Filtrer les éléments par date : mercredi, 29 mars 2017
mercredi, 29 mars 2017 20:17

29 marsa: Nanamarika manokana Ikongo

Nanamarika manokana ny Tolom-panafahana ny vahoakan'Ikongo, izay notarihin'ireo manampahefana rehetra taty an-toerana izay notarihan'i Slombavambahoaka lany teto Ikonga tamin'ny vondrona Mapar, Brunelle Razafitsiandraofa.

Fotoam-pivavahana no nnombohana azy, ary dia narahina filaharam-be namakivaky ny tanàna, ary nametraka fehezam-bonikazo manoloana ny Tsangam-bato fahatsiarovana ireo Maritiory.

Ikongo moa dia anisan'ny namoy mpitari-tolona maro tamin,ny taona 1947.

 

Publié dans Tselatra

Nandritra ny lahateniny tany Moramanga tamin’ny fanamarihana ny faha 70 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny faha 29 martsa 1947 dia nampanantena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa ampiakarina telo hetsy isan-telo volana ny vola fandrain’ireo Bekotromarolatra.

Nampanantena ihany koa ny filohan’ny Nosy fa handray an-tanàna ny fitsaboana ireo zoky olona izay marihina fa efa tena samy antitra avokoa. Ho vatsiana fitaovana ilaina an-davan’andro toy ny lamba firakotra mafana sy ny sisa ihany koa izy ireo.

Nandritra izany lahateny izany moa ny filoham-pirenena dia tsy nitsahatra ny nanentana ny mpiray tanindrazana ary indrindra fa ny tanora ny amin’ny fitahirizana ilay fanilo miampita ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ka namoizan'ireo Bakotromarolatra ny ainyho fanavotana an’i Madagasikara teo ambany vahoan’ny mpanjanaka frantsay.

Publié dans Tselatra

Io tolak'andro io dia niaraka nanatitra fehezam-bonikazo tetsy Ambohijatovo ny Mapar, teo ireo Birao Nationaly sy ireo parlementera miaraka amin'i Filoha Andry Rajoelina.

Nanamarika ny fanohizana ny tolom-panafahana izy ireo, izay nilaza fa nihemotra ny fahalalahana sy ny démokrasia amin'izao fitondrana jadona misy izao.

 

Publié dans Tselatra

Le président national de la société civile Hafari Malagasy purge sa peine de un an à la prison d'Antanimora après son hospitalisation à l’hôpital militaire de Soavinandriana.

Jean Nirina Rafanomezantsoa est transféré dans le quartier dit "Maputo", auquel sont généralement placés les détenus politiques.

 

Publié dans Politique

Tsy manadino ny tolom-panafahana 1947 ny filoha nasionalin'ny antoko Masters Alain Ramaroson na voageja any am-ponja aza.

 

Publié dans Tselatra

Un violent incendie a ravagé 51 maisons à Ampefiloha Ambodirano - Antananarivo dans la nuit du 28 au 29 mars 2017, jour de commémoration du 70e année de l’insurrection Nationale, laissant 249 sinistrés.

Publié dans Fil info

Natomboka tamin'ny vavaka iraisam-pinoana tao amin'ny FLM Vangaindrano ny fahatsiarovana ny faha-70 taonan’ny Tolom-panafahana 1947. Taorian'ny fisafoana ny andian-tafika nataon'ny lehiben'ny Distrika dia niroso tamin'ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny tsangambaton'ireo mahery fo.

Nisy ny fijoroana vavolombelona nataon-dRandrianasolo, izay mpitolona hany sisa tavela eto Vangaindrano, ka nanafatra ny tanora mba hanana fitiavan-tanindrazana, avy eo niroso tamin'ny kabary nifandimbiasana.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 29 mars 2017 13:48

Mahajanga : Tsiaro ny 29 marsa

Nifandimby tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny “Jardin Cayla” ny solontenam-panjakana sy ny antoko politika ho marika ny fahatsiarovana ny Tolom-panafahana 1947.

 

Publié dans Tselatra

En marge de la commémoration du 70ème anniversaire de l’insurrection nationale du 29 mars 1947, le Chef de l’Etat Hery Rajaonarimampianina a promis d’augmenter à 300.000 Ar par trimestre, le pécule des combattants nationalistes, qui ne sont plus que 1452 dans toute l’île dont 179 à Moramanga, un à Vangaindrano en la personne de Randrianasolo. Dans la province d’Antananarivo, le doyen, Ralaimboa, a 106 ans.

 

Publié dans Fil info

Miaramila iray, 24 taona, miambina ny trano fonenan'ny Senatera eny Tanambao no voalaza fa nitifitena noho ny fahadisoam-panantenana.

Nitranga ny alin'ny alatsinainy hifoha ny omaly talata izany ka iaretan-tory ao amin'ny Toby Faritany miaramila faharoa ny razana amin'izao fotoana izao.

Loharanom-baovao vitsivitsy no nahenoana fa resaka fampanantenana asa tsy tanteraka no nahatonga izany famoizam-po tao anaty fisotroana zava-mahamamo izany.

Voalaza fa nanapoapoaka basy ity miaramila mpiambina ity ka ny bala faha-14 no natodiny tamin'ny tendany ka nivoaka tany an-tampon-dohany.

Betsaka ny resaka sy ahiahy manodidina ity raharaha somary atrehana mangingina ity. Ny fanadihadihana lalindalina no hamoaka fanampim-baovao momba izany.

 

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2