Filtrer les éléments par date : samedi, 04 mars 2017

Tanterahina manoloana ny Hotel de ville manomboka androany ary hitohy hatramin'ny Talata 7 martsa izy ity, izay karakarain'ny Zanak'i Sofia ary anentanan'izy ireo ny rehetra ho fanohanana ireo traboina an'arivony any Antsakabary-Befandriana Avaratra taorian'ny nandoran'ny Polisy ny tanànan'izy ireo ny 23 febroary 2017 lasa teo.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 04 mars 2017 12:21

Fenoarivo Atsinanana

Deux gendarmes placés en garde à vue pour avoir perdu une arme, un kalachnikov.

 

Publié dans Fil info

Niaritra ny mafy ny mponina tamin'ireo tanàna enina nodoran'ny Polisy ny 23 febroary 2017. Rava ny trano, Potika ny fananana, ny tena maratra vokatry ny fampijaliana nataon'ny Polisy azy ireo, nampandohalihana, noterena handady, misy ny mety hitondra takaitra noho izany.

Ny fanampiana nomen'ny Fanjakana azy ireo tsy naterina tany an-toerana fa mbola alaina lavitra, mandeha tongotra indroa andro.

Izahay hoy ireto mponina tsy miandry izay tranolay ataon'ny fanjakana, fa ny tranonay nodorana no avereno amin'ny toerana teo aloha.

Mitaky ny amoahana ireo fianakavianay nosamborina izahay hoy izy ireo, ary miandry ny fanasaziana henjana ireo polisy nanao habibiana.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa