Filtrer les éléments par date : dimanche, 26 mars 2017

Victoire sans éclat des Barea de Madagascar sur la pelouse de Mahamasina. A l’issue d’un match mitigé, les protégés de Nicolas Dupuis, le sélectionneur étranger de l’équipe nationale malagasy, dont on ignore le parcours et la performance, ont pris le dessus sur un score serré de 3 buts à 2 face à une modeste formation de Sao Tomé Principe.

La rencontre entre dans le cadre de la qualification au match de groupe comptant pour les éliminatoires de la Can 2019 pour le groupe A.

Après une victoire à l’aller 1 à 0 à Sao-Tomé Principe, les Barea accèdent dans le groupe A et vont se mesurer aux Sénégalais, Soudanais et Equato-guinéenne afin de décrocher une place à la phase finale de la Coupe d’Afrique des Nations au Cameroun en 2019.

Publié dans Sport

Noho ny fandalovan'ny rivodoza ENAWO dia omaly asabotsy 25 marsa vao notanterahina teto Mahanoro ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy.

Publié dans A la Une

Nenjehin’andiana tanora maromaro nanomboka avy tany amin’ny Fokontany Antsirabe Sambava ka hatreny amin'ny Parcage Antanifotsy ity tovolahy ity, ary teny no azon’ireo izy rehefa reraka ka dia niharan’ny vono sy daroka.

Voatsindrona antsy ny faritra maro tamin’ny vatany. Avy any Maroantsetra ity tovolahy maratra ity, ary tsaboina ao amin’ny hopitalibe Besopaka amin’izao.

Tsy fantatra mazava ny anton'izao herisetra izao. Mametra-panontaniana ny mponina ny amin’ny andraikitry ny mpitandro ny filaminana manoloana ny tranga toy itony.

 

Publié dans Tselatra

Un enfant est décédé de la rage le 24 mars dernier, après s’être mordu par un chien enragé en 2016 mais pas d'abattage.

Le corps de l’enfant est enterré le jour même de son décès, pour éviter l'épidémie de rage canine. Ce même chien a aussi mordu un bœuf. Ce dernier est mort quelques jours après la morsure.

 

Publié dans Tselatra

Mikaikaika ny Vahoaka aty MAVAM (Mahanoro, Antanambao-Manampotsy, Vatomandry, Ampasimanalotra, Marolambo) fa miaka-bidy andro aman’alina ny vidim-bary.

Aty Marolambo izao dia tafakatra 1.200 Ariary ny kaopakam-bary izany hoe manodidina ny 4.000 Ariary ny kilao, ny ao Antanambao Manampotsy sy Mahanoro ary Toamasina II dia tsy latsaky ny 1.000 Ariary ny kapoaka, raha mahatratra 700 na 800 Ariary izany ao Vatomandry sy Brickaville.

 

Publié dans Tselatra

Tafakatra 2.500 Ariary ny kilaon’ny vary makalioka izay tena be mpividy, raha efa 2.000 Ariary ny kilaon’ny “stock tampon” ary 2.150 Ariary ny kilaon’ny vary gasy.

 

Publié dans Tselatra

Vavaka iraisam-pinoana atao ao amin’ny Fiangonana Katedraly, ny alahady 26 marsa, no hisantarana ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana 29 marsa 1947.

Mitohy ny talata 28 marsa ny fankalazana ka horonan-tsary no aseho ny olon-drehetra ao amin’ny tranobe ny kolontsaina manodidina ny lohahevitra hoe : “Mba hiampita ny fanilo, ny lasa tsy fanadino”.

Ny andro 29 marsa izay ivon’ny fankalazana dia hisy ny diabe iarahan’ny rehetra miainga eo amin’ny Lapan’ny Tanàna miazo ny “Jardin Cayla”, toerana hanatanterahana ny lanonana.

Hisy ny fanolorana fanilo ataon’ireo Bekotro maro holatra amin’ny tanora izay hambimby ny vitan’izy ireo amin’ny fiarovana ny tombotsoam-pirenena indrindra ny maha Malagasy.

 

Publié dans Vaovao

Olona nandalo no nahatsikaritra fa nisy namaky ity trano fisakafoanana iray eny Mahajangabe ity. Fahitalavitra lehibe iray sy ny vola tao anaty fitehirizam-bola mitentina 5 tapitrisa Ariary no nalain’ireo jiolahy.

Volan’ny fikambanana izay misy ny tompon’ilay trano fisakafoanana ireo lasan’ireo jiolahy ireo.

Tsy nisy mpiambina ilay trano fisakafoanana ka mora tamin’ireo mpamaky trano ny niditra tao. Latsaka rahateo ny orana ny alin’ny alakamisy 23 marsa nitrangan’ny vaky trano, ka na ireo mpiambina teny amin,ny manodidina aza tsy nahare na inona na inona.

Nametraka ny fitarainany teny amin’ny mpitandro ny filaminana ny tompon’ilay trano fisakafoanana mba ahafahana mitady izay nahavanon-doza.

 

Publié dans Vaovao

Naneho ny alahelony, tsy ho afaka handray anjara amin'ny lalao miverina hifandonan'i Madagasikara sy Sao Tome etsy Mahamasina anio tolakandro ilay mpilalao mpilaravinahitra Malagasy Raherinaivo Rinjala. Resaka sarandalana no voalaza fa antony.

Nampahery sy nirary soa ho an'ireo namany hiaro ny voninahi-pirenena izy.


Publié dans Sport
dimanche, 26 mars 2017 17:02

Kitra : Madagasikara vs Sao Tome

Lalao miverina no hotanterahina eo amin'ny Kianja Monisipaly Mahamasina anio tolakandro.

Hanala vela ny ekipam-pirenen'i Sao Time, izay efa resin'i Barean'i Madagasikara 1 noho 0 tamin'ny lalao mandroso herinandro lasa izay tany Sao Tome.

 

Publié dans Sport
Page 1 sur 2