Lucas, Komandin’ny vondron-tobim-paritry ny Zandary eto Antsirabe fa ny fanadihadiana ihany no nataon’izy ireo fa ny Fltsarana no afaka manameloka na tsia ireo olona notanan’izy ireo io.

Publié dans Vaovao

Mpitandron’ny filaminana 800 no hiparitaka manerana an’Antananarivo, handrindra ny fifamoivoizana sy ny tsy fahandriam-pahalemana amin’izao hakatoky ny fetin’ny Paka izao.

Ho hamafisina manokana ny eny amin’ireny toerana misy fety ireny sy ny eny amin’ny trano fiangonana.

 

Publié dans Tselatra

Vita soamantsara ary efa notokanana ny kianja sentetika eto izay napetraky ny Federasiona iraisam-pirenena momba ny kitra (FIFA) sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny olana dia tsy vita hatramin'izao ireo foto-drafitrasa manodidina ny kianja.

Ny zava-misy ihany koa dia nofefena ny vavahady miditra ao amin’io kianja io. Na hilalaovana anefa na tsy hilalaovana io kianja io dia tsy maintsy misy fikojana, nefa na ny mpikojakoja aza amin’izao tsy tafiditra ao.

Publié dans Sport

Diabe no nentin'ny ministeran’ny fahasalamana nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalamana ny zoma 7 aprily lasa teo.

Niainga teo amin'ny tranom-bokim-pirenena niazo ny hopitaly Andravoahangy Andrianavalona Anosy izany. Tonga nanatrika izany moa ny minisitry ny fahasalamana sy ny filohan’ny Antenimieran-doholona.

Publié dans Tselatra
mardi, 11 avril 2017 10:31

Andranomena : Rapt d’enfant

Firoze Nourbhay, fils d’EDEN a été kidnappé en montant dans le bus scolaire ce matin à Andranomena sur la RN4, devant les policiers. L’enfant était accompagné de son garde du corps avant que l’enlèvement ne se produit.

Les ravisseurs ont embarqué l’enfant à bord d’une voiture de marque Renault genre Espace marron gris immatriculée 5787 TAB. Le bus scolaire les a suivis, mais comme les kidnappeurs ont menacé en tirant en l’air, le bus s’est arrêté.

Publié dans Fil info

La Police Nationale du District de Mananara Nord a arrêté, le samedi 8 avril 2017, des pilleurs de tombeau au niveau de la Commune rurale de Maroala.

Informée par des sources anonymes, la Police Nationale a monté un piège afin de trahir la vigilance de ces malfaiteurs. Ces derniers sont pris en flagrant délit avec 6 kg d’os humain.

Notons qu’à Mananara Nord, un kilogramme d’os humain vaut 700.000 ariary.
Ce qui est surprenant dans ce vol d'ossement, c'est que les acheteurs et trafiquants et l'utilisation sont très opaques.

Publié dans Fil info
mardi, 11 avril 2017 10:01

11 avril

Journée Mondiale de la maladie de Parkinson

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa