Filtrer les éléments par date : mercredi, 08 mars 2017
mercredi, 08 mars 2017 12:00

Ivolohina

Tsy mitsahatra miakatra ny rano.

 

Publié dans Tselatra

Lehilahy lehibe iray maty ary vehivavy iray folaka nianjeran'ny tranon'ny Ex-SINPA Distrika Befandriana Nord ny alin'ny talata 7 marsa.

 

Publié dans Tselatra

Nisaotra an'ireo tovolahy matanjaka ny teto an-tanana tokony tamin'ny 10 ora alina namaky ny vinany fa raha tsy izany dia dibo-drano ny fokontany Ambinany alina.

Maro ireo trano rava.

 

Publié dans Tselatra

Voakasik'izany ny Faritra efatra, Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava ary Itasy mandrafitra ny Faritanin'Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 mars 2017 11:23

Enawo : Ao Mandritsara

Ao amin'ny Kaominina Antsirabe Distrika Mandritsara no misy ny foibeny tamin'ny 6 ora maraina teo, ary manohy ny diany mianatsimo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 mars 2017 11:22

Alaotra : Mikija ny orana

Ahiana ny fiakaran'ny rano manoloana ny ora-mikija entin'ny rivodoza Enawo. Faly sahirana ny tantsaha izay ela niandrasana rano hambolem-bary, nefa izao be firotsaka izao indray ahiana hitondra atsanga hanototra tanimbary.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 mars 2017 10:55

Enawo : Premier bilan et projection

Les premières informations en provenance des zones touchées font état de 3 morts, dont un homme à Mananara Nord, et 2 enfants à Maroantsetra, 6 blessés suite un glissement de terrain à Maroantsetra, et 468 personnes déplacées dans la même localité.

Par rapport à ces premières informations en provenance des premières zones touchées, les projections de l’UNITAR (Institut des Nations Unies pour la Formation et la Recherche)
indiquent, pour Madagascar, que 710 000 personnes sont exposées aux effets de vents forts et de la pluie.

Au niveau du BNGRC, en termes de scénario du pire, le chiffre est sensiblement le même, soit, 720 000 personnes.

 

Publié dans A la Une

Ao anaty rano ny ilany atsinanan’ny Maroantsetra tampon-tanàna. Rava fananana ny mponina, maro ny biby fiompy lasan’ny rano, potika ny voly, traboina tanteraka ny Vahoakan’i Maroantsetra takaitra navelan’ny rivodoza Enawo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 mars 2017 10:50

Maroantsetra : Tsy misy jiro

Tapaka nanomboka ny alatsinainy 6 martsa tamin'ny 9 ora alina ny jiro teto Maroantsetra ary tsy mbola miverina amin'izao alarobia maraina izao.

Sarotra ny fifandraisana, sy ny fahazoam-baovao mikasika ny fiantraikan'ny rivodoza Enawo, indrindra amin'ireo kaominina ambanivolo.

Miantso ny handefasana haingana tranolay hipetrahan'ny traboina ny lehiben'ny Distrika satria saika feno avokoa ny toerana toy ny sekoly sy Fiangonana itobian'izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 08 mars 2017 10:48

Andapa - Sambava : Tapaka ny lalana

Feno ranontany (éboulement) ny lalana mampifandray an’Andapa amin’i Sambava, renivohitry ny Faritra SAVA vokatry ny oram-be nentin’ny rivodoza Enawo. Vao 8km miala an’Andapa dia efa tapaka ny lalana.

Mihitsoka ny fiarabe mpitondra solika mamatsy ny Jirama Andapa. Maizina tanteraka ny tanàna araka izany.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa